Ezekiela

Toko faha-4

1 Dia nampian'ny TOMPO hoe: "Ry ilay taranak'olombelona , maka takela-tanimanga iray ianao ary apetraho eo anatrehanao; dia manaova sarin-tanana eo aminy ho enti-maneho an'i Jerosalema.

2 Asehoy fa voan'ny fahirano izy amin'ny fametrahana hady fanafihana sy tovon-tany ary tobim-pamelezana sy kanonta be manodidina azy.

3 Maka takela-by ka apetraho izany ho toy ny manda manelanelana anao sy ny tanana. Banjino tsara ny tanana: voan'ny fahirano izy izao, ary ianao no manao fahirano azy. Izany dia ho marika fampitandremana ho an'ny taranak'i Israely.

4 "Dia mandria ilika amin'ny ilanao havia ianao; fa araka ny haharetanao amin'izany fomba fandry izany no hivesaranao ny fahotan'ny fanjakan'i Israely, fa ianao no hivesatra azy.

5 Ferako hitovy isa amin'ny taona nanotan'i Israely no hanaovanao izany. Koa ho 390 andro no hivesaranao ny fahotany.

6 Rehefa mifarana izany fotoana izany, dia mivadiha ianao handry amin'ny ilanao havanana; ka mandritra ny efapolo andro no hivesaranao ny fahotan'ny fanjakan'i Joda. Ferako ho andro iray isaky ny taona iray nanotany no hanaovanao izany.

7 Aorian'izany dia banjino i Jerosalema voafahirano; ary ahinjiro manandrify azy ny sandrinao mihanjaka, ka lazao ny hafatra avy amiko hamelezana io tanana io.

8 Ary hafatotro ianao mandritra ny fanaovanao fahirano mba tsy hahafahanao mivadibadika.

9 Koa maka varimbazaha sy orza, tsaramaso sy voanemba ary ampemby sy vary henjana, dia ampifangaroy anaty vilia iray ireo mba hanaovanao mofo. Izany no ho sakafonao mandritra ny 390 andro izay handrianao amin'ny ilanao.

10 Fahefa-kilao isan'andro no sakafo hohaninao: ataovy ampy anao izany ambara-pahatongan'ny andro manaraka.

11 Ferana ho iray litatra isan'andro koa ny rano hosotroinao.

12 Hatao miendrika mofo orza ny sakafonao, ka dikin'olona no hataonao kitay hanendasanao azy eo imason'ny besinimaro."

13 Dia mbola nampian'ny TOMPO hoe:-Ho tahaka izany no hihinanan'ny Israelita sakafo maloto any amin'ny tanin'ny firenen-kafa izay handroahako azy.

14 Dia namaly aho hoe:-Adray, ry Tompo ANDRIANANAHARY o, tsy mbola voaloto mihitsy aho! Hatramin'ny fahazazako ka mandraka ankehitriny dia tsy mbola nihinana biby maty hoazy na voaviraviran'ny bibidia aho , ary tsy mbola nikasika ny vavako akory ny hena heverina ho maloto.

15 Ka hoy ny TOMPO tamiko:-Raha izany ary, dia tain'omby no omeko anao ho solon'ny dikin'olona; ka izany no hataonao kitay hanendasanao ny mofonao.

16 Ary hoy indray ny TOMPO tamiko:-Ry ilay taranak'olombelona, hitanao izao fa hosimbako ny tahiri-mofon'i Jerosalema. Tsy maintsy hametra mafy ny hanina sy ny fisotrony ny olona, ka ho azom-panahiana amin'izany.

17 Tsy hanana mofo sy rano ny olona, ka hivarahontsana sy hihalevona noho ny fahotany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0771