Ezekiela

Toko faha-46

1 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Ny vavahady atsinanana amin'ny kianja anatiny dia ho voahidy mandritra ny enina andro iasana, fa hivoha kosa izy amin'ny andro sabata sy amin'ny fetin'ny tsinambolana.

2 Hiditra avy any an-kianja ivelany manko ny printsy filoha ka hamakivaky ny lalantsaran'ny vavahady. Dia hijoro eo an-tokonam-bavahady izy mandritra ny anoloran'ny mpisorona ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana nateriny. Dia hiankohoka eo an-tokonam-bavahady eo ny printsy vao handeha, ary tsy hohidina ny varavarana raha tsy efa hariva.

3 Fa amin'ny andro sabata sy amin'ny fetin'ny tsinambolana dia ho tonga eo anoloan'io vavahady io ny vahoaka mba hiankohoka amiko TOMPO.

4 "Amin'ny andro sabata dia zanak'ondry enina sy ondrilahy iray samy tsy misy kilema no haterin'ny printsy filoha amikoTOMPO mba hatao sorona dorana manontolo.

5 Ankoatra ireo dia hitondra fanatitra varimbazaha telopolo kilao isaky ny ondrilahy iray izy, ary varimbazaha araka izay heveriny ho mety isaky ny zanak'ondry; dia hampiany diloilo enina litara isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.

6 Amin'ny andron'ny tsinambolana dia hanolotra ombilahy iray sy zanak'ondry enina ary ondrilahy iray samy tsy misy kilema izy.

7 Hampanarahiny fanatitra varimbazaha telopolo kilao isaky ny ombilahy iray na ondrilahy iray, ary varimbazaha araka izay heveriny ho mety isaky ny zanak'ondry; dia hampiany diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.

8 Lalana iray ihany no hidiran'ny printsy filoha sy hivoahany mamakivaky ny lalantsaran'ny vavahady.

9 Fa rehefa ny vahoaka kosa no tonga hiankohoka amikoTOMPO amin'ny fotoan-dehibe, izay miditra amin'ny vavahady avaratra dia hivoaka amin'ny vavahady atsimo; ary izay miditra amin'ny vavahady atsimo dia hivoaka amin'ny vavahady avaratra. Tsy hisy olona hiverina amin'izay vavahady nidirany fa samy hivoaka amin'ny vavahady an-daniny.

10 Ny printsy filoha koa dia tokony hiditra ny tempoly rehefa miditra ao ny vahoaka, ary tokony hivoaka ny tempoly rehefa mirava ny vahoaka."

11 "Amin'ny fotoan-dehibe sy ny andro fety dia varimbazaha telopolo kilao no hatao fanatitra isaky ny sorona ombilahy iray na ondrilahy iray, ary varimbazaha araka izay heverina ho mety isaky ny zanak'ondry; dia hampiana diloilo enina litatra isaky ny varimbazaha telopolo kilao izany.

12 Raha tahiny kosa ny printsy filoha no te hanao sorona an-tsitrapo amin'ny TOMPO, na sorona dorana manontolo io na sorom-pihavanana, dia tokony ho vohana ho azy ny vavahady atsinanana. Hanolotra ireo sorona tahaka ny fanao amin'ny andro sabata izy; ary rehefa tafavoaka izy, dia hohidina ny vavahady."

13 "Isan'andro isan'andro dia zanak'ondry iray taona tsy misy kilema no hatao sorona dorana manontolo amin'ny TOMPO, ka isa-maraina no hanolorana azy.

14 Isa-maraina koa no hanolorana amin'ny Tompo koba lafarinina dimy kilao vontosana diloilo roa litatra; fanatitra vokatry ny tany atao amin'ny TOMPO izany, ary lalana raikitra hatrany hatrany.

15 Ny zanak'ondry sy ny koba ary ny diloilo dia hatolotra ny TOMPO isa-maraina ho sorona dorana manontolo isan'andro."

16 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY:"Raha manome ampahan'ny taniny ho an'ny anankiray amin'ny zanany lahy ny printsy filoha, dia ho lovan'io zanany lahy io sady ho lovan'ny taranany koa izany.

17 Fa raha manome ampahan'ny taniny ho an'ny iray amin'ny mpanompony kosa ny printsy filoha, dia ho an'ilay mpanompo ambara-pahatongan'ny taona fanafahana izany, kanefa avy eo dia haveriny aminy ihany. Fa ny ampahan-tany nomen'ny printsy filoha ho an-janany ihany no lasa fananan'ireo.

18 Tsy mahazo maka izay anjara lovan'ny vahoaka ny printsy filoha ka hanaisotra azy amin'ny zarataniny. Fa izay ho anjaran'ny zanany lahy dia halainy eo amin'ny taniny manokana, mba tsy hisy olona anisan'ny vahoakako ho voaroaka amin'ny zarataniny."

19 Avy eo dia nentin-dralehilahy niditra tamin'ny fidirana teo akaikin'ny vavahady aho hankao amin'ireo efitrano mitodika mianavaratra izay voatokana ho an'ny mpisorona. Natorony ny toerana iray tery amin'ny farany andrefana aho,

20 sady nilazany hoe: "Io no toerana fampangotrahan'ny mpisorona ny henan'ireo biby natao sorom-panonerana sy sorona fanalana ny ota, ary eo koa no fandrahoany ireo fanatitra vokatry ny tany. Amin'izay dia tsy hisy zava-masina hoentina any amin'ny kianja ivelany mba tsy ho tandindomin-doza ny sarambabem-bahoaka."

21 Avy eo dia nentin-dralehilahy hankany amin'ny kianja ivelany aho ary nampandaloviny teo anoloan'ny zorony efatra; ary isaky ny zorony dia nisy tokotany iray avy.

22 Kely ireo tokotany efatra ireo ary efajoro mitovy refy ka roapolo metatra ny lavany ary 15 metatra ny sakany.

23 Samy voafefy rindrim-bato ny tokotany tsirairay avy; ary teo am-pototr'io rindrim-bato io dia nisy fatana maro naorina sady nifanohy manodidina.

24 Ary hoy ralehilahy tamiko: "Ireto no toerana fandrahoana, ka eo ny mpandraharahan'ny tempoly no mampangotraka ny henan'ireo biby aterim-bahoaka hatao sorona."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0551