Ezekiela

Toko faha-34

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako ireo lehibe mpiandry ny vahoaka Israely, eny, ijoroy ny maha mpaminany anao ka ampitao aminy fa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manambara hoe: Lozanareo mpiandry ny vahoaka Israely! Fa ny tenanareo ihany no karakarainareo! Moa tsy ny andian'ondry va no tokony ho karakarainareo?

3 Nefa tsy mpiandry nikarakara ny andian'ondry ianareo, fa naka ny ronono ho sakafonareo sy ny volon'ondry ho tafinareo sady namono ireo biby matavy.

4 Tsy nohatanjahinareo ny ondry osa, tsy nositraninareo ny narary na notsaboinareo ny naratra, tsy naverinareo ny niala tamin'ny andiany ary tsy notadiavinareo ny very, fa nanampatra ny fahefanareo tamin'ny herisetra sy ny fahasiahana ianareo.

5 Koa niparitaka ireny ondry ireny satria tsy misy mpiandry, ka tonga rembin'ny bibidia.

6 Ireo ondriko andiany dia nirenireny teny an-tendrombohitra sy teny amin'ny havoana; ary niparitaka teny amin'ny velaran-tany manontolo izy satria tsy nisy niahy na nandeha nitady azy.

7 Koa ianareo mpiandry ny vahoaka Israely, mihainoa ny teniko:

8 Velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy nisy mpiandry azy ny andian'ondriko ka lasan'ny mpangalatra sy zary rembin'ny bibidia rehetra. Ireo mpiandry ny ondriko manko tsy miraharaha ny ondry sady tsy mikarakara azy fa ny tenany no karakarainy.

9 Noho izany, dia henoinareo ny teniko, ry mpiandry ny vahoaka Israely.

10 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Mampitandrina anareo mpitondra Aho fa hisampotina hamely anareo; ka hampamoahiko ny amin'ny ondriko ianareo ary ho esoriko tsy hiandry azy intsony; tsy ianareo mpikarakara tena intsony no hikarakara azy. Hoesoriko eo am-bavanareo ny andianondriko ka tsy ho azonareo hatao sakafo intsony.

11 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Ny tenako mihitsy no hiandraikitra sy hikarakara ny andianondriko."

12 Himasoako ny hanangona azy tahaka izay ataon'ny mpiandry amin'ny andro iparitahan'ny ondry. Izaho handeha haka azy ireny any amin'ny toerana rehetra izay niparitahany tamin'ny andro mandrahona sy maizim-pito.

13 Havoakako avy any amin'ny firenena izy ary hangoniko avy any amin'ny tany samy hafa, dia haveriko ao amin'ny taniny; handrasako eny an-tendrombohitr'i Israely sy eny an-dohasahan-driaka izy ary koa eny amin'ny toerana rehetra azo honenana eo amin'ny taniny.

14 Hoentiko eny amin'ny tanim-bilona tsara izy, ka hanana kijana eny an-tendrombohitra avo amin'i Israely. Any no hialany sasatra amin'ny kijana tsara sy hiraofany amin'ny tanim-bilona milenodenoka.

15 Izaho no ho mpiandry ny andianondriko ka hampandry azy; teny hentitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.

16 Hotadiaviko ny ondry very, haveriko izay nisaraka tamin'ny andiany, ho tsaboiko izay naratra, ho hatanjahiko izay marary, ary ho kolokoloiko hatrany izay matavy sy matanjaka. Izaho no hiandry ny ondriko araka ny rariny. "

17 Ary ny amin'ny andianondriny, dia izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Indro hotsaraiko ny adin'ny ondry samy ondry sy ny ady ifanaovan'ny ondrilahy amin'ny osilahy.

18 Tsy ampy ny sasany eo aminareo angaha ny miraoka eny amin'ny tanim-bilona tsara no dia hosihosenareo koa ny ahitra sisa? Tsy ampy anareo angaha ny misotro ny rano madio no dia lotoinareo amin'ny tongotrareo koa ny rano sisa?

19 Voatery hihinana ny ahitra voahosihosinareo sy hisotro ny rano voalotonareo ireo sisa amin'ny andianondriko."

20 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY amin'ny andianondriny: "Izaho mihitsy no hitsara ny adinareo ondry matavy sy ondry mahia.

21 Natositosikareo matanjaka tamin'ny sorokareo sy ny tehezanareo ireo ondry osaosa rehetra, ary nototoin'ny tandrokareo ambara-pandroakanareo azy ho any ivelan'ny tanim-bilona.

22 Koa tonga Aho hamonjy azy mba tsy ho lasan'ny mpangalatra intsony, ary ho tsaraiko ny adin'ny ondry samy ondry.

23 Mpiandry tokana no hatsangako hitarika azy, ka izy no hiandry azy, dia i Davida mpanompoko izany. Izy no hikarakara azy ary ho mpiandry azy tokoa.

24 Izaho TOMPO no ho Andriamaniny ary i Davida mpanompoko no ho filoha eo anivony. Izaho TOMPO no miteny izany."

25 "Hanao fanekem-pihavanana amin'ny andianondriko Aho: Hofoanako tsy ho eo amin'ny tany ny biby masiaka ka honina am-pilaminana any an-taniefitra izy ary handry any an'ala aza.

26 Avelako honina eny amin'ny manodidina ny tendrombohitra voatokana ho Ahy izy. Harotsako ara-potoana ny ranonorana ka hitondra fitahiambe izany.

27 Hamoa ny hazo eny an-tsaha ary hahavokatra ny tany; ka ny vahoakako hilamina eo amin'ny taniny. Hotapahiko ny gadra izay mampahory ny vahoakako, ka hafahako eo an-tanan'ny mpanandevo azy izy. Amin'izay hoekeny fa Izaho no TOMPO.

28 Tsy ho babon'ny hafa firenena na ho rembin'ny bibidia intsony izy, fa honina am-pilaminana, ka tsy hisy hampatahotra azy.

29 Hampaniry ny voly hiadanany Aho, ka tsy hisy olona ho ripaky ny mosary intsony eo amin'ny tany; ary tsy ho vesaran'ny latsan'ireo hafa firenena intsony izy.

30 Amin'izay dia hoeken'ny hafa firenena fa Izaho TOMPO Andriamaniny no miaraka aminy ary izy Israelita no vahoakako; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.

31 Ianareo no oloko, andian'ondry fiandriko, ary Izaho no Andriamanitrareo; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. "

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569