Ezekiela
Toko faha-40
1 Tamin'ny fiandohan'ny taona faha-25 taorian'ny fahababoanay, ka ny andro fahafolon'ny volana, izany hoe 14taona katroka taorian'ny naharavan'i Jerosalema , dia notsindrian'ny herin'ny TOMPO aho, ka nentiny nankany.2 Tao anaty fahitana no nitondran'Andriamanitra ahy nankany amin'ny tanin'i Israely. Napetrany teo an-tampon'ny tendrombohitra iray avo dia avo aho, ka teo amin'ny ilany atsimo dia nisy andian-trano vaventy miendrika tanana.
3 Nentiny nankao aho, ka hitako nisy lehilahy iray mitarehina halimo, nitana tady rongony sy volotara fandrefesana sady nijoro teo akaikin'ny vavahady.
4 Ary hoy ralehilahy io tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona , mijere tsara amin'ny masonao, mihainoa tsara amin'ny sofinao, ary aoka ny fonao handinika izay rehetra hasehoko anao satria ny hanehoako anao izao no nitondrako anao aty. Avy eo dia hotantarainao amin'ny Israelita izay rehetra hitanao."
5 Ary indro hitako nisy tamboho iray ivelany manodidina ny tempoly, ary teny an-tanan-dralehilahy ny volotarany izay telo metatra ny halavany. Norefesiny hatevina sy haavo ilay tamboho ka telo metatra avy na ny hateviny na ny haavony.
6 Dia nankeo amin'ny vavahady atsinanana izy, ary niakatra ny tohatohatra dia nandrefy ny tokonana ka nisy telo metatra ny hitsy miditra; ary ny tokonam-bavahady isany avy dia telometatra koa ny hitsy miditra.
7 Ary ny toeram-piambenana tsirairay manamorona ny lalantsara afovoany mankeny am-baravarana dia samy telo metatra na ny sakany na ny lavany. Ny rindrina manasaraka azy ireny dia roa metatra sy sasany ny hateviny. Misy fidirana mahatratra telo metatra ny halavany mialoha ny lalantsara manoloana ny tempoly.
8 Norefesin-dralehilahy koa io lalantsara io ka nisy efa-metatra ny hitsy miditra ary iray metatra ny hatevin'ny rindrina ivelany. Tao anatin'ny vavahady atsinanana no nisy io lalantsara io sady teo akaikin'ny tempoly.
10 Ireo toeram-piambenana enina teo amin'ny vavahady atsinanana dia mitovy refy avokoa. Nisy telo avy teo an-daniny roa amin'ny lalantsara afovoany, ka ny rindrina manasaraka azy dia mitovy hatevina avokoa.
11 Norefesin-dralehilahy ihany koa ny velaran'ny faritra ahazoan'ny varavarana misokatra ka mahatratra dimy metatra. Ny velaran'ny lalantsara afovoany manontolo dia misy enina metatra sy sasany.
12 Manoloana ireo toeram-piambenana mira lafy izay telo metatra avy ny sakany sy lavany, teo an-daniny roa amin'ny lalantsara, dia misy fefy iray antsasa-metatra ny haavony.
13 Norefesiny koa ny elanelana eo amin'ny rindrin'ny toeram-piambenana iray sy ny rindrin'ny toeram-piambenana iray ka nisy 12metatra sy sasany.
14 Norefesiny koa ny sakan'ny lalantsara ka nisy folo metatra. Ny kianjan'ny tempoly no nanodidina io lalantsara io.
15 Manomboka eo amin'ny fidirana voalohany eo amin'ny tamboho ivelan'ny vavahady ka hatramin'ny rindrina manoloana ny faran'ny lalantsara ery am-pita dia nisy 25 metatra.
16 Varavaran-kely misy karakara vy no eny amin'ny rindrina ivelany amin'ny toeram-piambenana sy eo amin'ny rindrina mampisaraka azy; ary eo amin'ny rindrina anaty koa dia misy varavaran-kely manodidina. Voaravaka sarin-drofia ny rindrina anatiny teo amin'ny vavahady.
