Ezekiela

Toko faha-9

1 Avy eo dia reko niteny mafy tamiko ny TOMPO nanao hoe: "Manatona ianareo natao hanafay ny tanana ka samia mitondra ny fitaovam-pandravana eny an-tanany avy."

2 Dia indreo lehilahy enina nipoitra teo amin'ny vavahady ambony, izay tamin'ny lafiny avaratry ny tempoly, sady samy nitondra ny fitaovam-pandravany avy. Nisy lehilahy iray niakanjo rongony teo afovoany sady mitondra fitaovam-panoratana teny amin'ny fehikibony. Niditra izy rehetra ka nijanona teo akaikin'ny alitara halimo.

3 Ny voninahitr'ilay Andriamanitr'i Israely izay niseho teo ambony kerobima dia niakatra ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny tempoly. Ary niantso ilay lehilahy niakanjo rongony izay nitondra fitaovam-panoratana ny TOMPO,

4 ka nanao taminy hoe: "Mandehana mamakivaky eran'ny tananan'i Jerosalema, ka asio marika eny an-kandrin'izay rehetra mitaraina sy malahelo noho ny fomba rehetra maharikoriko atao eo aminy."

5 Avy eo dia reko Izy nanome baiko ireo sisa hoe: "Manaraha io lehilahy io eran'ny tanana, ka vonoy ny mponina. Aza antra fijery azy ianareo, ary aza mamindrafo aminy.

6 Aringano na antitra na tanora, mbamin'ny tovovavy sy ny ankizy ary ny vehivavy. Kanefa aza kasihina izay mitondra ilay marika. Atombohy eto amin'ny Toeramasiko izany." Dia nanomboka namono ireo loholona izay teo anoloan'ny tempoly izy.

7 Ary ny TOMPO nibaiko azy hoe: "Lotoy ny tempoly, fenoy fatin'olona ny kianjany , dia mandehana."Dia lasa ireo ka nanohy ny fandringanana tao an-tanana.

8 Izaho irery sisa nijanona teo nandritra ny famelezana, ka niankohoka nitehi-tany ary niantsoantso hoe:-TOMPO ANDRIANANAHARY o, raha manampatra ny fahatezeranao amin'i Jerosalema ve ianao dia handringana hatramin'ny Israelita sisa?

9 Ary namaly ahy Izy hoe:-Tsy hita lany mihitsy ny heloka nataon'ny fanjakan'i Israely sy i Joda: feno vonoan'olona ny tany sady feno fitsarana miangatra ny tanana. Ary ny olona dia nifampiteny hoe: "Efa nandao ny tanintsika ny TOMPO ka tsy mahita antsika."

10 Noho izany dia tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy; fa hataoko mivesatra ny vokatry ny fitondrantenany izy.

11 Tamin'izay dia tonga nanao tatitra ilay lehilahy niakanjo rongony ka nanao tamin'Andriamanitra hoe:-Efa notanterahiko izay nandidianao ahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.073