Fitomaniana

Toko faha-4

1 Indrisy! Nihavasoka ny volamena; efa nihamatroka ilay metaly tsara; ireo vatosoa voatokana ho an'ny Tompo dia niparitaka teny an-dalambe rehetra teny.

2 Indrisy! Ireo vaton'i Tsiona izay sarobidy sady manan-danja toy ny volamena madio dia tonga mitovy vidy amin'ny siny tany, asan-tanan'ny mpanefy tanimanga?

3 Na ny amboadia aza dia manolotra nono mba hampinonoana ny zanany; fa ny zanakavavin'ny fireneko kosa tsy mifaditra ovana tahaka ny vorombe any an-taniefitra.

4 Main'ny hetaheta ireo zaza minono ka miraikitra amin'ny lanilany ny lelany. Mitaky mofo ireo ankizy madinika nefa tsy misy mizara ho azy.

5 Ireo mpihinana hanim-py dia mitofezaka eny an-dalambe. Ireo nobeazina tamin'ny fitafiana jaky dia mihosinkosina eny an-tobim-pako.

6 Lehibe noho ny heloky ny tao Sodoma ny fahotan'ny vahoakako; nefa noravana indray mipi-maso io tanana io ka tsy nisy nihetsehana akory.

7 Ny printsiny dia nangatsakatsaka noho ny oram-panala; fotsy noho ny ronono ny fihodirany, mavokely noho ny akoran-driaka ny tenany, ary manga toy ny safira ny lalan-drany.

8 Fa izao kosa dia mainty noho ny arina ny endriny; ka tsy fantatra intsony izy eny an-dalambe. Miraikitra amin'ny taolany ny hodiny, dia hoditra maina toy ny kitay.

9 Aleo lavitra aza matin-tsabatra toy izay matin'ny mosary sy mitofezaky ny harerahana satria tsy misy vokatry ny saha.

10 Ny reny tokony ho feno fitiavana aza no nirotsaka nahandro ny zanany; dia izany no nataony sakafo tamin'ny fandringanana nahazo ny vahoakako.

11 Nanampatra havinirana ny TOMPO ka nampitosaka ny fahatezerany mirehitra. Namelona hain-trano tao Tsiona Izy handevonana ny fanorenany.

12 Tsy nanampo na ny mpanjakan'ny tany na ny mponina rehetra amin'izao tontolo izao fa hiditra ao an-tananan'i Jerosalema ny fahavalony ama-mpandrafy azy.

13 Fahotan'ny mpaminaniny sy heloky ny mpisorony izay nahafaty ny mpivavaka marina tao an-tanana no nahatonga izany fahavoazana izany.

14 Toy ny jamba eny an-dalambe ry zareo no niraparapa fandeha sady voahosin-dra; hany ka voarara ny mikasika ny fitafiany.

15 Rehefa tonga izy, dia misy miantsoantso hoe: Mihataha ianareo fa maloto izy, mihataha fa aza manatona azy. Raha mandositra izy nefa tsy mahita izay haleha dia hoy ny firenen-kafa hoe: Tsy mahazo mijanona ela aty amintsika ireo!

16 Ny TOMPO mihitsy no nampiely azy fa tsy te hahita azy intsony. Koa tsy nohajaina ny mpisorona ary tsy niantrana ny zokiolona.

17 Mbola vizana ny masonay miandry foana ny famonjena. Nitazana teo an-tilikambo izahay nanantena firenena tsy hahavonjy.

18 Arahi-maso ny fihetsikay: Tsy afa-mankeny an-kianjanay akory izahay. Manakaiky ny fiafaranay, tapitra ny andronay; eny, migadona ny fiafaranay.

19 Ny mpanenjika anay kosa haingam-pandeha noho ny voromahery eny an-danitra. Manenjika anay hatrany an-tendrombohitra izy, ary manotrika hamely anay any an-taniefitra.

20 Ilay niankinan'ny fiainanay, ilay mpanjaka nohosoran'ny TOMPO ka mba efa nilazanay hoe: Eo ambany fiarovanao no hanananay toerana eo anivon'ny firenen-kafa, dia indro voafandriky ny longoam-pahavalo!

21 Mifalia sy miravoa ianareo, ry mponin'i Edoma, izay mitoetra ao amin'ny tanin'i Hotsy; saingy handalo aminareo koa ny tsangambavam-panamelohana ka ho mamo sy hiboridana ianareo!

22 Efa tapitra ny famaizana anao, ry Tsiona, ka tsy hoentina ho babo intsony ianao. Fa ianao kosa, ry Edoma, hovalian'ny Tompo ny fahadisoanao, hovakiny bantsilana ny helokao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0565