Daniela

Toko faha-2

1 Ary tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Nebokadnetsara, dia nanonofy izy. Nampitebiteby azy izany, hany ka tsy nahitany tory.

2 Dia nasain'ny mpanjaka nantsoina ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpimasy ary ny mpanandro mba hanambara aminy ny hevitry ny nofiny. Nony tonga ireo ka niseho teo anatrehan'ny mpanjaka,

3 dia nilazany hoe: Nanonofy aho ka nampitebiteby ahy izany; liana te hahalala ilay nofy aho.

4 Namaly ny mpanjaka tamin'ny teny aramianina ireo mpanandro ka nanao hoe: Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka! Lazao aminay mpanomponao ny nofinao, dia hambaranay anao ny heviny.

5 Namaly an'ireo mpanandro kosa ny mpanjaka, ka nanao taminy hoe: Hentitra ny teniko fa raha tsy hampahafantarinareo ahy ny nofy sy ny heviny, dia hotetitetehina ianareo, ary horavana ny tranonareo.

6 Fa raha mahalaza amiko ny nofy sy ny heviny kosa ianareo, dia hahazo fanomezana sy valisoa ary voninahitra lehibe avy amiko. Noho izany ambarao ahy ny nofy sy ny heviny.

7 Dia namaly azy indray ireo ka nanao hoe: Ry mpanjaka o, aoka holazainao aminay mpanomponao ny nofy, dia hasehonay ny heviny.

8 Fa namaly ny mpanjaka, ka nanao hoe: Fantatro marina izao fa mitady handany andro ianareo, satria tsapanareo fa hentitra ny teniko.

9 Fa raha tsy manambara amiko ny nofy ianareo, dia hitovy ny famaizana hatao aminareo rehetra; sady ianareo niray tetika hilaza lainga sy fitaka eto anatrehako mandra-piovan'ny toe-javatra. Koa ambarao ahy ny nofy, dia ho fantatro fa mahalaza ny heviny amiko ianareo.

10 Dia namaly teo anatrehan'ny mpanjaka indray ny mpanandro ka nanao hoe: Tsy misy olona eto ambonin'ny tany afaka hilaza izany nofinao izany, ry mpanjaka! Ary tsy mbola nisy mpanjaka, na dia izay lehibe sy mahery aza, ka nanontany zavatra toy izany tamin'ny mpanao majika aman-tsikidy sy ny mpanandro.

11 Ary ny zavatra izay angatahinao dia faran'izay lalina, ka tsy misy afaka manambara azy eo anatrehanao raha tsy ireo andriamanitra izay tsy miara-monina amin'ny olombelona.

12 Dia tezitra nisafoaka mafy noho izany rehetra izany ny mpanjaka, ka nanome baiko mba handringanana ny olon-kendry rehetra ao Babilona.

13 Dia navoaka ny didy mampamono ho faty ireo olon-kendry; ary notadiavina koa i Daniela sy ny namany mba hovonoina ho faty.

14 Ary niainga tokoa i Arioka, lehiben'ny mpiambina ny mpanjaka, mba hamono ho faty ireo olon-kendrin'i Babilona. Kanefa teny feno fahamalinana sy fahendrena no nasetrin'i Daniela an'i Arioka;

15 nanontaniany momba ny antony nahahenjana ny didy navoakan'ny mpanjaka i Arioka, dia nampahafantatra azy ny toe-javatra.

16 Avy eo nankany amin'ny mpanjaka i Daniela ary niangavy azy mba hanome fotoana hahazoany manambara amin'ny mpanjaka ny hevitry ny nofiny.

17 Dia nody tany an-tranony i Daniela ka nampahafantatra an'i Hanania sy i Misaela ary i Hazaria namany ny toe-javatra;

18 ary nangatahiny izy telo lahy mba hitalaho ny famindrampon'ilay Andriamanitry ny lanitra momba ity zava-miafina ity, ka mba tsy haringana miaraka amin'ireo olon-kendrin'i Babilona sisa i Daniela sy ny namany.