17 Dia nentin-dralehilahy tao anatin'ny kianja ivelan'ny tempoly aho. Io kianja io dia voarakotra lampivato ary voahodidina efitrano telopolo.
18 Lampivato koa no mandrakotra ny faritra manodidina ny vavahady; saingy lampivato iva kokoa izany noho ilay tao an-kianja.
19 Norefesiny koa ny elanelana hatreo amin'ny vavahady amin'ny kianja ivelany ka hatreo amin'ny rindrina amin'ny k ianja anatiny ka nisy dimampolo metatra. Izay ny amin'ny lafiny atsinanana. Nifindra teo amin'ny lafiny avaratra indray ralehilahy
20 ka norefesiny koa ny lava aman-tsakan'ny vavahady avaratra mankany amin'ny kianja ivelany.
21 Nisy toeram-piambenana enina koa tao, ka telo avy teo an-daniny roa amin'ny lalantsara. Ny rindrina sy ny lalantsara dia samy nitovy refy tamin'ny an'ilay vavahady atsinanana. Ny halavan'ny vavahady dia 25 metatra ary ny sakany 12 metatra sy sasany.
22 Ny lalantsara sy ny varavaran-kely ary ny ravaka sarin-drofia dia nitovy tamin'ny an'ilay vavahady atsinanana.Tohatohatra fito no nidirana teo amin'ny vavahady avaratra miakatra ho ao amin'ny lalantsara.
23 Tandrifin'ny vavahady avaratra dia nisy fidirana mankao an-kianja anatiny toy ny tao atsinanana. Norefesin-dralehilahy ny elanelan'ireo vavahady roa ireo ka nisy dimampolo metatra.
24 Nentiny nankao amin'ny ilany atsimo aho nony avy eo, ka nisy vavahady koa tao. Norefesiny ny toeram-piambenana, ny rindrina sy ny lalantsara ka samy nitovy refy tamin'ny an'ireo vavahady hafa.
25 Nisy varavaran-kely koa nanodidina ny vavahady sy ny lalantsara ka mitovy amin'ireo tao atsinanana sy avaratra. Ny halavan'ny vavahady dia 25 metatra ary ny sakany 12 metatra sy sasany.
26 Tohatohatra fito no nidirana teo am-bavahady hankao amin'ny lalantsara. Ny rindrina anatiny dia voaravaka sarin-drofia teo an-daniny roa amin'ny lalantsara.
27 Nifanatrika tamin'io vavahady io dia nisy vavahady iray koa fidirana tao amin'ny kianja anatiny. Norefesin-dralehilahy ny elanelan'ireo vavahady roa ireo ka nisy dimampolo metatra.
28 Dia nentin-dralehilahy niditra tamin'ny vavahady atsimo aho mba hankao an-kianja anatiny. Norefesiny io vavahady io ka nitovy refy tamin'ireo vavahady hafa.
29 Ny toeram-piambenana, ny rindrina manasaraka azy,
30 ary ny lalantsara dia samy nitovy refy tamin'ny an'ireo vavahady hafa. Nisy varavaran-kely nanodidina ny lalantsara. Ka 25metatra ny halavan'ny vavahady ary 12metatra sy sasany ny sakany.
31 Ilay lalantsara dia nanatrika ny kianja ivelany. Ny rindrina anatiny dia voaravaka sarin-drofia, ary tohatohatra valo no fiakarana mankeo.
32 Nasain-dralehilahy niditra tamin'ny vavahady atsinanana aho mba hankao an-kianja anatiny. Norefesiny io vavahady io ka nitovy refy tamin'ireo vavahady hafa.
33 Ny toeram-piambenana, ny rindrina manasaraka azy, ary ny lalantsara dia samy nitovy refy tamin'ny an'ireo vavahady hafa. Nisy varavaran-kely nanodidina ny varavarana sy ny lalantsara; ka 25 metatra ny halavan'ny vavahady ary 12 metatra sy sasany ny sakany.
