Daniela

Toko faha-10

1 Tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Kirosa mpanjakan'i Persia, dia nisy hafatra nambara tamin'i Daniela izay nantsoina koa hoe Beltesatsara. Izany hafatra izany dia azo antoka sady nilaza fa hisy fisedrana goavana. Nodinihin'i Daniela izany hafatra izany; ary tamin'ny alalan'ny fahitana no nahafantarany ny heviny.

2 Tamin'izany andro izany, izaho Daniela dia nisaona nandritra ny telo herinandro.

3 Tsy nihinana sakafo matsiro aho, ary tsy nanendry hena sy divay sady tsy nihosotra zava-manitra mandra-pahatapitr'ireo telo herinandro ireo.

4 Ny tenako tamin'ny volana voalohany, fony andro faha-24, dia teo amoron'ny ony lehibe, izany hoe i Tigra.

5 Ary nampifantoka ny masoko hijery aho ka nahita lehilahy iray niakanjo rongony fotsy sady nanao fehikibo volamena madio avy any Ofaza.

6 Tahaka ny vatosoa no fijerena ny tenany ary tahaka ny tselatra no famirapiratry ny tarehiny, toy ny fanilo mirehitra ny masony, toy ny halimo manganohano ny tanany sy ny tongony, ary ny feony dia tahaka ny feon'olona marobe.

7 Ary izaho Daniela irery ihany no nahita ny fahitana, fa ireo olona izay niaraka tamiko dia tsy nahita izany; kanefa raiki-tahotra mafy izy ireo ka nandositra niery.

8 Ary izaho irery sisa nijanona ka nahita io fahitana lehibe io; dia tsy nisy hery intsony tato amiko, nivaloarika sy nihasimba ny tarehiko, fa tsy nanan-kery intsony aho.

9 Ary reko ihany ny tenin-dralehilahy; kanefa raha nandre ny feony aho, dia torana nihohoka tamin'ny tany.

10 Dia indro nisy tanana nanohina sy nampiarina ahy handohalika sy hitehin-tanana.

11 Ary hoy izy tamiko: Ry Daniela, fatra-pitia anao Andriamanitra, ka fantaro izao teny ambarako anao izao; ary mijoroa eo amin'ny toeranao, satria nirahina hankety aminao aho ankehitriny. Rehefa voalazany tamiko izany teny izany, dia nitsangana aho nefa mbola nangozohozo ihany.

12 Ary hoy koa izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela, fa hatramin'ny andro voalohany nanoloranao ny fonao hahafantatra izay niseho sy nanetrenao tena teo anatrehan'Andriamanitra, dia nohenoina ny tonombavakao ka tonga aho hitondra ny valiny.

13 Fa ny anjely mpiaro ny fanjakan'i Persia dia nanohitra ahy nandritra ny 21 andro; nefa indro i Mikaela, anankiray amin'ireo anjely lohalaharana indrindra, no tonga hanampy ahy; ka dia izaho sisa tafajanona teo anilan'ireo mpanjakan'i Persia.

14 Koa tonga aho ankehitriny hampahafantatra anao izay hanjo ny firenenao amin'ny andro farany, satria mbola hisy koa fahitana iray momba izany andro izany.

15 Raha mbola nilaza ireo teny ireo tamiko izy, dia niondrika tamin'ny tany aho fa tsy nahateny.

16 Fa indro nisy anankiray nanana endrik'olombelona nanendry ny molotro; dia nanoka-bava aho ka niteny tamin'ilay nitsangana teo anilako hoe: Noho ny fahitana, tompoko, dia nitebiteby aho ka tsy nanan-kery intsony.

17 Ahoana moa no hahafahako hiteny aminao, tompoko, kanefa izaho ankehitriny tsy manan-kery intsony sady tsy avy miaina?'

18 Ary ilay nanana endrik'olombelona mbola nanendry ahy indray ka nampahery ahy

19 sady nanao tamiko hoe: Aza matahotra! Fara-pitia anao Andriamanitra, ka fiadanana ho anao! Mahereza ary mahatanjaha!Koa arakaraky ny nitenenany tamiko no nampahatanjaka ahy, ka hoy aho taminy: Aoka ary hiteny ianao, tompoko, satria efa nampahery ahy?

20 Dia hoy indray izy hoe: Moa fantatrao ve ny antony nahatongavako aty aminao? Ny hanambara aminao izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny fahamarinana. Fa ankehitriny hiverina hiady amin'ny anjely mpiaro an'i Persia aho; ary iny aho hanainga iny, dia indro avy ny anjely mpiaro an'i Gresy. Nefa tsy misy manampy ahy hanohitra azy anankiroa afa-tsy i Mikaela anjely mpiaro anareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0644