Ezekiela

Toko faha-2

1 Ary hoy ilay feo tamiko: "Ry ilay taranak'olombelona , mitsangana ianao fa hiteny aminao Aho."

2 Fa raha mbola niteny izany ilay feo, dia niditra tao amiko ny Fanahin'Andriamanitra ka nampitsangana ahy; dia nihaino Ilay niteny tamiko aho,

3 ary nilazany hoe: "Ry ilay taranak'olombelona, maniraka anao Aho ho any amin'ireo Israelita, dia ireo andia-mpikomy izay efa nikomy tamiko; fa tahaka ireo razany ihany izy, ka tsy nitsahatra namadika Ahy.

4 Ireo olona mafy loha sy be kirina ireo no anirahako anao, ka hitenenanao hoe: Izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY.

5 Koa na hihaino anao izy na tsy hihaino, satria vahoaka maditra, dia ho fantany fa misy mpaminany eo anivony.

6 "Ary ianao, ry ilay taranak'olombelona, aza matahotra ny tenany na ny teniny. Hanohitra anao ireo, ka ho toy ny eo anivon'ny tsilo sy ny maingoka ianao; kanefa aza matahotra noho ny tenin'io vahoaka maditra io na mivadi-po noho ny fihetsiny.

7 Fa avereno aminy ihany izay hambarako anao na hihaino izy na tsy hihaino noho ny di-dohany.

8 Ary ianao, ry ilay taranak'olombelona, aza miseho ho maditra tahaka ireo, fa henoy izay lazaiko aminao. Sokafy ny vavanao ka hano izay homeko anao."""

9 Dia indro hitako nisy tanana iray nitsotra nanatona ahy sady nitana boky iray miendrika horonan-taratasy.

10 Noborahany teo anatrehako izany, ka voasoratra ny lafiny roa. Fitarainana sy toloko ary toreo no voasoratra tao.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0549