Ezekiela

Toko faha-25

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ry ilay taranak'olombelona, mitodiha amin'ny Hamonita ary mijoroa ho mpaminany ny amin'ny hamelezana azy.

3 Asaovy mihaino izy fa izao no teny lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY aminy: Nihomehy ianareo fony nozimbazimbaina ny toerako masina ary nosimbana ny tanin'i Israely sady nentina ho babo ny olon'i Joda."

4 Noho izany, havelako halain'ireo mpifindrafindra monina avy any atsinanana ny taninareo : Hanorina toby eo amin'ny taninareo izy ka hamelatra ny lainy eo. Ireny no hihinana ny voankazo sy hisotro ny ronono izay anareo.

5 Hatao tonga fiandrasana rameva i Raba renivohitrareo,ary hanjary valan'ondry ny tany hamonita manontolo. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO."

6 "Eny, izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: 'Nitehaka sy nitsinjaka ary nifaly tokoa ianareo tamin'ny loza nanjo an'i Israely. Izany no nanaovanareo tsinontsinona ny vahoakako.

7 Koa haneho ny heriko hamelezana anareo Aho, ary hanolotra anareo amin'ny firenen-kafa izay handroba anareo tanteraka. Hofoanako tsy ho firenena intsony ianareo, tsy hanan-tany intsony fa haringako tanteraka. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO'. "

8 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Nilaza ny Moabita fa efa tonga tahaka ny firenena hafa rehetra izao i Joda.

9 Koa hasaiko tafihina ireo tanan-dehibe miaro ny fidirana any Moaba, hifanesy ho rava ireo tanana tsara indrindra toa an'i Bety-Jesimota sy i Bahala-Mehona ary i Kiriataima.

10 Ireo mpifindrafindra monina avy any atsinanana dia havelako haka an'i Moaba ankoatra izay nakany ny tanin'ireo Hamonita, ka tsy hahatsiarovana intsony ireo Hamonita any amin'ny firenen-kafa.

11 Hotanterahiko ny famaizana ny Moabita; amin'izay dia hoekeny fa Izaho no TOMPO."

12 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Nanao valifaty mahatsiravina tamin'ny vahoakan'i Joda ny Edomita, ary izany no mahameloka azy.

13 Koa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manambara fa haneho ny heriko hamelezana an'i Edoma. Haringako ny olona sy ny biby fiompy amin'io tany io; ary hataoko lao izy, manomboka eo an-tananan'i Temana ka hatrany Dedanao , ka ho faty an'ady ny mponina ao aminy.

14 Hankiniko amin'i Israely vahoakako ny famaizako an'ireo Edomita. Koa araka izay takin'ny fahatezerako amam-pahavinirako no hatao aminy mba hahatsapany ny ngidim-pamaizako.Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."

15 Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Valifaty no nafitsoky ny Filistinina, dia valifaty mahatsiravina vokatry ny fanaovana tsinontsinona ireo ankahalainy hatry ny ela ka nahatonga azy handringana ireny.

16 Koa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia manambara aminy fa haneho ny heriko hamelezana azy. Haringako ny Keretita ary horavako ny olon-kafa sisa izay namany mipetraka amin'iny moron-dranomasina iny.

17 Famaizana mangotraka no famaliana mahatsiravina hamelezako azy; ka rehefa hampihariko aminy tokoa izany, dia hoekeny fa Izaho no TOMPO."

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569