Ezekiela
Toko faha-31
1 Tamin'ny taona faha-11 taorian'ny fahababoana, nony andro voalohan'ny volana fahatelo , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 Ry ilay taranak'olombelona, lazao amin'ny Farao mpanjakan'i Ejipta sy amin'ireo vahoaka maro izay feheziny hoe: Inona no azo anoharana anao fa lehibe tokoa ianao, ry Farao?
3 Indro ianao tahaka ny sederan'i Libano izay misy rantsana mahafinaritra sady misandrahaka manalokaloka, dia sedera iray nisandratra avo ka mitehi-drahona ny tendrony.
4 Ny ranonorana no nahalehibe azy; ny ranobe ao ambany tany no nampitombo azy, satria namonto ony nanodidina ny fakany, vao nikoriana tamin'ny lakan-drano hankamin'ny hazo hafa rehetra any an-tsaha.
5 Izany no nisandratany ho avo be noho ny hazo rehetra any an-tsaha. Nihamaro ny sampan'ilay sedera sady nisandrahaka ny rantsany, satria ny ranobe any ambany any no nanesika azy hamoaka tsimoka.
6 Teo amin'ny sampany no nanao akany, ny voro-manidina isan-karazany; teo ambanin'ny rantsany no niterahan'ny bibidia rehetra; ary teo ambanin'ny alokalony no nipetrahan'ny firenena marobe.
7 Hazo goavana mahafinaritra izy, sady misandrahaka ny rantsany, satria hatrany amin'ny ranobe ambany any no nilentehan'ny fakany.
8 Tsy nisy sedera nitovy aminy tao an-jaridainan'Andriamanitra ; tsy nisy kipreso tsara sampana tahaka azy; tsy nisy platana mba nanan-drantsana toa azy; tsy nisy hazo nitovy hatsara aminy tao an-jaridainan'Andriamanitra.
9 Nataoko tsara tarehy izy noho ny habetsahan'ny rantsany; ka dia nialona azy ny hazo rehetra tao Hedena, zaridainan'Andriamanitra. "
10 "Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Nisandratra avo ilay sedera ka nitehi-drahona ny tendrony, dia nihaniavonavona ny fony.
11 Izany no hanolorako azy eo an-tanan'ny filohan'ireo firenena mba hamaliany azy araka ny faharatsiany.
12 Nokapain'ireo vahiny faran'izay masiaka amin'ireo firenena izy, dia nilaozany. Teny an-tendrombohitra sy teny an-dohasaha rehetra no nianjeran'ny sampany; ary teny amin'ny lalan-driaka rehetra amin'ny tany no nahatapatapaka ny rantsany. Ka ny sarambabembahoaka rehetra izay nipetraka teo ambany alokalony dia voatery niala sy nandositra.
13 Nipetraka teo amin'ny vatany nianjera ny voromanidina isan-karazany, ary nisitrika tanaty rantsany ny bibidia rehetra.
14 Izany no nataoko dia mba tsy hisy intsony hazo tsara tondraka sy vonton-drano, izay ho avo mijoalajoala ka hitehi-drahona ny tendrony, ary hiavonavona noho ny haavony. Fa ny hazo rehetra dia toy ny olona ka natao ho faty sy hankany ambanin'ny tany eo akaikin'ireo efa tafidina any.
15 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY : Tamin'ny andro izay nidinan'ilay sedera tany amin'ny toeran'ny maty, dia nataoko nisaona azy ny ranobe ao ambany tany. Noho ilay sedera no nanampenako ny renirano avy amin'ny ranobe ary nampijanonako azy tsy hikoriana amin'ny sakeliny. Nataoko nalahelo azy ny tendrombohitr'i Libano ary izany no nampalazo ny hazo rehetra teny an-tsaha."
16 Rehefa nataoko izay hianjeran'io hazo io mba hidinany any amin'ny toeran'ny maty ho tafaraka amin'ireo efa tafidina any, dia nampihorohoroiko ireo firenena nony nandre ny fianjerany. Fa tany ambanin'ny tany kosa dia samy afa-po avokoa ireo hazon'i Hedena, dia ireo hazo voafantina sady soa indrindra ary vonton-drano tao Libano.
17 Fa ireo hazo ireo dia nidina niaraka tamin'ilay sedera ho any amin'ny toeran'ny maty eo akaikin'izay maty an'ady; satria ireo no hery manohana ilay sedera sy nivelona tambanin'ny alokalony teo anivon'ny firenen-tsamihafa.
18 Tsy nisy hazon'i Hedena nitovy famirapiratana sy fahalehibiazana taminao. Kanefa hazera any ambanin'ny tany miaraka amin'ireny hazon'i Hedena ireny ianao, ka hiampatra eo anivon'ireo olona tsy voafora izay maty an'ady. Izany no ho anjaran'ny Farao sy ny mponina marobe rehetra any Ejipta; teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany.