Filemôna

Toko voalohany

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho voafonja noho ny amin'i Kristy Jesoa. Mamangy anao aho, ry Filemona, ary mamangy anao i Timoty havantsika, dia ianao izay malalanay sy mpiara-miasa aminay.

2 Mamangy koa an'i Apia anabavinay sy i Arkipo mpiara-miady aminay ary ny Fiangonana mivory ao an-tranonao izahay.

3 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo!

4 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitro aho, ry Filemona malala, rehefa mahatsiaro anao amin'ny fivavahako

5 satria reko ny fitiavanao ny vahoakan'Andriamanitra rehetra sy ny finoanao an'i Jesoa Tompo.

6 Ary izao no angatahiko amin'Andriamanitra: ny fiombonanao aminay amin'ny alalan'ny finoana anie hampisy fahalalana tsara ny soa rehetra ananantsika, noho isika tafaray amin'i Kristy.

7 Ry rahalahy, nampifaly ahy fatratra sady nampahery ahy ny fitiavanao satria efa novelombelominao ny fon'ny vahoakan'Andriamanitra.

8 Noho izany, na dia azoko atao tsara aza, araka ny fahefana nomen'i Kristy ahy, ny handidy anao ny amin'izay tokony hataonao,

9 dia aleoko manao fiangaviana aminao noho ny fifankatiavantsika. Eny, izaho Paoly dia efa antitra sady voafonja noho ny amin'i Kristy Jesoa ankehitriny;

10 ka fiangaviana no ataoko aminao ho an'i Onesimo, izay zanako naterako ara-panahy tato am-ponja.

11 Tsy nahasoa anao izy fahiny, fa ankehitriny kosa mahasoa antsika, dia izaho sy ianao.

12 Asaiko mody aty aminao indray izy, ilay toy ny sombinaiko.

13 Satriko ihany ny mitana azy eto amiko, izao aho voafonja noho ny amin'ny Vaovao Mahafaly izao, mba ho solonao mikarakara ahy.

14 Kanefa tsy te hanao na inona na inona aho raha tsy teny ierana aminao; tsy tiako ny hanoavanao ahy tsy sazoka fa mba ho nahim-ponao tokoa.

15 Angamba ny nahatafasaraka an'i Onesimo taminao vetivety dia ny hanananao azy maharitra;

16 saingy tsy toy ny mpanompo intsony no hanananao azy, fa tsara lavitra noho izany, dia toy ny rahalahy malala. Rahalahy malala tokoa izy ho ahy, mainka fa ho anao, na amin'ny maha olona azy na amin'ny maha mpanara-dia ny Tompo azy.

17 Koa raha heverinao ho namanao tokoa aho, dia raiso i Onesimo tahaka ny andraisanao ahy.

18 Raha misy ratsy nataony anao na misy trosa anananao aminy, dia ahy ny andraikitra.

19 Ny tanako mihitsy no anoratako ireto teny ireto: izaho Paoly no hanonitra izany! Tsy te hilaza aminao akory aho, fa ianao koa anie ka ananako trosa mihoatra noho izany, dia ny maha kristianina anao.

20 Eny, ry rahalahy, efa mpanara-dia ny Tompo ianao ka enga anie ho azoko aminao izay angatahiko; velombelomy ny foko noho ianao rahalahiko ao amin'i Kristy.

21 Matoky aho fa hanaiky izay angatahiko ianao, ka izany no andefasako taratasy aminao, sady fantatro fa hanao mihoatra aza ianao.

22 Ary mba anomano efitrano koa aho; satria antenaiko fa noho ny vavaka ataonareo, dia haverin'Andriamanitra ho eo aminareo aho.

23 Manao veloma anao i Epafra, izay miara-voafonja amiko noho izy tafaray amin'i Kristy Jesoa;

24 manao veloma anao koa i Marka, i Aristarka, i Demasy, ary i Lioka izay samy mpiara-miasa amiko.

25 Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0966