Ezekiela
Toko faha-14
1 Indray andro dia nisy loholon'i Israely vitsivitsy tonga tao amiko ka nipetraka teo anoloako mba hanontany ahy.2 Koa nisy tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
3 "Ry ilay taranak'olombelona, ireto lehilahy ireto dia efa nampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin'ny heloka no apetrany eo anoloany. Mihevitra ve izy fa hanaiky hanontaniany Aho?
4 Koa ambarao aminy fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: Raha misy Israelita mampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin'ny heloka no apetrany eo anoloany, nefa avy eo izy tonga hila hevitra amin'ny mpaminany, dia Izaho TOMPO mihitsy no hamaly izany olona izany araka ny hamaroan'ireo sampy notompoiny."
5 Ary ny valin-teniko dia hambabo ny fon'ny Israelita, izay nandao Ahy noho ny fitiavany ny sampiny."
6 Noho izany, ambarao amin'ny Israelita fa izao no lazain'ny TOMPO ANDRIANANAHARY: "Ialao ny toe-dratsy, ilaozy ny sampinareo sy ny fomba rehetra maharikoriko fanaonareo."
7 Raha misy Israelita na vahiny monina ao Israely miala amiko ka mampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin'ny heloka no apetrany eo anoloany, nefa avy eo izy tonga hila hevitra amin'ny mpaminany mba hahalala ny sitrapoko, dia Izaho TOMPO mihitsy no hamaly izany olona izany.
8 Hifanandrina aminy Aho ka hataoko tonga oha-pitenenana izy ary hoesoriko tsy ho eo amin'ny vahoakako. Amin'izay dia hoekenareo fa Izaho no TOMPO.
9 "Raha misy mpaminany voataona hamaly araka ny tenany ihany, dia IzahoTOMPO no efa nampanao azy izany; ary hanamparako ny heriko izy ka hoesoriko tsy ho eo amin'i Israely vahoakako.
10 Na ny mpaminany na ny olona izay manontany azy dia samy hivesatra heloka mitovy ka samy hilanja ny vokany.
11 Amin'izay dia tsy hiala amiko intsony ny Israelita sady tsy handoto ny tenany amin'ny heloka rehetra fanaony intsony; dia ho vahoakako izy ary Izaho ho Andriamaniny. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."
12 Ary nisy indray tenin'ny TOMPO tamiko nanao hoe:
13 "Ry ilay taranak'olombelona, raha ohatra manota amiko ireo mponin'ny tany anankiray ka mivadika amiko, dia hampihatra ny heriko hamely azy Aho. Hosimbako ny tahirin-kaniny ka handefasako mosary izy; sady haringako avokoa ny olona sy ny biby fiompy eo amin'ny taniny.
14 Ary na dia misy telo lahy toa an'i Noa sy i Daniela ary i Joba aza eo anivon'ireo mponina ireo, dia tsy haharo afa-tsy ny ainy ihany ny fahamarinan'ireo.Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany.
15 Na koa handefasako biby masiaka amin'izany tany izany, ka hahalao azy satria hovonoin'ireo biby ireo ho faty ny mponina eo aminy ary tsy hisy handalo intsony eo noho ny tahotra ireo biby."
16 Na dia nonina tao aza ireo telo lahy voalaza teo, dia ny tenany ihany no ho sisa tavela. Velona IzahoTOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy ho afaka hamonjy na dia ny zanany lahy sy vavy aza ireo, ary ho lao kosa ilay tany.
17 "Na koa hampisiako ady eo amin'izany tany izany ary hodidiako ny tafika handrava azy sy handringana ny olona mbamin'ny biby fiompy ao.
18 Na dia nonina tao aza ireo telo lahy voalaza teo, dia ny tenany ihany no ho sisa tavela. Velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy ho afaka hamonjy na dia ny zanany lahy sy vavy aza ireo."
19 "Na koa handefasako areti-mandringana amin'izany tany izany, ka io areti-mandoza mandringana olona sy biby fiompy io no hanehoako ny fahatezerako aminy.
20 Na dia nonina tao aza i Noa sy i Daniela ary i Joba, dia ny ain'izy telo lahy ihany no ho voaaron'ny fahamarinany. Velona Izaho TOMPO ANDRIANANAHARY ka manao teny hentitra sy mianiana fa tsy ho afaka hamonjy na dia ny zanany lahy sy vavy aza ireo."
21 Izao kosa avy eo no voalazan'ny TOMPO ANDRIANANAHARY tamiko: "Na dia nalefako hamely an'i Jerosalema aza ireo famaizako efatra mandoza ireo, izany hoe ny ady sy ny mosary sy ny biby masiaka ary ny areti-mandringana, mba handripahana ny olona sy ny biby fiompy,
22 dia misy ihany olona vitsivitsy lahy sy vavy sisa tavela. Navoaka hiala ny tanana izy ary hanaraka anareo any am-pahababoana. Rehefa mahita ny fitondrantenany sy ny ataony ianareo, dia hionona amin'ny loza rehetra izay navelako hianjady amin'i Jerosalema.
23 Eny, hampionona anareo ireo olona sisa tavela ireo satria ho takatrareo,rehefa mahita ny fitondrantenany sy ny ataony ianareo, fa rariny izay rehetra nataoko namelezana io tanana io. Teny hentitra avy amiko TOMPO ANDRIANANAHARY izany."