19 Ary naseho an'i Daniela tamin'ny fahitana nandritra ny alina ilay zava-miafina; koa nidera an'ilay Andriamanitry ny lanitra izy.

20 Dia niteny i Daniela ka nanao hoe: Hisaorana anie ny anaran'Andriamanitra hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, satria Azy ny fahendrena sy ny hery!

21 Izy no tompon'ny fotoana sy ny tantara; Izy no manonga-mpanjaka sy mananga-mpanjaka; Izy no manome ny fahendrena ho an'ny hendry ary ny fahaiza-manavaka ho an'ny mahira-tsaina.

22 Izy no mampiseho ny zavatra lalina sy miafina sady mahalala izay misy ao amin'ny maizina, satria ny mazava no miara-mitoetra aminy.

23 Misaotra sy midera Anao aho, ry Andriamanitry ny razako o, satria nomenao fahendrena sy hery. Ary ankehitriny nampahafantarinao ahy izay zavatra nangatahinay taminao, ka nambaranao anay ilay nofin'ny mpanjaka.

24 Teo anoloan'izany i Daniela dia nankany amin'i Arioka izay voatendrin'ny mpanjaka handringana ny olon-kendry rehetra ao Babilona, ka avy hatrany i Daniela dia niteny taminy hoe: Aza aringana ny olon-kendrin'i Babilona! Ento ho eo anatrehan'ny mpanjaka aho fa ny tenako no hanambara aminy ny hevitry ny nofiny.

25 Dia nitondra haingana an'i Daniela ho eo anatrehan'ny mpanjaka i Arioka sady niteny tamin'i Nebokadnetsara hoe: Nahita lehilahy isan'ny babo avy any Joda aho, ry mpanjaka; izy io no hanambara aminao ny hevitry ny nofinao.

26 Dia niresahan'ny mpanjaka i Daniela izay antsoina hoe Beltesatsara ka nanontaniany hoe: Moa afaka hampahalala ahy ny nofiko sy ny heviny tokoa va ianao?

27 Dia namaly ny mpanjaka i Daniela ka nanao hoe: Tsy misy olon-kendry na mpisikidy na mpanao majika na ombiasy afaka hanambara aminao ny zava-miafina izay anontanianao, ry mpanjaka!

28 Fa misy Andriamanitra any an-danitra ambony any Izay mampiseho ny zava-miafina, ka Izy no nampahafantatra an'i Nebokadnetsara mpanjaka izay hiseho amin'ny hoavy. Koa izao ary ny nofinao sy ny fahitana tao an-tsainao teo am-pandriana.

29 Raha natory ianao, ry mpanjaka, dia lasan'eritreritra ny amin'izay hiseho rahatrizay; koa Ilay mampiseho ny zava-miafina dia nampahafantatra anao izay hiseho rahatrizay.

30 Ary raha naseho tamiko io zava-miafina io, dia tsy hoe manam-pahendrena mihoatra noho ny miaina rehetra aho akory, fa mba hahazoana mampahalala anao ny hevitry ny nofinao, ry mpanjaka, ka hahafantaranao izay eritreritry ny fonao.

31 Ry mpanjaka o, izao ary no hitanao: Nisy sarivongana iray tena lehibe nijoro teo anoloanao ary namirapiratra sady nahatahotra ny endriny.

32 Volamena madio ny lohan'io sarivongana io, volafotsy kosa ny tratrany sy ny tanany, halimo ny kibony sy ny feny,

33 vy ny ranjony; ary ny tongony dia vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany.

34 Dia nijery tsara io sarivongana io ianao mandra-piendaky ny vato iray tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana; namely an'ireo tongotra vy sy tanimanga tamin'ilay sarivongana io vato io ka nahatorotoro ny tongony roa.

35 Ary torotoro avy hatrany koa ny vy sy tanimanga mbamin'ny halimo sy volafotsy ary volamena, ka tonga toy ny akofa eny am-pamoloana fahavaratra; dia nopaohin'ny rivotra ireo, ka tsy hita intsony izay nitoerany. Ary ilay vato izay namely ny sarivongana dia tonga tendrombohitra lehibe ka nameno ny tany manontolo.

