Efesianina

Toko faha-5

1 Koa manafaha an'Andriamanitra ianareo, satria zanaka lalainy.

2 Ny fitiavana no aoka hanenika ny fitondrantenanareo, tahaka ny nitiavan'i Kristy antsika sy nanolorany tena tamin'Andriamanitra toy ny fanatitra sy sorona manitra mamerovero ho fanasoavana antsika.

3 Araka ny sahaza ny vahoakan'Andriamanitra, dia aoka tsy ho voatonona eo aminareo akory aza rehefa fijangajangana sy fahalotoana isan-karazany ary fitiavan-karena.

4 Fadio ny teny vetaveta sy resaka valavala na voso-dratsy izay samy tsy tokony hatao; fa aleo manao tonombavaka fisaorana an'Andriamanitra.

5 Fantaro tsara izao: tsy hanana anjara lova amin'ny Fanjakan'i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga na ny maloto fitondrantena na ny mpitia harena (fa mpanompo sampy ny mpitia harena).

6 Aza mety hofitahina amin'izay teny foana ianareo; fa ny zavatra toy izany indrindra no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra hihatra amin'ireo olona tsy manaiky Azy.

7 Koa aza mety ho mpiombona amin'ireny olona ireny ianareo.

8 Tao amin'ny haizina ianareo fahiny, fa ao amin'ny fahazavana kosa ankehitriny, noho ianareo tafaray amin'ny Tompo. Koa manaova fitondrantena tahaka ny olona ao amin'ny fahazavana,

9 satria ny fahazavana dia mamokatra ny soa sy ny rariny ary ny hitsiny isan-karazany.

10 Miezaha mamantatra izay ankasitrahin'ny Tompo.

11 Aza miombona amin'ny asa tsy mahavoka-tsoa ataon'ireo olona ao anatin'ny haizina, fa aleo aseho ny tena toetr'ireny asa ireny;

12 (satria mahamenatra na dia ny hilaza izay ataon-dry zareo ao amin'ny miafina aza).

13 Fa rehefa asehon'ny fahazavana kosa ny tena toetry ny zavatra rehetra, dia hiharihary avokoa;

14 eny, izay rehetra miharihary dia tonga mazava. Izany no ilazana hoe: Mifohaza ianao izay matory, ary mitsangana ho velona avy any amin'ny maty, dia hampahazava anao iKristy.

15 Koa tandremo tsara ny fitondrantenanareo. Aza manao toy ny olona tsy misaina, fa aoka ho tahaka izay misaina.

16 Hararaoty ny fotoana azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao andro izao.

17 Aza miadaladala, fa mba fantaro izay sitraky ny Tompo hataonareo.

18 Aza mimamo divay ianareo, satria fanaranam-po amin'ny ratsy no vokatr'izany; fa aoka ho feno ny Fanahy Masina.

19 Manaova salamo sy hira ary antsa asesiky ny Fanahy Masina; antsa sy salamo no kaloy amin'ny fo tokoa ho an'ny Tompo.

20 Misaora an'Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny olona rehetra amin'ny anaran'i Jesoa Kristy Tompontsika.

21 Aoka hifanoa ianareo noho ny fanajanareo an'i Kristy.

22 Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo toy ny anekenareo ny Tompo;

23 satria ny lahy no filohan'ny vavy, toy ny maha filohan'ny Fiangonana an'i Kristy; fa i Kristy mihitsy no Mpamonjy ny Fiangonana izay tenany.

24 Koa tahaka ny aneken'ny Fiangonana an'i Kristy no tokony haneken'ny vavy ny lahy amin'ny zavatra rehetra.

25 Ianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, toy ny nitiavan'i Kristy ny Fiangonana sy ny nanolorany tena hamonjy azy.

26 Nataony izany mba hahamasina ny Fiangonana, rehefa avy nodioviny tamin'ny rano fampandroana omban-teny;

27 fa tiany hamirapiratra ny Fiangonana hatolony ho Azy Kristy, ka tsy hisy pentimpentina na ketrona na zavatra toy izany, fa mba ho masina sady tsy hisy tsiny.

28 Dia toraka izany koa, tokony ho tahaka ny itiavan'ny lehilahy ny tenany no hitiavany ny vadiny; izay lehilahy tia ny vadiny, dia tia ny tenany.

29 Tsy misy tokoa olona mankahala ny tenany fa dia mamelona sy mikarakara azy, tahaka ny ataon'i Kristy amin'ny Fiangonana:

30 fantatsika izany, satria anisan'ny tenan'i Kristy isika.

31 Fa hoy ny Soratra Masina hoe: Noho izany, dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin'ny vadiny ary dia ho tena iray ihany izy roroa.

32 Mavesa-danja ny tsiambaratelo fonosin'io andinin-tSoratra Masina io, ary dia lazaiko fa miantefa amin'i Kristy sy ny Fiangonana izany.

33 Kanefa miantefa aminareo mivady rehetra koa izany: ka aoka samy ho tahaka ny itiavan'ny lehilahy ny tenany no hitiavany ny vadiny, ary aoka ny vehivavy hanaja ny vadiny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.057