Fitomaniana

Toko faha-2

1 Indrisy! Tezitra ny Tompo ka nanaron-draho-mainty an'i Tsiona. Avy any an-danitra no nanjerany amin'ny tany izay natao ho voninahitr'i Israely. Tamin'ny androm-pahatezerany dia hadinony fa i Tsiona no fandiavan-tongony.

2 Naripaky ny Tompo tsy nisy indrafo avokoa ny fonenan'ireo taranak'i Jakoba. Noravany tam-pahavinirana ny tananamimandan'i Joda. Nazerany amin'ny tany sy nalany baraka ny fanjakana sy ny mpitondrany.

3 Tamim-pahatezerana mirehitra no nanapotehany izay rehetra nampirehareha an'i Israely. Nihemotra tsy niditra an-tsehatra Izy teo anatrehan'ny fahavalo. Nandrehitra afom-pahatezerana Izy hamelezana ireo taranak'i Jakoba, ka toa afo miredareda nandevona manodidina.

4 Nanenjan-tsipika toy ny fahavalo Izy ary naninji-tanana ankavanana hitifitra. Niseho toy ny rafilahy Izy ka nandripaka ny zavatra rehetra mahafinaritra ny masonay. Ny fahatezerany dia nararany toy ny afo teo ambonin'ny tempolin'i Tsiona.

5 Tonga toy ny fahavalonay ny Tompo, ka nandripaka an'i Israely; nandripaka ireo lapany rehetra Izy ary nandrodana ireo mandany ka nampitombo sento sy taraina manerana ny vahoakan'i Joda.

6 Noravany ny zaridaina sy ny tranobongony, nosimbany ny toeram-pihaonany. Nataon'ny TOMPO hadino tao Tsiona ny andro fety sy ny sabata. Tamin-katezerana mirehitra no nanesorany ny mpanjaka mbamin'ny mpisorona.

7 Nolavin'ny Tompo ny alitarany, nilaozany ny Toeramasiny, ary natolony ho eo an-tanam-pahavalo ny mandan'ireo lapan'i Tsiona. Nisy akora lava tao an-tranon'ny TOMPO tahaka ny amin'ny andro fety!

8 Nanapa-kevitra ny TOMPO fa handrava ny mandan'i Tsiona. Nampitoviany tantana ny rindrina voazera, ka tsy nisalasala nandrodana Izy. Nitrosina ny manda sy ny hady fiarovana izay samy miara-mihasimba.

9 Tototry ny tany ireo vavahadin'i Tsiona; nopotehina sy nomontsanina ny hidiny. Ny mpanjaka sy ireo mpitondra dia eo an-tanan'ny hafa firenena. Tsy misy fampianaran'ny mpisorona intsony; ary na ny mpaminany aza tsy mandray hafatra avy amin'ny TOMPO.

10 Mitorovoka amin'ny tany sady mangina ny loholon'i Tsiona; norarahany vovoka ny lohany sady mitafy gony izy. Mitanondrika amin'ny tany ireo tovovavin'i Jerosalema.

11 Jembin-dranomaso ny masoko ary mandevilevy ny fiontanako; azon'ny famoizam-po aho noho ny fahavoazan'ilay firenena mamiko, fa matin-ketaheta ny zaza madinika sy minono eny amin'ny kianjan'ny tanana eny.

12 Raha mitolefika toy ny olona maratra eny an-kianjan'ny tanana eny izy na koa miala aina eo am-pofoan-dreniny, dia manontany an-dreniny hoe: Aiza izay hanina e?

13 Tsy haiko intsony izay holazaiko anao, ry Jerosalema mamiko; fa tsy misy azo anoharana izay manjo anao! Inona no hampitahaiko aminao mba hampiononako anao, ry Tsiona mahonena? Midadasika toy ny ranomasina ny ratranao; ka tsy misy mahasitrana anao amin'izany.

14 Hafatra mamitaka sy poaka aty no nambaran'ny mpaminaninao taminao. Tsy namaky bantsilana ny helokao izy mba hiarovana anao tsy ho babo; fa hafatra mamitaka sy manodoka no nambarany taminao.

15 Mitehaka noho ny faharavanao izay rehetra mandalo amin'ity lalana ity, velon-tsioka sy mihifikifi-doha izy maneso anao, ry Jerosalema mamiko: Ity tokoa ve ilay tanana natao hoe fanaperana amin'ny hatsaran-tarehy sy fifalian'ny tany tontolo?'

16 Misoka-bava hankaloza anao ny fahavalonao rehetra, velon-tsioka sy mihidy vazana izy ary miteny hoe: Nataontsika levona io! Tonga izao ny andro nandrasantsika; tratrantsika izany ary hitantsika ihany!

17 Nataon'ny TOMPO izay efa nosaintsaininy, notanterahiny izay nambarany, dia izay efa notapahiny hatry ny ela: nandravarava Izy ka tsy niantra. Nampitotorebika ny fahavalo Izy noho ny nanjo anao ary nampiakatra ny reharehan'ny mpandrafy anao.

18 Ny fon'ireo mponin'i Jerosalema dia mitaraina amin'ny Tompo. Andro aman'alina, ry mandan'i Tsiona, avelao ny ranomasonao hikoriana toy ny riaka. Aza miato mihitsy ianao; ary aza atsahatrao ny tomany.

19 Mitsangana, miantsoantsoa fitarainana isan'ora fiambenana amin'ny alina. Toy ny rano atosaka no amborahy ny ao am-ponao eo anatrehan'ny Tompo. Asandrato aminy ny tananao hiangavy ho an'ny ain'ireo zanakao madinika izay manary aina noho ny hanoanana eny an-joron-dalana rehetra eny.

20 TOMPO o, jereo ka diniho ity nanaovanao ny vahoakanao! Vehivavy ve no handeha hihinana ny zanany naterany sy nokoloiny? Ny mpisorona sy ny mpaminany ve dia hovonoina eo amin'ny Toeramasinao?

21 Na antitra na tanora dia maty mitsitsitra eny an-dalambe. Ny tovolahiko sy ny tovovaviko dia samy matin'ny sabatra. Novonoinao tamin'ny androm-pahatezeranao izy, naringanao tsy nisy fiantrana.

22 Toy ny amin'ny andro fety, TOMPO o, dia nantsoinao ireo mpampihorohoro manodidina ahy; ka tamin'ny androm-pahatezeranao dia tsy nisy sisa velona na afa-nitsoaka, fa ireo ankizy notezaiko sy nokoloiko dia naripaky ny fahavaloko avokoa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0581