Ezekiela

Toko faha-5

1 Hoy ny TOMPO tamiko: "Maka sabatra maranitra ianao, ry ilay taranak'olombelona, ka ampiasao ho toy ny hareza izany. Kikiso ny volondohanao sy ny volombavanao , dia lanjao izay voaharatrao ary tsinjarao telo.

2 Rehefa tapitra ny fotoanan'ny fahirano, dia hodoranao amin'ny afo harehitrao eo afovoan-tanana ny ampahatelony. Ny ampahatelony hafa kosa hotetitetehinao amin'ny sabatra manodidina ny tanana. Ary ny ampahatelony sisa haelinao eny amin'ny rivotra, ka Izaho no hanatsoaka sabatra hoenti-manenjika azy.

3 "Kanefa hakanao ampahany kely ireo volo ireo ka hafeninao anaty paosin'akanjonao.

4 Hanalanao singam-bolo vitsivitsy amin'izany mba hatorakao ao anaty afo ka ho doranao: ireny no hamelona afo hanatratra ny vahoakan'i Israely rehetra.

5 Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Izany no hanjo an'i Jerosalema izay tanana napetrako eo anivon'ny hafa firenena sy voahodidin'ny tanin'ireo."

6 Tsy nankato ny fitsipiko aman-dalako anefa ny mponin'i Jerosalema fa nanao ratsy mihoatra noho ireo hafa firenena nifanila taminy ary mihoatra noho ireo tany nanodidina azy. Eny, nolaviny ny fitsipiko ary tsy narahiny ny lalanako.

7 Koa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY no manambara aminy hoe: Nikomy tamiko mihoatra noho ireo firenena manodidina anareo ianareo. Tsy nitondra tena araka ny lalanako ianareo ary tsy nanatanteraka ny fitsipiko, fa nanaraka ny an'ireo hafa firenena manodidina anareo aza.

8 Koa hamafisiko indray fa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY mihitsy no hamely anareo, ry mponin'i Jerosalema. Hampihariko eo afovoan-tanana ho hitan'ny hafa firenena ny didim-pitsarako.

9 Hataoko aminareo izay tsy mbola nataoko mihitsy sady tsy hataoko intsony any aoriana, satria maharikoriko ny fanompoan-tsampy rehetra vitanareo.

10 Koa ny ray aman-dreny hihinana ny zanany ary ny zanaka kosa hihinana ny ray aman-dreniny. Hampihariko ny didim-pitsarako momba anareo, ka haeliko amin'ny vazan-tany rehetra izay sisa tavela eo aminareo.

11 "Eny, velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY ka manao izao teny hentitra izao: Holevoniko tsy misy indrafo na fiantrana ianareo, satria nolotoinareo tamin'ny fanaonareo mahatsiravina sy ny sampinareo maharikoriko ny tempoliko.

12 Ny ampahatelonareo ho fatin'ny areti-mandringana sy mosary ao an-tanana; ny ampahatelo ho fatin'ny sabatra eny manodidina; ary ny ampahatelo haeliko any amin'ny vazan-tany rehetra ka hanatsoaka sabatra Aho ho enti-manenjika azy.

13 Hampihariko hatramin'ny farany ny fahatezerako ary hanaranako fo ny fahavinirako ka hampariko aminareo ny valifatiko. Amin'izay dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no niteny izany taminareo satria tsy zakako ny fivadihanareo, ka nampihariko taminareo hatramin'ny farany ny fahavinirako.

14 Ny mponin'ireo tany manodidina sy ireo mpandalo rehetra dia hahita fa nataoko tanana lao sy fandatsa i Jerosalema.

15 Hampihariko ny didim-pitsarana hamelezana io tanana io amim-pahatezerana sy amim-pahavinirana ary amim-panakianana mivaivay. Amin'izay ny hafa firenena manodidina azy dia hanao azy ho fandatsa sy ho fihomehezana ary koa ho fampitandremana sy ho fampitahorana. Izaho TOMPO no miteny izany aminareo.

16 Hampijaliako amin'ny mosary ianareo mba haharingana anareo. Hampahory anareo tahaka ny zana-tsipika mahafaty izany. Hosimbako ny tahiri-mofonareo ka ho faty mosary ianareo."

17 Ny mosary sy ny biby masiaka izay halefako hamely anareo no hahafaty ny zanakareo; ny areti-mandringana sy ny herisetra dia handroso eo aminareo ary ny ady kosa hataoko mihatra aminareo. Izaho TOMPO no miteny izany aminareo."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563