Daniela
Toko faha-6
1 Ary i Dariosa, ilay Medianina, no nandray ny fanjakana teo amin'ny faha-62 taonany.2 Sitrak'i Dariosa ny hanendry solotenan'andriamanjaka 120 izay hanapaka manerana ny fanjakana.
3 Ary teo ambonin'ireo dia nisy telo lahy mpitantan-draharaha, ka i Daniela ny anankiray; izy telo lahy no hanaovan'ireo solotenan'andriamanjaka tatitra mba tsy hisy hanimba ny tombon-tsoan'ny mpanjaka.
4 Ary nihoaran'io Daniela io avokoa ireo mpitantan-draharaha anankiroa sy ireo solotenan'andriamanjaka tamin'ny fananany fanahy tena fatratra, koa nokasain'ny mpanjaka hatao lehibe eo amin'ny fanjakana manontolo izy.
5 Noho izany ireo mpitantan-draharaha ambony sy ireo solotenan'andriamanjaka dia nikaroka izay hiampangana an'i Daniela momba ny raharaham-panjakana; kanefa tsy nahita izay fahadisoany na tsininy akory ireo, satria nahatoky izy, fa tsy nisy mihitsy lesoka na tsiny teo aminy.
6 Tamin'izay dia hoy ireo lehilahy ireo: Tsy ho hitantsika mihitsy izay hiampangantsika io Daniela io raha tsy zavatra momba ny lalanan'ny Andriamaniny ihany.
7 Dia dodona nankany amin'ny mpanjaka ireo mpitantan-draharaha ambony sy solotenan'andriamanjaka, ary nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ianao, ry Dariosa mpanjaka!
8 Ny mpitantan-draharaha ambony ato amin'ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solotenan'andriamanjaka sy ny mpanolotsaina ary ny governora dia nifanaraka fa tokony hamoaka lalam-panjakana ianao, ry mpanjaka, fa ato anatin'ny telopolo andro, na iza na iza manao fivavahana na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka o, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
9 Ankehitriny, ry mpanjaka o, avoahy ny didy ka asio sonia mba tsy ho azo ovana, araka ny lalanan'ny Medianina sy ny Persianina izay tsy azo foanana.
10 Koa dia nosoniavin'i Dariosa mpanjaka izany didy aman-dalana izany.
11 Ary nony fantatr'i Daniela fa nosoniavin'ny mpanjaka ny didy, dia nody tany an-tranony izy; ary novohany ny varavarankeliny tany ambony rihana nanandrify an'i Jerosalema. Intelo isan'andro izy no nandohalika nivavaka sy nidera an'ilay Andriamaniny satria efa fanaony hatry ny taloha izany.
12 Dodona ery ireo lehilahy ireo nitsikilo ka nahita an'i Daniela nivavaka sy nitalaho tamin'ny Andriamaniny;
13 dia nanatona ny mpanjaka izy ary niteny teo anatrehany momba ilay didy ka nanao hoe: Ry mpanjaka o, moa tsy nisy didy nosoniavinao va fa ato anatin'ny telopolo andro, na zovy na zovy no hanao fivavahana na amin'Andriamanitra na amin'olona, afa-tsy aminao ihany, dia hatsipy ao an-davaky ny liona? Dia namaly kosa ny mpanjaka nanao hoe: Marina tokoa izany, dia araka ny lalanan'ny Medianina sy ny Persianina izay tsy azo foanana.
14 Fa niteny indray ireo ka nanao teo anatrehan'ny mpanjaka hoe: I Daniela, isan'ireo babo avy any Joda, dia tsy mba miraharaha anao na ny didy izay nosoniavinao, ry mpanjaka o; fa intelo isan'andro izy no manao fivavahana amin'ny Andriamaniny.
15 Nalahelo mafy ny mpanjaka raha nandre izany zavatra izany; dia nisaintsaina ny hanavotra an'i Daniela izy ary nitady izay hamonjena azy mandra-pilentiky ny masoandro.
16 Fa dodona niverina tany amin'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo ka nanao taminy hoe: Aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa araka ny lalanan'ny Medianina sy ny Persianina, ny didy aman-dalana izay navoakan'ny mpanjaka dia tsy azo ovana.
17 Tamin'izay dia nanome baiko ny mpanjaka mba halaina i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona. Dia niteny kosa ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao, Izay tompoinao fatratra, no hany hamonjy anao!
18 Dia nisy vato natampina ny vavan-davaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny tombokaseny sy tamin'ny an'ireo olo-manan-kajany mba tsy hisy hovana ny amin'i Daniela.
19 Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nihinan-kanina nandritra ny alina sady tsy nampiditra vehivavy teo anatrehany, na dia tsy nahita tory aza.
20 Fa raha vao nangiran-dratsy ny andro, dia nifoha ny mpanjaka ka nandeha faingana nankany amin'ny lavaky ny liona.
21 Ary raha nanatona ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo hoe: Ry Daniela mpanompon'Andriamanitra velona o, moa Andriamanitrao Izay tompoinao fatratra va afaka namonjy anao tamin'ny liona?
22 Dia niteny tamin'ny mpanjaka i Daniela hoe: Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka!
23 Ny Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny hanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria hita tsy manan-tsiny teo anatrehany aho; ary tsy nanao ratsy teo anatrehanao koa aho, ry mpanjaka.
24 Tamin'izay dia faly tokoa ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka i Daniela; rehefa tafakatra izy, dia tsy nahitana ratra akory satria natoky an'ilay Andriamaniny.
25 Ary nanome baiko ny mpanjaka mba halaina ireo lehilahy izay niampanga an'i Daniela ka hatsipy ao an-davaky ny liona izy mbamin'ny vady aman-janany. Fa raha tsy mbola nipaka tamin'ny vody lavaka akory izy mianakavy, dia nifandrombahan'ny liona ka nopotipotehiny ny taolany rehetra.
26 Taorian'izany i Dariosa mpanjaka dia nanoratra ho an'ny vahoaka avy amin'ny foko sy firenena ary samy hafa fiteny rehetra izay monina ambonin'ny tany tontolo hoe: Hitombo anie ny fiadananareo!
27 Mamoaka izao didy izao aho mba hangovitan'ny olona sy hatahorany eo anatrehan'ny Andriamanitr'i Daniela manerana ny fanjakako. Fa Izy no Andriamanitra velona sady maharitra mandrakizay; ny fanjakany tsy mety rava ary ny fanapahany haharitra tsisy farany.
28 Izy no mamonjy sy manafaka ary manao famantarana sy zava-mahagaga any an-danitra sy ety an-tany; Izy no namonjy an'i Daniela ho afaka tamin'ny vahohon'ny liona.
29 Ary izany Daniela izany dia nitana toerana ambony tamin'ny nanjakan'i Dariosa sy tamin'ny nanjakan'i Kirosa ilay Persianina.