Ezekiela
Toko faha-15
1 Ary nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:2 "Ry ilay taranak'olombelona, moa sarobidy kokoa noho ny vatan-kazo avy amin'ny hazo any an'ala ve ny tahom-boaloboka ?
3 Moa mety hanaovana fanaka ve izy na hanamboarana fanantonan-javatra?
4 Tsia, fa ny hatsipy ao anaty afo ho kitay no sahaza ny tahom-boaloboka. Rehefa main'ny afo ny tendrony roa ary efa mirehitra ny eo an-tenatenany , moa mbola azo ampiasaina hanaovan-javatra ihany ve izy?
5 Fony mbola tsy nanombinana aza izy, tsy azo nanaovan-javatra; mainka rehefa may sy lanin'ny afo izy, dia tsy azo anaovanana inona na inona intsony.
6 Koa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: ""Ny tahom-boaloboka no atsipy ao anaty afo ho kitay, fa tsy ny vatan-kazo avy amin'ny hazo hafa. Toy izany no hanafaizako ny mponin'i Jerosalema,"
7 fa hirotsaka an-tsehatra Aho hamely azy. Mihevitra ho afaka tamin'ny afo izy kanjo ho levon'ny afo ihany. Amin'izay dia hiaiky ianareo fa Izaho no TOMPO, rehefa hirotsaka an-tsehatra hamely azy Aho.
8 Hataoko lao ny taniny, satria nivadika tamiko ireo. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany. "