36 Izany ilay nofinao, ry mpanjaka, ary ny heviny koa dia holazaina eto anatrehanao.

37 Ry mpanjaka o, ianao no mpanjakan'ny mpanjaka fa nomen'ilay Andriamanitry ny lanitra ho anao ny fanjakana sy ny hery ary ny tanjaka sy ny voninahitra.

38 Napetrany eo ambany fifehezanao koa ny olombelona sy ny biby eny an-tsaha ary ny voro-manidina; eo ambany fifehezanao ireny, na aiza na aiza itoerany, ka ianao no nataon'Andriamanitra ho mpanjakan'izy rehetra; ianao izany no ilay loha volamena.

39 Hisy fanjakana malemy kokoa noho ny anao, hitsangana aorianao; avy eo dia hisy fanjakana fahatelo izay ambaran'ny halimo ka hitatra amin'ny tany manontolo.

40 Ary ny fanjakana fahefatra dia ho mafy tahaka ny vy. Tahaka ny anorotoroan'ny vy sy anapotehany ary anamontsanany ny zavatra rehetra no hanorotoroan'io fanjakana io sy hanamontsanany ireo fanjakana rehetra talohany.

41 Ary, araka ny hitanao, ny tongotr'ilay sarivongana sy ny rantsan-tongony dia tanimanga ny ampahany ary vy ny ampahany, izany hoe hizara io fanjakana io. Hisy fahamafisana toy ny an'ny vy ao aminy, satria hitanao fa ny vy dia nifangaro tamin'ny tanimanga;

42 kanefa ny rantsan-tongotra, izay vy ny ampahany ary tanimanga ny ampahany, dia maneho tahaka izany koa fa ny ampahan'io fanjakana io dia hatanjaka ary ny ampahany kosa halemy.

43 Ny vy izay hitanao nifangaro tamin'ny tanimanga dia mampiseho ihany koa fa hifangaro amin'ny fanambadiana ireo mpanjaka; nefa tsy ho mafy io fitambarana io tahaka ny tsy mahamafy ny fitambaran'ny vy amin'ny tanimanga.

44 Amin'ny andron'ireo mpanjaka ireo ilay Andriamanitry ny lanitra no hanangana fanjakana izay tsy ho rava na oviana na oviana; ary ny fiandrianany tsy ho lasan'ny firenen-kafa. Io fanjakana io no hanorotoro sy handevona ireo fanjakana rehetra talohany, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.

45 Izany no ambaran'ilay vato izay hitanao niendaka tamina tendrombohitra nefa tsy nendahan-tanana, ka nanapotika ny vy sy halimo mbamin'ny tanimanga sy volafotsy ary volamena. Nampahafantarin'Andriamanitra lehibe anao, ry mpanjaka o, izay hiseho amin'ny hoavy. Tena marina ny nofinao ary azo antoka ny heviny.

46 Dia niankohoka i Nebokadnetsara mpanjaka, ka nanome voninahitra an'i Daniela ary nampanolotra fanomezana sy zava-manitra ho azy.

47 Izay ny mpanjaka vao namaly an'i Daniela ka nanao hoe: Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon'ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa afaka nanambara tamiko izany zava-miafina izany ianao.

48 Tamin'izay ny mpanjaka dia nanandratra an'i Daniela ka nanome azy zava-tsarobidy marobe ary nanendry azy ho mpifehy amin'ny faritanin'i Babilona manontolo sy ho lehiben'ireo olon-kendry rehetra ao Babilona.

49 Noho ny fangatahan'i Daniela tamin'ny mpanjaka dia i Sadraka sy i Mesaka ary i Habeda-Negao no voatendrin'i Nebokadnetsara hitondra ny faritanin'i Babilona; fa i Daniela kosa lasa mpanolotsainan'ny mpanjaka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0563