Ezekiela
Toko faha-19
1 Ary ny TOMPO niteny tamiko mba hivetso izao tononkiram-palahelovana izao ny amin'ireo andrianan'i Israely2 ka hanao hoe: "Ny reninareo ve? Toy ny liom-bavy izy no namitsaka teo afovoan'ireo lion-dahy! Teo anivon'ny liona tanora izy no nitorovoka nampinono ny zanany.
3 Nanabe ny anankiray tamin'ireo izy; ka nony liona tanora matanjaka io, dia nianatra namiravira haza sady nihinana olona.
4 Nahare ny lazany ny hafa firenena dia namandrika azy hatao anaty lavaka, ary nanisy farango vy tamin'ny orony sy nitondra azy nankany Ejipta.
5 Rehefa tsapan'ilay liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nalainy ny iray hafa tamin'ireo zanany ka notezainy ho tonga liona tanora matanjaka.
6 Niriaria teo anivon'ny lion-dahy izy io, ka nony tonga liona tanora matanjaka, dia nianatra namiravira haza ihany koa sady nihinana olona.
7 Namotika ny lapan'ireo izy ary nandrava ny tananany. Raiki-tahotra ny mponina teo amin'ny tany, raha vao nandre ny fieronerony.
8 Koa ireo hafa firenena manodidina, avy amin'ny faritra samihafa, dia nivondrona hamely azy ka namelatra harato hahazoana azy ary namandrika azy hatao anaty lavaka.
9 Nasiany farango vy tamin'ny orony izy, dia nohidiny tao anaty vata makarakara ary nentiny tany amin'ny mpanjakan'i Babilona ; dia nataony an-tranomaizina izy mba tsy ho re mieronerona intsony eny amin'ny tendrombohitr'i Israely."
10 "Ny reninareo dia tahaka ny voaloboka iray nambolena teo amoron-drano. Nilonjehitra voa sy nanaroka izy noho ny rano be nanondraka azy,
11 ka nisy rantsana mafy azo atao tehim-pahefan'ny mpifehy; dia nisondrotra avo nitehi-drahona izy, ka nikoizana noho ny haavony mbamin'ny hamaroan'ireo rantsany.
12 Kanefa nongotana an-katezerana izy ka natsipy tamin'ny tany. Ny rivotra avy atsinanana no nahamaina ny voany ka nampihintsana azy. Nihamaina koa ny rantsany mafy ka natao levon'ny ao.
13 Ankehitriny izany voaloboka izany dia voavoly any an-taniefitra ao amin'ny tany maina sy karankaina.
14 Nisy afo nivoaka avy tao amin'ny tahony ka nandevona ny rantsany sy ny voany; dia tsy misy intsony rantsana mafy azo atao tehim-pahefan'ny mpifehy.Tononkiram-palahelovana izany ka tokony hohiraina amin'alahelo. "