34 Ilay lalantsara dia nanatrika ny kianja ivelany ary ny rindrina anatiny dia voaravaka sarin-drofia teo an-daniny roa amin'ny lalantsara. Tohatohatra valo no fiakarana mankeo.
35 Avy eo dia nentin-dralehilahy hankany amin'ny vavahady avaratra aho. Norefesiny io vavahady io ka nitovy refy tamin'ireo vavahady teo aloha.
36 Nisy toeram-piambenana ihany koa izy, nisy rindrina manasaraka ary lalantsara sy varavaran-kely manodidina. Ny halavany dia 25 metatra ary ny sakany dia 12 metatra sy sasany.
37 Ilay lalantsara dia nanatrika ny kianja ivelany. Ny rindrina anatiny dia voaravaka sarin-drofia eny an-daniny roa amin'ny lalantsara toy ny teo aloha. Tohatohatra valo no fiakarana mankeo.
38 Nisy efitrano iray mifandray amin'ny lalantsaran'ny vavahady avaratra, ka tao no nanasana ireo biby vonoina hatao sorona dorana manontolo.
39 Teo an-daniny roa amin'io lalantsara io, dia nisy latabatra roa avy, ka teo no namonoana ireo biby natao sorona: dia ny sorona dorana manontolo na ny sorona famelan-keloka na ny sorom-panonerana.
40 Tao ivelan'ny lalantsara koa dia nisy latabatra efatra; ka rehefa nisy niakatra hankeo amin'ny vavahady avaratra, dia nahita latabatra roa avy teo an-daniny roa amin'ny tohatohatra.
41 Valo izany no tontalin'ireo latabatra nampiasaina hamonoana biby hatao sorona, ka efatra avy teo an-daniny roa amin'ny vavahady.
42 Ny latabatra efatra natokana hamonoana ireo sorona dorana manontolo dia natao tamin'ny vato voapaika. Mirefy 75 santimetatra ny sakany sy ny lavany ary dimampolo santimetatra ny haavony. Teo no nametrahana izay fitaovana rehetra nilaina hanomanana ireo biby natolotra ho sorona.
43 Nisy lakan-drano kely namboarina manodidina ny sisin-databatra ka valo santimetatra ny velarany; ary teo ambonin'ireo latabatra ireo no nametrahana ny hena hatao sorona.
44 Dia nentin-dralehilahy tao amin'ny kianja anatiny aho. Nisy efitra roa tao : ny iray tery anilan'ny varavarana avaratra ary mitodika mianatsimo, ary ny iray kosa tery anilan'ny varavarana atsimo ary mitodika mianavaratra.
45 Nolazain-dralehilahy tamiko fa ny efitra mitodika mianatsimo dia voatokana ho an'ny mpisorona misahana raharaha momba ny tempoly;
46 fa ilay mitodika mianavaratra kosa dia voatokana ho an'ny mpisorona misahana raharaha momba ny alitara. Ary amin'ny fokon'i Levy dia ny taranak'i Tsadoka ihany no afa-manatona ny TOMPO mba hanao fanompoam-pivavahana aminy.
47 Norefesin-dralehilahy ny kianja anatiny: efamira izy io ka samy dimampolo metatra avy ny lafiny efatra. Teo anoloan'ny tempoly no nisy ny alitara.
48 Nentiny niditra tao amin'ny lalantsara mankao an-tempoly aho: nandrefy teo ralehilahy ka ny rindrina dia mirefy roa metatra sy sasany avy ny hateviny; ary fito metatra kosa ny sakan'ny fidirana. Ny hatevin'ny rindrina an-daniny roa kosa dia iray metatra sy sasany avy.
49 Folo metatra no halavan'ny lalantsara fidirana ary enina metatra ny sakany. Tohatohatra folo no fiakarana ao; ary nisy andry iray avy teo anilan'ny tolam-bavahady.