Ezekiela

Toko faha-41

1 Ary nentin-dralehilahy hankao amin'ny efitrano malalaka tao an-tempoly aho. Dia nandrefy teo izy, ka ny rindrin'ny lalantsara mankao dia nisy telometatra ny sakany ;

2 ny fidirana kosa nahatratra dimy metatra ny velarany; ary roa metatra sy sasany no hatevin'ireo rindrina an-daniny roa. Ny efitrano lehibe dia nisy roapolo metatra ny lavany ary folo metatrany sakany.

3 Avy eo dia niditra tery amin'ny efitrano farany anatiny izy. Norefesiny teo amin'ny fidirana ka nisy iray metatra ny sakan'ny andriny; telo metatra kosa ny velaran'ny fidirana ary telo metatra sy sasany ny hatevin'ireo rindrina an-daniny roa.

4 Norefesiny ihany koa ny efitrano manontolo: efamira izy io ka samy folo metatra avy ny lafiny efatra. Avy eo dia hoy ralehilahy tamiko: io no Toeramasina Indrindra.

5 Norefesin'ilay lehilahy ny rindrina anatin'ny tempoly ka nisy telo metatra ny hateviny. Nisy trano fanampiny maromaro naorina manodidina ka nisy roa metatra ny sakany.

6 Nisy rihana telo ireny ka samy nisy efitra telopolo avy isaky ny rihana. Ny efitra tsirairay dia mitehina amin'ny rindrina ivelany fa tsy miankina amin'ny tempoly akory.

7 Nitombo hatrany ny velaran'ny efitra isaky ny rihana fa nihena kosa ny hatevin'ny rindrina manodidina. Noho izany, arakaraky ny niakarana no nampalalaka ny toerana ao anatiny. Avy any amin'ny rihana ambany no niakarana ho ao amin'ny rihana antenatenany ary avy eo no niakarana ho any amin'ny rihana farany ambony.

8 Ary hitako fa ireo trano fanampiny dia nisy vodirindrina telo metatra natovona manodidina ny tempoly.

9 Ny rindrina ivelany amin'ireo trano fanampiny ireo dia nisy roa metatra sy sasany ny hateviny. Ny toera-malalaka teo anelanelan'ireto trano fanampiny ireto

10 sy ireo efitra hafa manodidina ny tempoly dia nisy folo metatra.

11 Varavarana roa ka ny iray tery atsimo ary ny iray tery avaratra no nivoahana ireo trano fanampiny hankeo amin'ny toera-malalaka. Ny sakan'io toera-malalaka io kosa dia roa metatra sy sasany manodidina.

12 Teo andrefan'ny tempoly dia nisy trano iray manatrika io toera-malalaka io. Mirefy 45 metatra ny lavany sy 35 metatra ny sakany ary roa metatra sy sasany ny hatevin'ny rindrina.

13 Nandrefy ny tempoly ralehilahy ka dimampolo metatra ny halavany. Nisy dimampolo metatra koa ny halavan'ilay toera-malalaka nisy ilay trano teo andrefana mbamin'ny rindriny.

14 Ny sakan'ny tempoly mitodika miantsinanana sy ny toera-malalaka teo an-daniny roa dia nahatratra dimampolo metatra ny halehibeny.

15 Norefesin-dralehilahy koa ny halavan'ilay trano tao ivohon'ny tempoly miaraka amin'ny lalantsara teo an-daniny roa ka nisy dimampolo metatra. Ny lalantsara fidirana sy ny efitrano malalaka ary ny efitrano anatiny indrindra tao amin'ny tempoly dia samy norakofana hazo fisaka avokoa;

16 toy izany koa ny varavaran-kely makarakara sy ireo trano heva fanampiny mirihana telo manodidina ny tempoly. Voapetaka hazo avokoa hatreo amin'ny fototra ka hatreny amin'ny varavaran-kely. Voarakotra latsy kosa ny varavaran-kely.

17 Ny teo ivelan'ny tempoly sy ny tao anatiny, manomboka eo am-baravarana fidirana ka hatrany amin'ny efitrano farany anatiny, dia noravahana avokoa ny rindrina,

18 ka nasiana sokitra mampiseho kerobima sy rofia. Ny rofia no manelanelana ny kerobima. Ny kerobima tsirairay dia manana tarehy roa:

19 ka ny anankiray tarehin'olona mitodika amin'ny rofia etsy an-daniny, ary ny anankiray tarehin-diona mitodika amin'ny rofia etsy an-kilany. Natao toy izany avokoa ny manodidina ny tempoly manontolo.

20 Voasikotra eny amin'ny rindrina ny kerobima manomboka eo amin'ny tany ka hatrany ambony varavarana.

21 Miralafy ny tolam-baravaran'ilay efi-trano malalaka. Manoloana ny Toeramasina Indrindra dia tazana ho misy zavatra mitovitovy

22 amin'ny alitara hazo izay mirefy iray metatra sy sasany ny haavony ary iray metatra ny sakany. Misy zorony sy fanambaniny ary sisiny hazo. Ka hoy ralehilahy tamiko: "Io no latabatra eo anatrehan'ny TOMPO."

23 Varavarana kopa-droa no idirana ho ao amin'ilay efitrano malalaka; ary varavarana kopa-droa hafa koa no idirana ho ao amin'ny Toeramasina Indrindra.

24 Ireo varavarana kopa-droa ireo dia samy nisy lela-varavarana roa avy.

25 Nisy sarina kerobima sy rofia voasokitra tahaka ny teny amin'ny rindrina teo amin'ny varavaran'ny efitrano malalaka. Teo ivelany kosa dia nisy tatao hazo teo ambonin'ny varavarana fidirana.

26 Ary ny rindrina eo an-daniny roa amin'ny lalantsara fidirana dia nahitana varavaran-kely misy karakara vy sy sarin-drofia voasokitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0548