Fitomaniana
Toko voalohany
1 Indrisy! Mitoetra manirery izao ilay tanana feno olona fahiny! Tonga toy ny mpitondratena ilay nalaza tamin'ireo hafa firenena; manao ny asan'ny mpanompo izao ilay andriambavy nifehy faritany maro!2 Mitomany foana izy amin'ny alina, mirotsa-dranomaso eny an-takolany; izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy. Nanary azy avokoa ny sakaizany, ary tonga fahavalony ankehitriny.
3 Difotry ny fahoriana sy vesaram-panompoana no lasan-ko babo ny fokon'i Joda. Mitoetra any amin'ny hafa firenena izy izao kanefa tsy mahita hifaharana. Izay rehetra mpanenjika azy dia nahatratra azy an-katerena.
4 Misaona ny lalana mankany Tsiona satria tsy misy miakatra amin'ny fety. Mangina avokoa ny kianjany ary sentom-pahakiviana no ataon'ny mpisorony. Ory fatratra ireo tovovaviny, ka mangidy amin'i Tsiona izany!
5 Ny fahavalony no lasa ambony ary ny mpiady aminy no miadana; satria ny TOMPO no mampahory an'i Tsiona noho ireo fahadisoany maro. Atosi-pahavalo ireo zanany madinika no lasa ho any an-tsesitany.
6 Miala avy ao Tsiona izay rehetra nireharehany; ary ny mpitondrany dia toy ny diera tsy mahita ahitra hiraofana, ka tsy manan-kery no mandositra eo anoloan'ny mpihaza azy.
7 Amin'izany androm-pahoriana irenireneny izany no ahatsiarovan'i Jerosalema ireo zava-tsarobidy rehetra izay nananany hatry ny ela. Ireo vahoakany eo an-tanam-pahavalo kosa dia tsy misy mamonjy; ka rehefa mahita an'i Jerosalema ny fahavalony, dia mihomehy ny amin'ny faharavany.
8 Efa nanota dia nanota i Jerosalema, ka izany no mahatonga azy ho fako maharikoriko. Izay rehetra nanaja azy mamingavinga satria mahita azy mitanjaka. Na ny tenany aza dia misento sady lasa nihodina.
9 Ny lotony dia eo amin'ny akanjony; tsy nahatsinjo ny hoavy izy ka gaga noho ny fietreny toy izao, tsy misy mampahery azy akory. TOMPO o, jereo ity fahoriako, hoy izy, fa mirehareha ny fahavaloko!
10 Naninji-tanana ireo mpandresy haka ny zava-tsarobidiny rehetra. Hitan'i Jerosalema aza fa ny hafa firenena dia nitsofoka tao amin'ny Toeramasina; nefa noraranao ireny, Tompo o tsy hiditra ao amin'ny fiangonanao.
11 Sentom-pahakiviana no ataon'ny vahoaka rehetra eo am-pitadiavana izay hohaniny. Efa nanome izay zava-tsarobidy indrindra izy mba hatakalo hanina hampodina hery. Hoy izy hoe: TOMPO o, jereo ka diniho fa efa voavingavinga loatra aho.
12 Avia ianareo rehetra mpandalo eto, diniho sy jereo raha mba misy fijaliana tahaka ny fijaliana mihatra amiko, dia ilay nampahorian'ny TOMPO ahy tamin'ny andro firehetan'ny fahatezerany.
13 Nandefa afo avy tany an-danitra Izy mba haninteraka ny taolako. Namela-pandrika haningotra ny tongotro Izy ka nampitsinkasina ahy. Nataony lao mihitsy aho, ka mararirary isan'andro.
14 Arahiny maso ny fahotako izay toy ny vona eo an-tanany; mitambesatra eo am-bozoko ny ziogan'ny Tompo, ka nampiketraka ny heriko; natolony eo an-tanam-pahavalo aho ka tsy afa-manohitra ireny.
15 Nailikiliky ny Tompo ireo maheriko rehetra. Nanainga andian-tafika iray Izy hamely ahy mba afaka hanamontsana ireo zatovoko. Nohosihosen'ny Tompo toy ny voaloboka am-pamiazana aho, dia izaho Tsiona, ilay tsara tarehin'i Joda.
16 Izany no loza itomaniako, sy mahatonga ahy hamarin-dranomaso; fa lavitra ahy ilay mpampionona izay afaka hamelombelona ny aiko. Ringana ny zanako, fa nahery ny fahavalo.
17 Mananty tanana miangavy i Tsiona, nefa tsy misy mampionona azy. Nobaikoin'ny TOMPO ireo firenena manodidina ho fahavalon'ny taranak'i Jakoba; i Jerosalema, eo afovoan'ireo, dia tonga fako maharikoriko.
18 Rariny ny nataon'ny TOMPO, satria efa nanohitra ny baikony aho. Mihainoa tsara, rey olona rehetra eto ka jereo ny fijaliako: ny tovovaviko sy ny tovolahiko dia samy lasa ho any an-tsesitany.
19 Niantso ireo tia ahy taloha aho, nefa nilaozany fotsiny. Niala aina tao an-tanana ny mpisoroko sy loholoko raha iny mbola nitady hanina hampodina hery iny.
20 TOMPO o, jereo fa azom-pahoriana aho, ka mandevilevy fiontanana. Mihendratrendratra ato anatiko ny foko, satria nikomy taminao tokoa aho. Eny an-dalambe, naripaky ny sabatra ny zanako; ato an-trano, toa hoatry ny any amin'ny maty.
21 Henon'ny firenena manodidina fa misento aho; nefa tsy misy mampionona ahy. Henon'ny fahavaloko rehetra ny lozako; ka nahafaly azy ny nampiharinao tamiko. Ataovy tonga ilay andro nambaranao; dia aoka hihatra aminy koa izay nanjo ahy!
22 Ho tonga eo anatrehanao anie ny faharatsiany rehetra ka valio izy tahaka ny namalianao ahy tamin'ny fahadisoako rehetra. Satria maro loatra ny sentoko ka mankararirary ny foko izany.