Daniela

Toko faha-7

1 Tamin'ny taona voalohany nanjakan'i Belsatsara tao Babilona dia nanonofy i Daniela ary nahazo fahitana teo am-pandriany. Nosoratany ny nofy ary notantarainy araka izao manaraka izao:

2 Hitako tamin'ny fahitana tamin'ny alina, fa indro ny rivotra avy amin'ny vazan-tany efatra nibosesika hampisamboaravoara ny ranomasina midadasika.

3 Ary nisy biby efatra lehibe samy hafa niakatra avy tao amin'ny ranomasina.

4 Ny voalohany dia tahaka ny liona ary nanana elatry ny voromahery; saingy raha mbola nijery aho dia nesorina taminy ny elany, ary ningaina avy amin'ny tany izy ka nitsangana tamin'ny tongony tahaka ny olona, sady nomena fisainan'olombelona.

5 Ary indro ny biby hafa faharoa mitovy amin'ny orsa, miainga ny ila-tenany, misy taolan-tehezana telo teo am-bavany tanelanelan'ny nifiny; dia nilazana izy hoe: Mitsangana ka mihinana nofo be dia be.

6 Taorian'izany dia mbola nijery aho, ka indro nisy iray hafa koa tahaka ny leoparda, nanana ela-borona efatra tao an-damosiny. Nanana loha efatra ilay biby sady nomena azy ny fanapahana.

7 Taorian'izany dia mbola nijery ny fahitako tamin'ny alina ihany aho ka indro nisy biby fahefatra mahatahotra sy mahatsiravina sady matanjaka aoka izany. Nanana nify vy lehibe izay nihinanany sy namiravirany izy, fa izay sisa tsy laniny dia nohoseny; ary hafa noho ireo biby rehetra teo alohany izy fa nanana tandroka folo.

8 Raha mbola nandinika ireo tandrony aho, indro nisy tandroka kely hafa nipoitra teo anivon'ireo ka nahongotra ireo tandroka telo teo anoloany; io tandroka io dia nanana maso roa toy ny mason'olona sy nanana vava miteny avonavona mihoa-pampana.

9 Mbola nijery ihany aho, ka indreo nisy sezafiandrianana napetraka; ary nisy Antidahy iray tonga nipetraka. Ny fitafiany dia fotsy tahaka ny oram-panala; ny volon-dohany dia tahaka ny volon'ondry madio; ny sezafiandrianany dia lelafo; ary ny kodiarany dia afo mivaivay.

10 Ony afo no nipoitra sy nikoriana avy teo anatrehany. An-tapitrisa ireo nanompo azy ary an-jato tapitrisa no nitsangana teo anatrehany. Dia nipetraka ireo mpitsara ary nosokafana ny boky.

11 Tamin'izay dia mbola nijery ihany aho noho ny fireondreon'ny teny avonavona mihoa-pampana navoakan'ilay tandroka kely; nefa raha mbola nijery aho, dia novonoina ho faty ilay biby fahefatra ka ny tenany dia natsipy sy nolevonina tao anaty afo mahamay aoka izany.

12 Nesorina tamin'ireo biby hafa ny fanapahany, kanefa nohalavaina ihany ny fahavelomany mandritra ny fotoana voafetra.

13 Dia mbola nijery ny fahitana azoko tamin'ny alina ihany aho, ka indro nisy tahaka ny zanak'olona tonga teny amin'ny rahon'ny lanitra; ary nankeo amin'ilay Antidahy izy sady nampanakaikezina azy.

14 Ary nomena azy ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana, mba hanompo azy ny foko sy firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra. Ny fanapahany dia haharitra mandrakizay ka tsy hanam-petra, ary ny fanjakany tsy ho rava na oviana na oviana.

15 Izaho Daniela dia nitebiteby hatramin'ny aty fanahiko fa nampitahotra mafy ahy ny fahitana.

16 Dia nanatona ny anankiray tamin'izay nitsangana teo aho ary nanontany azy ny tena hevitr'ireo rehetra ireo. Koa nambarany tamiko sady nampahafantariny ahy ny dikany.

17 Ireo biby efatra lehibe dia mampiseho fanjakana efatra hipoitra avy amin'ny tany.

18 Aorian'izany dia ho lasan'ny olo-masin'ny Avo Indrindra ny fanjakana ho fananany mandrakizay mandrakizay.

19 Dia niriko ho fantatra mazava ny amin'ilay biby fahefatra izay hafa noho ny rehetra sady nahatsiravina loatra fa nanana nify vy sy hoho halimo izay nihinanany sy namiravirany, ka ny tongony no nanosihosy izay sisa tsy laniny;

20 niriko ho fantatra mazava ny amin'ireo tandroka folo teo an-dohany sy ilay tandroka iray izay nipoitra ka nampianjera ny telo teo anoloany; io tandroka io dia nanana maso sy nanana vava niteny avonavona mihoa-pampana ary ny fijery azy dia lehibe noho ny namany.

21 Mbola nijery ihany aho, ary hitako nanoto ny vahoakan'Andriamanitra io tandroka io ka nandresy azy,

22 ambara-piavin'ilay Antidahy ka nanomezany rariny an'ilay vahoakan'ny Avo Indrindra. Rehefa tonga ny fotoanandro, dia ho azon'io vahoaka io ny fanjakana.

23 Izao no nambarany: Ny biby fahefatra dia fanjakana fahefatra eto an-tany izay hafa noho ireo fanjakana rehetra, fa hihinana ny tany tontolo izy ka hanosihosy sady hanorotoro azy.

24 Ary ny tandroka folo dia mampiseho mpanjaka folo izay hifandimby hifehy io fanjakana io; ary hisy mpanjaka iray hafa noho ireo teo alohany hitsangana manaraka an'ireo, rehefa avy handresy mpanjaka telo.

25 Hilaza teny manohitra ny Avo Indrindra izy, hampahory ny vahoakan'ilay Avo Indrindra sady mihevitra hanova ny fankalazana sy ny lalana; ary hatolotra eny an-tanany nandritra ny telo taona sy tapany io vahoakan'Andriamanitra io ireo.

26 Avy eo dia ho avy ny fitsarana any an-koatra ka hesorina amin'io biby io ny fiandrianany izay horavana sy holevonina hatramin'ny farany.

27 Ny fahefa-manjaka sy ny fiandrianana ary ny fahalehibiazan'ny fanjakana rehetra eny ambanin'ny lanitra dia homena ny vahoakan'ilay Andriamanitra Avo Indrindra; ka ny fahefa-manjakan'io vahoaka io dia haharitra mandrakizay ary ny fiandrianana rehetra dia hanompo sy hankato azy.

28 Mifarana eo ilay tantara. Fa ny amiko Daniela kosa dia nampitebiteby mafy ahy ny eritreritro ka nivaloarika ny tarehiko; nefa notehiriziko tao am-poko izany zavatra izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0569