Ezekiela

Toko faha-27

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, manaova ianao hira fisaonana ny amin'ny tananan'i Tiro,

3 izay miorina eo amin'ny vava-ranomasina, ary manao varotra amin'ny firenena maro eny amoron-dranomasina. Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Ry Tiro o, Ianao dia nilaza ny tenanao ho sambo tsara tarehy fatratra!

4 Eny anivon-dranomasina ny faritaninao,ary nataon'ireo mpandrafitra anao ho tsara tarehy fatratra ianao.

5 Hazo kipreso avy any Senira no nanamboarany manontolo ny vatan-tsambonao; hazo sedera avy any Libano no nalainy hanaovana ny andrin-tsambonao.

6 Hazo oaka avy any Basana no nanaovany ny fivoin-tsambonao. Hazo sedera avy any amin'ny nosy Kitima izay nasiana sisika ivoara no nanamboarany ny tokotanin-tsambonao.

7 Rongony madinika misoratsoratra avy any Ejipta no natao lain-tsambonao mba ho faneva hamantarana anao. Lamba miloko volomparasy sy jaky avy any amin'ny nosy Siprano natao labasy hiarovana ny entanao.

8 Mponina avy any Tsidona sy Arvada no nampiasainao ho mpivoy; ny olona havanana teo aminao no tantsambonao, ry Tiro o,

9 Mpahay taozavatra avy any Biblosy, izay za-draharaha sady kinga, no mpanamboatra ny simba amin'ny vatan-tsambonao. Ny sambo rehetra izay teny an-dranomasina dia nijanona avokoa teo aminao; ka ny tantsambony no mividy ny entanao..

10 Olona avy any Persia sy Loda ary Poto no miaramila nanompo tao amin'ny tafikao. Nahantony tao anatin'ny tobinao ny ampingany sy ny fiarovan-dohany, ka nanomezany laza anao izany.

11 Vatan-dehilahy avy any Arvada no niambina ny mandanao niaraka tamin'ny miaramilanao, ary olona avy any Gamada no niaro ny tilikambonao. Nanantona ny ampingany teny amin'ny manda manodidina anao izy. Ireo rehetra ireo no nahatonga anao ho tsara tarehy fatratra'. "

12 "Ny olon'i Tarsisy no nifanao varotra taminao momba ny harena zavon-tany isan-karazany. Volafotsy sy vy sy vifotsy ary firaka no natolony ho takalon'ny entanao.

13 Ny olona avy any Gresy sy Tobala ary Meseka ihany koa dia nifanao varotra taminao, ka olona sy fanaka halimo no natolony ho takalon'ny entanao.

14 Ny terak'i Bety-Togarma no nanolotra ny soavaly hoenti-miasa sy ny soavaly ho enti-miady ary ny boriky ho takalon'ny entanao.

15 Nifandray ara-barotra taminao koa ny olona avy ao Dedana. Nitatra tamin'ireo nosy maro ny tsenam-barotrao, ka tandroka ivoara sy hazo mainty no natakalony ny entanao.

16 Nividy entana betsaka taminao koa ny Edomita , ka vato emeralda sy lamba miloko volomparasy, lamba vita peta-kofehy sy rongony fotsy madinika ary koa akorandriaka sy vato robisy no natolony ho takalony.

17 Nifandray ara-barotra taminao koa ny vahoakan'i Joda sy i Israely ka varimbazaha avy any Minita sy ampemba sy tantely sy diloilo ary balsama no natolony ho takalon'ny entanao.

18 Ny mponin'i Damasy dia nifanao varotra taminao momba ny taozavatrao sy ny harenao zavon-tany isan-karazany. Divay avy any Helbona sy volonondry avy any Tsahara no nataony takalony.

19 Avy ao an-tananan'i Ozala ny mponin'i Vedana sy i Javana no manolotra ny vy voatefy sy ny kanela ary ny veromanitra ho takalon'ny entanao.

20 Ny olona avy any Dedana kosa nifandray ara-barotra taminao ka nitondra lamba fandrakofan-tsoavaly.

21 I Arabia sy ireo mpitondra rehetra any Kedara dia nifanao varotra taminao. Zanak'ondry sy ondrilahy ary osilahy no natakalony ny entanao.

22 Ny mpivarotra avy any Sabasy Rahema ihany koa dia nifandray ara-barotra taminao ka zava-manitra ambony karazana sy vatosoa ary volamena no natolony ho takalon'ny entanao.

23 Ny ao an-tananan'i Harana sy i Kane ary i Hedena koa dia nifandray ara-barotra taminao toy ireo mpivarotra avy any Saba mbamin'ireo tananan'i Asora sy i Kilmady.

24 Nivarotra fitafiana mihaja taminao izy, ka entiny eny an-tsenanao ny fitafiana miloko volomparasy sy ny lamba vita peta-kofehy, karipetra misoratsoratra ary tady voarandrana mafy.

25 Ireo sambo vaventy no mpitatitra ny entam-barotrao. Toa sambo feno entana ianao ka navesatra dia navesatra, teny anivon'ny ranomasina.

26 Nentin'ireo mpivoinao teny amin'ny ranobe ianao ka ny rivotra avy any atsinanana no nahavaky anao teny anivon'ny ranomasina.

27 Ny fanananao sy ny vokatrao mbamin'ny entam-barotrao rehetra, ny tantsambonao sy ny mpanampy azy,ireo mpanamboatra ny simba amin'ny vatan-tsambonao, ireo mpivarotra mpanondrana entana, ny miaramila rehetra niasa tao aminao, ary ny vahoaka rehetra nandeha taminao,dia samy nilentika any an-dranomasina tamin'ny andro naharendrika anao.

28 Noho ny fidradradradran'ireo tantsambonao dia mangovitra ny mponina amoron-tsiraka.

29 Miala ny sambony avy ireo mpivoy rehetra sy ireo tantsambo rehetra eny an-dranomasina ka samy maka toerana eny an-tanety.

30 Heno migogogogo noho ny manjo anao izy, sady manao fidradradradrana mafy. Mandraraka vovoka amin'ny lohany izy,ary mihosinkosina amin'ny lavenona.

31 Manaratra loha sady mitafy gony noho ny aminao izy, ka mitomany anao fa mangidy ny manjo ary mangidy ny fisaonany.

32 Tamin'alahelo no niventesany hiram-palahelovana ny aminao, dia hiram-pisaonana manao hoe: Iza no tahaka an'i Tiro izay tonga mangina ankehitriny eo anivon'ny ranomasina?

33 Rehefa tonga avy any an-dranomasina any ianao ka nampidinina ny entam-barotrao, dia firenena maro no voavatsy tamin'izany. Ny habetsahan'ny harenao aman'entanao no nampanan-karena ireo mpanjakan'ny tany.

34 Ankehitriny novakin'ny onjan-dranomasina ianao ary tafalentika ao anaty rano lalimbe. Ny entanao sy ny vahoaka rehetra nandeha taminao dia niaraka rendrika taminao avokoa.

35 Nalahelo mafy ny aminao ny mponina rehetra amoron-tsiraka; raiki-tahotra ny mpanjakany ka tonga hatsatra ny endriny.

36 Ny mpivarotry ny firenen-kafa dia misiotsioka talanjona ny aminao, satria tonga fampitahorana ianao, sady tsy hisy intsony mandrakizay. "

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0589