Efesianina
Toko faha-4
1 Koa mangataka aminareo aho, dia izaho izay migadra noho ny amin'ny Tompo: manana fitondrantena mendrika ny fiantsoan'Andriamanitra anareo.2 Manetre tena lalandava, aoka halemy fanahy sady hahari-po. Mifandefera amim-pitiavana.
3 Aoka ny fihavanana no hifamatoranareo, dia hazoto mitana ny firaisana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo.
4 Iray ny tena ary iray ny Fanahy, toy ny maha iray ny fanantenana niantsoan'Andriamanitra anareo.
5 Iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa;
6 iray Andriamanitra sady Rain'ny kristianina rehetra, manjaka amin'izy rehetra, miasa amin'ny alalan'izy rehetra ary mitoetra ao amin'izy rehetra.
7 Kanefa isika tsirairay avy dia samy nahazo fanomezana manokana arakaraka izay nomen'i Kristy.
8 Izany no ilazan'ny Soratra Masina hoe: Raha miakatra any amin'ny avo Izy, dia nitondra babo marobe, ka nanome fanomezana ho an'ny olona.
9 Inona moa no hevitry ny hoe niakatra Izy, afa-tsy hoe: efa nidina tany amin'ny fanambanin'ny tany lalina indrindra Izy.
10 Ilay nidina ihany ho Ilay niakatra any amin'ny lanitra faratampony indrindra, mba hanerana izao rehetra izao.
11 Izy mihitsy no nanolotra fanomezana manokana ho an'ny olona, ka nanao ny sasany ho apostoly, ny sasany ho mpaminany, ny sasany ho mpitory ny Vaovao Mahafaly, ny sasany ho mpiandry sy ho mpampianatra.
12 Ho fampitaovana ny vahoakan'Andriamanitra ireny mba hahatontosana ny asa fanompoam-piangonana, ka hirafetan'ny tenan'i Kristy.
13 Izany no hahatonga antsika rehetra hiray amin'ny finoana sy amin'ny fahalalana tsara ilay Zanak'Andriamanitra; ka ho olondehibe isika, mahatratra ny halehiben'i Kristy sy heniky ny hafenoana omeny.
14 Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan'ny onja etsy sy eroa na hatolatolan'ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson'ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany.
15 Ny fitiavana kosa no hanambarantsika ny fampianarana marina ka amin'ny lafiny rehetra anie no hitomboantsika firaisana amin'i Kristy Izay loha.
16 Izy no mahatonga ny tena manontolo hitambatra mafy sy ho voatanan'ny famavany rehetra hiray; ka rehefa samy miasa araka ny tandrifiny avy ny zavatra anisan'ny tena, dia hitombo ny tena manontolo sady hoentanin'ny fitiavana.
17 Koa dia izao no lazaiko sy ambarako noho izaho tafaray amin'ny Tompo: aza atao intsony ny fomba fiainan'ny mpanompo sampy, izay manaraka ny hevi-poanany
18 sady maizin-tsaina. Olon-ko azy amin'ny fiainam-baovao omen'Andriamanitra ireny, satria tena tsy mahalala sady mafy fo tokoa;
19 efa lany henatra mihitsy, ka mivarilavo amin'ny fihetsika tsy maotina sady revo manaram-po amin'ny fahalotoana isan-karazany.
20 Tsy mba toy izany kosa no nianaranareo an'i Kristy!
21 Fa efa nandre ny aminy tokoa ianareo ary efa norosoana ny fampianarana marina ao amin'i Jesoa, araka ny maha kristianina anareo.
22 Noho izany aoka hialanareo ny toetrareo taloha nifandraika tamin'ny fitondrantenanareo fahiny, dia ilay toetra mihasimba noho ny fitaky ny filandratsy.
23 Aoka hohavaozina tanteraka ny fanahinareo sy ny sainareo;
24 ary aoka ianareo hitafy ny toetra vaovao, dia ilay toetra noarina araka an'Andriamanitra, ka asehon'ny fiainana mandala rariny sy masina vokatry ny fampianarana marina.
25 Noho izany, ialao ny lainga; aoka samy hilaza ny marina amin'ny namany avy, fa isika rehetra dia samy anisan'ny tena iray ihany ka mifampiankina.
26 Raha sendra tezitra ianareo, dia aza manota: aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.
27 Aza omen-toerana ny devoly.
28 Izay nangalatra, aoka tsy hangalatra intsony; fa aleo mikely aina manao zavatra tsara, mba hisy homeny izay sahirana.
29 Aoka tsy hisy teny maloto aloaky ny vavanareo; fa mba teny mahasoa atao, hampandrosoana ny olona amin'ny finoana araka izay sahaza azy, ka hitondra soa ho an'izay mandre.
30 Aza mampalahelo ny Fanahy Masin'Andriamanitra ianareo fa ny Fanahy Masina no tombokase nahatonga anareo ho fananan'Andriamanitra, mba ho tody amin'ny andro hanavotana tanteraka anareo.
31 Aoka ianareo tsy ho mpanao an-dolompo, tsy ho vinitra, tsy ho mora tezitra, tsy ho avo vava, tsy hanevateva: esory lavitra anareo avokoa izany, miaraka amin'ny haratsiam-panahy isan-karazany.
32 Fa aoka samy ho mora fo sy antra amin'ny namany avy ianareo; mifamela heloka, tahaka ny namelan'Andriamanitra heloka anareo noho ianareo miray amin'i Kristy.