Ezekiela

Toko faha-10

1 Ary nijery aho ka indro teo amin'ny habakabaka izay tambonin'ny lohan'ny kerobima fa nisy tahaka ny vato safira, ka mitovitovy amin'ny sezafiandrianana ny endriny; ary niseho teo ambonin'ireo kerobima ny TOMPO.

2 Ary hoy ny TOMPO tamin'ilay lehilahy miakanjo rongony: "Midira ao anatin'ny tadio anelanelan'ny kodiarana eo ambany kerobima. Fenoy vainafo avy eo afovoan'ny kerobima ny tananao, ka afafazo amin'ny tanana izany. "Dia hitako nandeha nankao anatin'ny tadio ralehilahy.

3 Fa raha mbola nankao izy, dia nijanona teo amin'ny ilany ankavanan'ny tempoly ireo kerobima, ary feno raho-matevina ny kianja anatiny.

4 Niakatra avy eo ambonin'ny kerobima hankeny amin'ny tokonam-baravaran'ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO. Koa nanjary feno raho-matevina ny tempoly; ary ny kianja kosa dia namirapiratry ny voninahitry ny TOMPO.

5 Ary heno hatrany amin'ny kianja ivelany ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima, tahaka ny feon'Andriamanitra Tsitoha raha miteny.

6 Nijoro teo anilan'ny kodiarana iray ilay lehilahy miakanjo rongony, izay nampakana afo teo anelanelan'ny kodiarana teo afovoan'ny kerobima araka ny baikon'Andriamanitra.

7 Nanatsotra ny tanany ho eo amin'ny afo izay teo anilany ny kerobima iray ka naka vainafo tao ary namenoany ny tanan-droan'ilay lehilahy. Noraisin-dralehilahy kosa izany, dia nivoaka ny tempoly izy.

8 Ary nisy toa tanan'olona roa niseho teo ambany elatry ny kerobima.

9 Hitako koa fa nisy kodiarana efatra, ka kodiarana iray avy no teo anilan'ny kerobima. Ireo kodiarana ireo dia nanjelanjelatra tahaka ny vatosoa krizolita.

10 Mitovy bika izy efatra ary toa samy voarafitra hifampidipiditra.

11 Afaka mandroso ho amin'ny lafiny efatra izy nefa tsy mila avily. Mizotra ho amin'izay itodihan'ny kerobima izy ary mandroso tsy mila avily.

12 Ny tenan'ny kerobima manontolo, indrindra ny lamosiny sy ny tanany ary ny elany, dia rakotra maso manjelanjelatra tahaka ireo kodiarana efatra.

13 Ary ireo kodiarana efatra dia reko nomena anarana hoe "tadio".

14 Samy nanana endrika efatra ny kerobima tsirairay: ny voalohany dia endrika kerobima, ny faharoa dia endrika olona, ny fahatelo dia endrika liona, ary ny fahefatra dia endrika voromahery.

15 Niakatra ho eny amin'ny habakabaka ireo kerobima, izay tsy hafa fa ireo zava-miaina izay hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.

16 Rehefa mandroso izy, dia mandroso miaraka aminy koa ireo kodiarana; rehefa mikopaka elatra hiakatra hiala amin'ny tany izy, dia tsy misaraka aminy koa ireo kodiarana.

17 Raha mijanona izy, dia mijanona koa ny kodiarana; raha manidina miakatra ho eny amin'ny habakabaka izy, dia mba miakatra koa ny kodiarana, satria ny fanahin'ny zava-miaina no manetsika ireo kodiarana.

18 Niainga avy teo an-tokonam-baravaran'ny tempoly ny voninahitry ny TOMPO, ka nipetraka teo ambony kerobima.

19 Dia nikopaka elatra handeha ireo kerobima ka tsinjoko niakatra niala avy amin'ny tany, ary niara-niainga taminy koa ireo kodiarana. Nijanona teo anilan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'ny TOMPO izy ka namirapiratra teo amboniny ny voninahitr'Andriamanitr'i Israely.

20 Teo amoron'ny ony Kebara no efa nahitako ireo zava-miaina ireo nijoro teo ambanin'Andriamanitr'i Israely, ka fantatro ankehitriny fa kerobima ireo.

21 Samy nanana endrika efatra sy elatra efatra ary karazana tanan'olona teo ambany elany avy ny tsirairay.

22 Nitovy tanteraka tamin'ny endrik'ireo zava-miaina teo amoron'ny ony Kebara ny endriny. Samy nandroso mahitsy tamin'izay tandrify azy avy ny kerobima.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0548