Ezekiela

Toko faha-22

1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

2 "Ianao, ry ilay taranak'olombelona, miomana sy mivonona hitsara ity tananan'i Jerosalema lian-dra ity! Ampahafantaro azy ny zavatra rehetra maharikoriko nataony.

3 Ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Tanana anjakan'ny famonoana olona ianao ka hahatonga ny fotoana handravana anao; ary ny mponinao koa dia manamboatra sampy maharikoriko sady mandoto ny faritrao.

4 Meloka ianao noho ireo vonoan'olona rehetra ireo ary nandoto tena tamin'izany fanamboaran-tsampy izany! Ny tenanao ihany no nampanakaiky ny fotoana handravana anao; ka tafapaka amin'ny fiafaran'ny andronao ianao. Noho izany dia atolotro ho fihomehezan'ny firenen-kafa ianao ka ho fanarabian'ny tany rehetra.

5 Vasoka ny lazanao, toerana be korontana ianao, ka na ny tany lavitra na ny akaiky dia samy manaraby anao.

6 Ao aminao dia samy manampatra fahefana ny mpitondra ary mamono olona."

7 Ao aminao dia tsy hajaina ny ray sy reny, tsentsefina ny vahiny, ampahorina ny kamboty sy ny mpitondratena ,

8 atao tsinontsinona ny toerana voatokana ho Ahy ary zimbazimbaina ny andro sabatako.

9 Ao aminao dia misy mpanaratsy mba handrisika amin'ny famonoana olona; ary ny mponinao dia misy mihinana sakafom-panompoan-tsampy eny an-tendrombohitra. Ao aminao dia fanaovam-pijangajangana :

10 misy mandry amin'ny vadin-drainy, misy manolana vehivavy voan'ny fadimbolana ,

11 misy manao zava-maharikoriko amin'ny vadin'ny namany, misy nanery ny vinantovaviny hijangajanga ary misy manolana ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy.

12 Ao aminao misy manaiky ho tambazam-bola mba hamono olona, misy mampindram-bola hakana zanany tafahoatra sy mangoron-karena tamin'ny fandrobana ny namany, ka manadino Ahy mihitsy. Teny hentitra avy amikoTOMPO ANDRIANANAHARY izany.

13 "Koa indro Aho hamely mafy anareo, ry mponin'i Jerosalema, noho ireo harena nangoninareo tsy an-drariny sy ireo vonoan'olona nataonareo.

14 Moa hanan-kery sy fahasahiana hahatohitra ve ianareo, amin'ny andro hamelezako anareo? Fa IzahoTOMPO dia milaza sady manatanteraka izany.

15 Haeliko sy haparitako any amin'ireo firenena any an-tany samy hafa ianareo ka hataoko mifarana hatreo ny asa maloto fanaonareo.

16 Ny nataonareo no hanimbazimbana Ahy eo imason'ny firenen-kafa; kanefa amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.

17 Dia nisy indray tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

18 Ry ilay taranak'olombelona, amiko ny Israelita dia toy ny tain-drendrika metaly: Izy rehetra, na volafotsy na varahina na vifotsy na vy na firaka, dia samy tonga tain-drendrika tao anaty lafaoro."

19 Koa Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY dia milaza hoe: "Efa tonga tain-drendrika ianareo rehetra ka hatobiko eo afovoan'i Jerosalema.

20 Fa avangongo ao anaty lafaoro ny volafotsy sy varahina sy vy ary firaka na vifotsy, dia tsofina mafy ny afo ao ambany handrendrehana azy. Koa noho ny fahatezerako amam-pahavinirako dia toy izany no hanangonako anareo; kahavangongoko ao anaty lafaoro ianareo mba harendrika.

21 Ao Jerosalema no hanangonako anareo handorako anareo amin'ny afom-pahatezerako izay handrendrika anareo tahaka ny metaly.

22 Ho tahaka ny volafotsy miempo ao anaty lafaoro no handrendrehana anareo ao Jerosalema. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho TOMPO no mampitosaka ny fahavinirako aminareo."

23 Dia mbola nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:

24 "Ry ilay taranak'olombelona, ambarao amin'i Jerosalema fa sahala amin'ny tany tsy nilatsahan'ny ranonorana izy , ka ho tahaka ny tany tsy misy rano mihitsy amin'ny androm-pahatezerako.

25 Tahaka ny liona mierona mamiravira haza ireo mpitondra azy ka mandripaka olona sy maka ny vola amam-pananan'ny hafa ka mahatonga vehivavy maro ho mpitondra tena.

26 Mandika ny lalanako ireo mpisorony sady manimbazimba ny toeramasiko. Mampifangaro ny zava-masina sy ny tsy masina izy, tsy mampianatra ny olona hanavaka ny madio sy ny maloto, ary minia tsy mahalala ny andro sabatako. Izany no animbazimbany Ahy.

27 Lian-dra tahaka ny amboadia mamiravira haza ireo mpitondra ny vahoaka, ka mamono olona ho faty mba hangoronan-karena tsy an-drariny.

28 Ary ny mpaminaniny kosa manarona izany rehetra izany amin'ny lalotra fotaka. Fahitana manodoka ary fanambarana mamitaka nolazainy. Mihambo ho mampita hafatra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izy nefa Izaho TOMPO tsy niteny taminy akory.

29 Manao herisetra ny olona eo amin'ny tany ka mangalatra sady mampahory ny mahantra sy ny fadiranovana, mitsentsitra tsy an-drariny ny vahiny.

30 Nokarohiko izay vonona hanangana ny manda na izay vonona hijanona eo amin'ny bangan'ny manda mba hifona eo anatrehako ho an'ny tany sy hisakana Ahy tsy handrava azy; nefa tsy nahita Aho.

31 Koa natosako teo aminy ny fahavinirako ary naripako tamin'ny afom-pahatezerako izy sady nampizakaiko ny vokatry ny fitondrantenany.Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. "

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0558