Ezekiela

Toko faha-6

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, atodiho eny amin'ireo tendrombohitr'i Israely ny fijerinao ka ijoroy ny maha-mpaminany anao hamelezako an'ireo mponina eny.

3 Aoka hihaino ny teniko izy! Fa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY no milaza amin'ny mponina eny an-tendrombohitra sy eny amin'ny havoana ary eny amin'ny hadin-driaka sy ny lohasaha hoe: Indro hahatonga ady hamelezana anareo Aho mba handravana ny toeram-panasinanareo."

4 Hopotehiko ny alitaranareo ary hosimbako ny fitaovana fandoroanareo vovo-javamanitra mifangaro ka hataoko maty miampatrampatra eo anoloan'ny sampinareo ianareo.

5 Eny, hatsitrako eo anoloan'ny sarivongan-tsampiny ny fatin'ny Israelita; ary haparitako manodidina ny alitarany ny taolany.

6 Any amin'izay toerana rehetra nonenanareo dia ho lao ny tanana, ary ho ravana ny toeram-panasinana. Ho ravana koa ny alitaranareo ary tsy hilaina intsony ; hopotehina sy hofoanana ny sarivongam-tsampinareo, ary ho simbana ny fitaovana fandoroanareo zava-manitra mifangaro; ka dia ho levonina avokoa izay namboarinao.

7 Ho faty miampatrampatra ny ankamaroanareo; ka hiaiky amin'izay ianareo fa Izaho noTOMPO.

8 Nefa hitazonako sisa tavela ihany aminareo, dia ireo afaka tamin'ny ady teo anivon'ny hafa firenena rehefa voaely ho any an-tany hafa ianareo.

9 Hahatsiaro ahy izy eo anivon'ireo firenena nandefasako azy ho babo. Ho tadidiny ny fomba nanapotehako azy, noho izy tsy niraiki-po tamiko fa nivadika nanalavitra Ahy ary nampifantoka fijery tamin'ny sampiny. Dia harikoriko ny tenany izy noho ny asa ratsy rehetra sy fanompoan-tsampy rehetra nataony.

10 Hiaiky izy fa Izaho no TOMPO; ary tsy niteny foana Aho fa nampihatra taminy tokoa ny loza izay nandrahonako azy."

11 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY tamiko: "Mitehafa tanana ianao, ary migadogadona tongotra ka milaza hoe: "Vita toa ny amin'ny fomba rehetra maharikoriko sy mahatsiravina nataon'ny Israelita". Fa haringana amin'ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy ;

12 izay any lavitra ho fatin'ny areti-mandringana, ny ety akaiky ho fatin'ny ady ary izay sisa velona tamin'ny fahirano ho faty mosary. Hampariko aminy ny fahatezerako.

13 Hiampatrampatra eny anivon'ireo sampiny sy manodidina ny alitarany ny fatiny, eny an-tampon'ny tendrombohitra sy ny havoana, eny ambanin'ny hazo maitso sy matevina, dia eny amin'ny toerana rehetra nanolorany sorona ho an'ny sampiny. Amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.

14 Hampiseho ny heriko Aho hamelezana azy. Hosimbako ny taniny ka hataoko lao tsy misy mponina intsony ny toerana rehetra nonenany manomboka eo amin'ny taniefitra atsimo ka hatrany amin'ny tanana Ribla any avaratra. Amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0555