Ezekiela
Toko faha-30
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ry ilay taranak'olombelona, ijoroy ny maha- mpaminany anao ka ambarao fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Midradradradra ny amin'ny andro ho avy ianareo!
3 Fa antomotra izy, eny, antomotra ny androm-pamaizan'ny TOMPO. Ho andro vesaran-drahona izany, ary fotoana hifamelezan'ny firenena.
4 Hiditra any Ejipta ny ady, ka hampangorohoro hatrany Etiopia izany. Hiampatrampatra ny fatin'ny Ejiptianina, ary horobaina ny hareny ka hatao rava mbamin'ny fanorenany.
5 Ny olona avy any Etiopia sy Pota ary Loda, ny olona avy any Arabia manontolo sy Libia, mbamin'ny teraky ny vahoakako aza, dia hisy ho faty an'ady.
6 Izao no lazain'ny TOMPO: Hatreo Migdola any avaratra ka hatrany Asoana any atsimo dia ho faty an'ady ireo mpiaro an'i Ejipta, ary ho fefika ny tafiny miavonavona; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
7 Ho rava dia ho rava ny taniny, ary ho lao dia ho lao ny tananany.
8 Ary rehefa ho dorako amin'ny afo i Ejipta sady haringako ireo rehetra mpiaro azy, dia hoekena amin'izay fa Izaho no TOMPO.
9 Amin'izany andro handravako an'i Ejipta izany, dia hisy iraka avy amiko handeha an-tsambo hampandre ny Etiopianina; ka izy no hampatahotra sy hampangorohoro ny Etiopianina izay mitoetra tsy manahy. Eny, indro avy izany andro izany.
10 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hampiasaiko i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona mba handringana ny mponina maro ao Ejipta."
11 Ho avy handrava io tany io izy mbamin'ny miaramilany, izay loza indrindra raha samy tafi-pirenena. Hanatsoaka sabatra hamely ny Ejiptianina ireny ka hameno faty ny tany.
12 Horitiko ny sakeli-dranon'i Neily ary hatolotro an'ireo olon-dia i Ejipta. Hasaiko simban'ny vahiny izy, ka ho faohiny mbamin'izay rehetra ao aminy. Izaho TOMPO no miteny izany.
13 "Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Ho ravako tanteraka ireo sampy sy andriamani-tsiizy an'i Memfisa. Tsy hisy mpitondra intsony any Ejipta ary hataoko manenika io tany io ny tahotra.
14 Ho simbako i Ejipta ambony, ho dorako amin'ny afo ny tananan'i Tsohana ary hampihariko ny didim-pitsarako hamelezana ny tananan'i Nao.
15 Hatosako ao Sina izay tanana mimanda miaro an'i Ejipta ny fahatezerako ary ho fongorako ny mponina maro ao Nao.
16 Ho dorako amin'ny afo i Ejipta. Hisavoritaka ny mponina ao Sina; ary hisy vaky ny mandan'i Nao ka ho safotry ny rano ilay tanana.
17 Ho faty an'ady ny tovolahin'i Ona sy i Py-Beseta , ary ny mponina sisa dia ho entina ho babo.
18 Tsy hisy andro mihiratra intsony ao Tahapanehesa rehefa ho potehiko ny herin'i Ejipta ary hatsahatro ny fireharehany. Hisy rahona mainty handrakotra ny tanana, ary ho lasan-ko babo ny mponina amin'izany faritra izany.
19 Hampihariko ny didim-pitsarako hamelezana an'i Ejipta, ka hoekena amin'izay fa Izaho no TOMPO."
20 Tamin'ny taona faha-11 taorian'ny fahababoana, nony andro fahafiton'ny volana voalohany , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
21 "Ry ilay taranak'olombelona, nopotehiko ny sandrin'ny Farao mpanjakan'i Ejipta. Tsy nisy nitsabo na nanome fanafody azy, tsy nisy namehy ny feriny mba hampody ny heriny hahatan-tsabatra indray.
22 Koa Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hirotsaka hamely ny Farao mpanjakan'i Ejipta Aho. Ny sandriny roa mihitsy no hopotehiko, tsy ilay efa potika ihany fa ilay mbola matanjaka koa, ka hataoko latsaka avy eny an-tanany ny sabany!"
23 Ary haeliko any amin'ireo firenena sy haparitako any amin'ny tany samy hafa ny Ejiptianina.
24 Homeko tanjaka ny sandrin'ny mpanjakan'i Babilona ka ny sabatro mihitsy no hapetrako eo an-tanany. Ary ny Farao, izay efa nopotehiko ny sandriny, dia ho faty mitoloko toy ny voaratra eo anoloan'ny fahavalony.
25 Eny, hiraviravy tsy hanan-kery ny sandrin'ny Farao; fa homeko tanjaka kosa ny sandrin'ny mpanjakan'i Babilona, ka ny sabatro mihitsy no hapetrako eo an-tanany sy harangarangany hamelezana an'i Ejipta. Amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO.
26 Haeliko any amin'ireo firenena sy haparitako any amin'ny tany samy hafa ny Ejiptianina; ka amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO. "