Ezekiela
Toko faha-29
1 Tamin'ny taona fahafolo taorian'ny fahababoana, nony andro faha-12 tamin'ny volana fahafolo , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ry ilay taranak'olombelona, mitodiha manandrify ny Farao mpanjakan'i Ejipta ianao, ka ijoroy ny maha mpaminany anao mba hamelezana azy sy ny tany Ejipta manontolo.
3 Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hirotsaka hamely anao Aho, ry Farao mpanjakan'i Ejipta, fa toy ny fanano goavana mamitsaka eo afovoan'ireo sakeli-dranon'i Neily ianao. Nolazainao fa anao io ony io satria ianao no namorona azy."
4 Koa hasiako farango vy ny valanoranonao sady haraikitro amin'ny kiranao ny trondro eo amin'ny oninao. Hampiakariko avy ao Neily ianao sy ireo trondro miraikitra amin'ny kiranao.
5 Hatsipiko any an-taniefitra ianao sy ireo trondro rehetra ireo. Ho faty mitsitra amin'ny tany ianao, ka tsy hisy hanangona ny taolambalonao na handevina azy. Homeko ho hanin'ny voromanidina sy ny bibidia ianao.
6 Amin'izay dia hoeken'ny mponina rehetra any Ejipta fa Izaho no TOMPO. "Ny fanampiana izay nomenao an'ireo Israelita dia marefo tahaka ny volotara.
7 Nitehina taminao izy, kanjo vaky tao an-tanany ianao, ka nandratra azy tamin'ny sorony sy nampitolefika ny tehezany.
8 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Hahatonga tafika mirongo fiadiana hamely anao Aho, ka hofongorako tsy ho amin'ny taninao ny olona sy ny biby.
9 Ho tany rava sy lao i Ejipta; amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO. "Nolazainao fa anao i Neily ary ianao no namorona azy.
10 Noho izany dia hirotsaka hamely anao sy ny oninao Aho. Horavako i Ejipta, hataoko lao manomboka eo an-tananan'i Migdola any avaratra ka hatrany an-tananan'i Asoana sy ny sisin-tanin'i Etiopia any atsimo.
11 Tsy misy olona na biby handia any intsony, fa ao anatin'ny efapolo taona dia tsy hahita na zava-miaina mihitsy any.
12 Hataoko tany lao dia lao i Ejipta; ary ho rava dia ho rava ireo tananany. Haharitra efapolo taona izany mba hanereko ny Ejiptianina hiely any amin'ny firenen-kafa sy hiparitaka any an-tany hafa.
13 "Kanefa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Rehefa afaka efapolo taona, dia hangoniko avy amin'ny firenen-kafa izay nielezany ny Ejiptianina.
14 Hatsahatro izay manjo ny Ejiptianina, ka haveriko any Ejipta ambony tany niaviany izy, ary hanorina fanjakana osaosa any;
15 ho osa noho ny fanjakana rehetra izy, ka tsy hisandratra ho ambonin'ny firenen-kafa intsony. Hahenako ny isany mba tsy hanjakazakany amin'ny firenen-kafa intsony.
16 Tsy ho tokin'ny Israelita intsony i Ejipta, ka tsy hampanao heloka azy hiantso vonjy any aminy. Amin'izay dia hoekena fa Izaho no TOMPO. "
17 Tamin'ny taona faha-27 taorian'ny fahababoana, nony andro voalohan'ny volana voalohany , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
18 "Ry ilay taranak'olombelona, nanery ny tafiny hanao ezaka lehibe hamelezana ny tananan'i Tiro i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona, hany ka efa sola avokoa ny lohan'ny miaramilany sady rotidrotika ny sorony. Nefa na izy mpanjaka na ireo miaramilany dia samy tsy nahita tombontsoa tamin'i Tiro ho setrin'ny famelezany azy.
19 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Hatolotro eo an-tanan'i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona i Ejipta. Horobainy sy hobaboiny avokoa izay ao; ka ny hareny rehetra dia hoentiny ary hataony karaman'ny miaramilany.
20 Homeko azy ny tany Ejipta ho valin'ny asa nataony tao Tiro, satria ho Ahy no niasan'ny tafiny; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."
21 Rehefa tonga izany andro izany, dia ho havaoziko ny tanjaky ny Israelita. Ary ianao, ry Ezekiela, homeko fahefana hiteny eo aminy ; ka dia hoekeny fa Izaho no TOMPO.