Efesianina
Toko faha-3
1 Noho izany izaho Paoly, izay migadra noho ny amin'i Kristy Jesoa hanasoavana anareo hafa firenena, dia mangataka amin'Andriamanitra ho anareo.2 Matoky aho fa efa renareo ny andraikitra tontosaiko aminareo, noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy.
3 Fanambarana avy tamin'Andriamanitra no nahalalako ny tsiambaratelony. (Efa nisy voasoratro fohifohy ihany momba izany tetsy aloha,
4 ka raha mamaky ianareo, dia ho hainareo fantarina ny fahalalako ilay tsiambaratelo momba an'i Kristy.)
5 Tsy mbola nampahafantarina ny olombelona izany tsiambaratelo izany tamin'ny andro lasa; fa ireo apostoly sy mpaminany voatokana ho an'Andriamanitra kosa no nanambarana azy ankehitriny noho ny asan'ny Fanahy Masina.
6 Izao ary izany tsiambaratelo izany: amin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly, ny hafa firenena dia natao hitambatra amin'ny Jiosy ka hiara-mandova ny zava-tsoa natokan'Andriamanitra ho an'ny vahoakany, sy ho tena iray ihany ary hiombona anjara amin'ny fampanantenan'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesoa.
7 Tonga mpanompon'ny Vaovao Mahafaly aho noho ny tombon-tsoa nomen'Andriamanitra ahy maimaimpoana, araka ny fiasan'ny heriny.
8 Kely noho izay bitika indrindra amin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra aho, kanefa nomen'Andriamanitra izany tombon-tsoa izany: dia ny hitory amin'ny hafa firenena ny Vaovao Mahafaly momba ny haren'i Kristy tsy hita lany,
9 ary ny hampahazava amin'ny olona rehetra ny fomba hanatanterahan'Andriamanitra ny tsiambaratelony. Hatrizay hatrizay dia voaafina tao amin'Andriamanitra Mpahary ny zavatra rehetra, izany tsiambaratelo izany;
10 fa ankehitriny kosa naseho tamin'ny alalan'ny Fiangonana izany, ka tonga fantatr'ireo fanapahana sy ny fahefana eny ana habakabaka ny fahendren'Andriamanitra, dia fahendrena mahefa zavatra tsy tambo isaina.
11 Izany rahateo no fandaharana hatrizay hatrizay ka notanterahin'Andriamanitra tamin'ny alalan'i Kristy Jesoa Tompontsika.
12 Ary isika efa tafaray amin'i Kristy dia manana ny fahasahiana manatona an'Andriamanitra amim-pahatokiana, noho ny finoana niainan'i Kristy.
13 Koa izany no angatahako anareo mba tsy ho ketraka amin'ny fahoriana manjo ahy hanasoavana anareo, fa misy vokany be voninahitra ho anareo izany.
14 Noho izany no andohalehako eo anatrehan'Andriamanitra Ray,
15 Izay antom-pisian'ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.
16 Mangataka amin'Andriamanitra aho mba homeny anareo, araka ny haren'ny voninahiny, ny hohatanjahina fatratra ao anatinareo amin'ny herin'ny Fanahiny,
17 ka hitoeran'i Kristy ao am-ponareo amin'ny finoana; dia hamahatra tsara sy ho mafy orina amin'ny fitiavana ianareo.
18 Mangataka amin'Andriamanitra aho ny hahaizanareo mbamin'ny vahoakan'Andriamanitra rehetra mahafantatra tsara ny fitiavan'i Kristy, dia izay sakany sy lavany ary haavony sy halaliny.
19 Enga anie ho fantatrareo tokoa ny fitiavan'i Kristy na dia tsy mety ho fantatra tanteraka na oviana na oviana aza izany , mba hamenoana anareo ka hidiranareo ao amin'ny hafenoana rehetra ananan'Andriamanitra.
20 Ary ho an'Andriamanitra Izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay angatahintsika na heverintsika aza, araka ny heriny miasa ato amintsika,
21 ho Azy anie ny voninahitra ao amin'ny Fiangonana sy ao amin'i Kristy Jesoa, manerana ny taranaka rehetra mifandimby sy mandrakizay mandrakizay! Amen.