Ezekiela

Toko faha-26

1 Tamin'ny taona faha-11 taorian'ny fahababoana, nony andro voalohan'ny volana , dia nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, nandatsa an'i Jerosalema ny mponin'i Tiro ka manao hoe: 'Hia! Sakoa izay! Potika ilay tanana fandalovan'ny olona rehetra! Isika indray izao no hangoron-karena satria rava i Jerosalema!'

3 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Hirotsaka hamely anao Aho, ry tananan'i Tiro. Hasaiko manafika anao ny firenena maro, ka hifanesy hiady aminao tahaka ny onjan-dranomasina.

4 Horavany ny mandanao, ary harodany ny tilikambonao. Hofafako hatramin'ny vovotaninao ka vatolampy mangadihady no sisa havelako;

5 dia ho toerana fanahazan'ireo mpanarato ny haratony eny afovoan-dranomasina izany. IzahoTOMPO ANDRIANANAHARY no manambara; teny hentitra avy amiko izany. Fa ho avy ny firenen-kafa handroba anao, ry Tiro,

6 sy handringana amin'ny sabatra ireo tanana kely mifanila aminao eny amoron-tsiraka eny. Amin'izay dia hoekenao fa Izaho no TOMPO.

7 Izao koa no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY aminao: 'Hoentiko avy any avaratra hamely anao, ry Tiro, ny mpanjaka mahery indrindra, dia i Nebokadnetsara mpanjakan'i Babilona. Ho avy hanafika anao izy, miaraka amin'ny soavaly sy kalesy ary mpitaingin-tsoavaly mbamin'ny miaramila betsaka navoriny."

8 Haringany amin'ny sabatra ireo tanana kely mifanila aminao eny amoron-tsiraka. Hamelezana anao dia handavaka hady sy hanangana tovon-tany ireo fahavalonao sady hampijoro rindrin'ampinga hiarovan-tena.

9 Homontsaniny amin'ny kanonta be ny mandanao, ary horavany amin'ny lapika ny tilikambonao.

10 Ho rakotry ny vovoka indaosin'ny soavaly betsaka ianao, ary hihovitrovitra ny mandanao noho ny firodorodon'ny mpitaingin-tsoavaly sy ny fingodongodon'ny kodiaran-kalesy. Tahaka ny ibosesehana eo amin'ny manda voabanga no hidiran'ny fahavalo eo amin'ny vavahadinao.

11 Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny mponinao hovonoiny ho faty amin'ny sabatra ary ireo andrim-batonao hazerany amin'ny tany.

12 Hangalariny ireo harenao ary horobainy ireo tahirin'entanao. Harodany ny mandanao,ho ravany ny tranonao tsara tarehy; ka ny vato sy ny hazo ary ny ampiantany tamin'ireny kosa dia hariany any an-dranomasina.

13 Hatsahatro ny tabataban-kiranao, ary tsy ho re intsony ny feon-dokanganao.

14 Vatolampy mangadihady sisa no havelako ao aminao mba hanahazan'ny mpanarato ny haratony, ka tsy harenina intsony ny tanananao. Izaho TOMPO no manambara; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.'

15 "Izao koa no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY amin'ny tananan'i Tiro: 'Ny mponina any amoron-tsiraka lavitra any dia hangovitra raha mandre ny firodanao sy ny tolokon'ireo naratra tamin'ny fandringanana tao anatinao.

16 Hidina hiala amin'ny seza fiandrianany ny andriana rehetra mifehy ireo vahoaka any amoron-tsiraka any, ka hanaisotra ny fitafiany sy ireo akanjony mirenty. Ho raiki-tahotra sy hipetraka amin'ny tany izy ka tsy hitsaha-mangovitra,satria ory loatra noho ny manjo anao.

17 Ary hihira izao hira fisaonana izao ny aminao izy hoe: Indrisy! Rava tokoa ilay tanana malaza, fongotra teo an-dranomasina izy. Nahery teo an-dranomasina izy sy ny mponiny ka nampihorohoro ny besinimaro.

18 Ankehitriny kosa ny mponina amoron-tsiraka dia mangovitra noho ny andro nirodanany; ary ny mponin'ny nosy any an-dranomasina dia varahontsana noho ny nanjavonany.'

19 Fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Hataoko tahaka ireo tanana rava tsy misy mponina ianao. Hampiakariko avy any amin'ny lalina ny ranobe hanafotra anao."

20 Hampidiniko any an-davaka misy ireo maty hatrizay ianao. Hamponeniko any ambanin'ny tany tahaka ireo sisan-drava fahagola ianao miaraka amin'ireo maty talohanao. Tsy ho afa-miakatra intsony ianao, ary tsy hanan-toerana eo amin'ny tanin'ny velona intsony.

21 Ho raiki-tahotra ny olona rehetra noho ny nanjoanao satria tsy ho eo intsony ianao. Hokarohina ny sisa momba anao, nefa tsy hisy hahita anao intsony na oviana na oviana; teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany'. "

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0566