Fitomaniana
Toko faha-3
1 Lehilahy nahita fahoriana aho tamin'ny kapoky ny fahatezeran'ny Tompo.2 Notarihiny aho, ka nampandehaniny tamin'ny maizina fa tsy tamin'ny mazava.
3 Izaho irery ihany no velesin'ny tanany mandritra ny andro manontolo.
4 Nolazoiny ny nofoko sy ny hoditro, ary notapatapahiny ny taolako.
5 Nampijoro tovon-tany hamelezana ahy Izy, ka zava-mangidy sy fahoriana no nataony manemitra ahy.
6 Nampitoeriny tao amin'ny haizina aho tahaka ireo efa maty fahiny.
7 Nofefeny manodidina aho tsy ho afa-nivoaka; nataony mavesatra ny gadrako.
8 Nikiakiaka niantso vonjy aho; fa nosakanany ny fivavako.
9 Notampenany rindrim-bato voapaika ny lalako ary naolikoliny ny alehako.
10 Toa orsa manotrika hamely ahy Izy, toa liona mamitsaka ao anaty kirihitra,
11 ka nampivily lalana ahy ary namiravira sy namela ahy ho potika.
12 Nanenjana ny tsipikany Izy ary nikendry hitifitra ahy.
13 Ny zana-tsipikany rehetra no nanagorobahany ny voako.
14 Tonga fihomehezan'ny olona rehetra aho, ataony resaka fanarabiana isan'andro.
15 Nobobohan'ny Tompo zava-mampalahelo aho ary nomamoiny zava-mangidy.
16 Notereny hikarepoka vatokely aho ary nohoseny tao anaty lavenona.
17 Noroahiny lavitry ny fiadanana aho ka nanadino izay atao hoe fahasambarana.
18 Ka hoy aho hoe: Potika ny hoaviko, ary tsy misy fanantenako ny TOMPO intsony.
19 Poizi-mangidy ho ahy ny mahatsiaro ny fahoriako sy firenireneko
20 Tsaroako tokoa izany, eny, tsaroako ka trotraka aho tamin'ny nanjo ahy.
21 Izao anefa no hoeritreretiko am-po sady antony hanantenako:
22 Tsy ritra ny mari-pitiavan'ny TOMPO ary tsy mitsahatra ny famindrampony;
23 vaovao isa-maraina ireny. Fatratra ny toetranao mahatoky, Tompo o!
24 Hoy aho anakampo hoe: ny TOMPO no anjarako; noho izany, dia manantena Azy aho.
25 Tsara ny TOMPO amin'izay miandry Azy, dia amin'ny olona mitady Azy.
26 Tsara ny manantena mangina ny famonjen'ny TOMPO.
27 Tsara ho an'ny lehilahy ny mitondra zioga amin'ny fahatanorany.
28 Aoka izy hipetraka mitokana sy hangina, rehefa mizaha toetra azy ny Tompo.
29 Aoka hanohoka vava am-bovoka izy, ndrao mba hisy fanantenana.
30 Aoka izy hanolotra ny takolany amin'izay mikapoka azy, ka ho voky latsa!
31 Fa tsy hanary mandrakizay ny Tompo.
32 Fa raha mampahory Izy, dia mamindrafo araka ny halehiben'ny fitiavany.
33 Fa tsy sitrany ny mampahory na mampijaly ny olombelona.
34 Rehefa hosihosena avokoa ny mpigadra eo amin'ny tany,
35 rehefa ny zon'olombelona no hitsakitsahina eo anatrehan'ilay Avo Indrindra,
36 rehefa ny rariny no avadika eo amin'ny fitsarana, dia tsy ho hitan'ny Tompo ve izany?
37 Iza moa no miteny, dia mampisy zavatra? Moa tsy ny Tompo va no mandidy?
38 Moa tsy ny tenin'ilay Avo Indrindra ve no mampisy ny loza sy ny soa?
39 Koa inona ary no imenomenonan'ny olona izay mbola velona sy tomady, na dia eo aza ny fahotany?
40 Dinihontsika sy fantaro ny fitondrantenantsika, ka miverena amin'ny TOMPO isika.
41 Aoka hasandratsika miaraka ny fo aman-tanana, rehefa mivavaka amin'Andriamanitra any an-danitra isika.
42 Efa nanota sady nikomy izahay; ary Ianao, Tompo o, tsy namela heloka anay.
43 Nisarom-pahatezerana Ianao no nanenjika anay, ka nandringana anay tsy nisy fiantrana.
44 Nisaron-drahona Ianao mba tsy ho takatry ny vavakay.
45 Nataonao fakofako sy fanary teo anivon'ny firenen-kafa izahay.
46 Nanoka-bava hamely anay ny fahavalonay rehetra.
47 Horohoro sy fanina no mahavoa anay, ary koa fandringanana sy faharatrana.
48 Rano mandriaka no avoakan'ny masoko noho ny faharatrana nanjo ny fireneko.
49 Mikoriana ranomaso tsy mety ritra ny masoko satria tsy misy fitsaharanay mihitsy.
50 Andrasako ny hitsinjovan'ny TOMPO ka hijereny avy any an-danitra.