Daniela Grika
Toko faha-14
1 Rehefa voaangona tany amin'ny razany i Astoaga mpanjaka, dia i Kirosa avy any Persia no nandimby azy.2 Nitokian'ny mpanjaka i Daniela sady nalaza mihoatra noho ireo mpanolotsaina namany hafa rehetra.
3 Nanana sampy anankiray natao hoe Bela ny Babilonianina. Isan'andro izy dia nandaniany lafarinina dimanjato kilao eo ho eo sy ondry efapolo ary divay 250 litatra eo ho eo.
4 Nanasina azy io ny mpanjaka, ka tonga mivavaka aminy isan'andro. I Daniela kosa nivavaka tamin'ny Andriamaniny, ka indray andro dia nanontanian'ny mpanjaka hoe:-Nahoana ianao no tsy mba mivavaka amin'i Bela?
5 Ary hoy ny navalin'i Daniela: -Tsy ireo sampy nataon-tanan'olona no ivavahako fa ilay Andriamanitra velona Izay nahary ny lanitra sy ny tany sady manam-pahefana amin'ny miaina rehetra ihany.
6 Dia nanontany azy indray ny mpanjaka hoe: -Moa ve ataonao fa tsy mba andriamanitra velona i Bela? Tsy hitanao angaha ireo zavatra rehetra haniny sy sotroiny isan'andro ireo?
7 Sady nihomehy i Daniela no niteny hoe: -Aza diso hevitra ianao, ry mpanjaka, fa tanimanga no nanaovana ny atin'io ary halimo kosa ny ivelany ; ary tsy mbola nihinana na nisotro na inona na inona izy.
8 Vinitra ny mpanjaka ka niantso ny mpisorona sady nanao taminy hoe: -Raha tsy ambaranareo amiko izay mihinana ireny zavatra rehetra aterina ho an'i Bela ireny, dia hataoko maty ianareo.
9 Fa raha voaporofonareo amiko kosa fa i Bela ihany no mihinana ireny, dia i Daniela no ho faty, satria sahy nanevateva an'i Bela izy. Ary hoy i Daniela tamin'ny mpanjaka: -Ho tanterahina anie ny teninao!
10 Nisy fitopolo ny mpisoron'i Bela afa-tsy ireo vadiny aman-janany. Nony tonga tao amin'ny tempolin'i Bela ny mpanjaka niaraka tamin'i Daniela,
11 dia hoy ireo mpisoron'i Bela: -Hivoaka ny tempoly izahay, ry mpanjaka; fa asaovy apetraka eo amin'ny latabatra kosa ny hanina mbamin'ny divay mifangaro, dia hidio ny varavarana ka asio ny tombokasenao.
12 Koa raha miverina ianao rahampitso maraina ka mahita fa nisy tsy nohanin'i Bela ireny rehetra ireny, dia hatao maty izahay. Fa raha ny mifanohitra amin'izany kosa, dia i Daniela no ho faty satria niampanga lainga anay izy.
13 Tsy nanahy kely akory ireo mpisorona, satria efa nanao lala-miafina mankao ambanin'ny latabatra izy mba hahafahany miditra malalaka ao amin'io efitra io haka ny fanatitra.
14 Raha vao tafavoaka ireo mpisorona, dia nasain'ny mpanjaka napetraka teo anoloan'i Bela ny hanina natokana ho azy. Avy eo nobaikoin'i Daniela ny mpanompony mba hitondra lavenona, ka nafafifafiny manerana ny tempoly teo imason'ny mpanjaka irery. Taorian'izany dia nivoaka ny trano izy rehetra; nohidina ny varavarana sady nasiana ny tombokase manokan'ny mpanjaka, ary lasa izy nandeha.
15 Nandritra ny alina, dia tonga araka ny fanaony ireo mpisorona nombam-bady aman-janaka nihinana sy nisotro izay rehetra naterina teo.
16 Ny ampitso dia nifoha maraina ny mpanjaka, ka nankany amin'ny tempoly niaraka tamin'i Daniela.
17 Ary hoy izy taminy: -Tsy nisy nanohinana ve ny fitombokase, ry Daniela? Ka hoy ny navalin'i Daniela: -Tsia, ry mpanjaka!
18 Raha vao novohana ny varavarana, dia nojeren'ny mpanjaka ny latabatra sady niantsoantso mafy izy nanao hoe: -Lehibe ianao, ry Bela , sady tsy misy fitaka mihitsy ao aminao!
19 Nihomehy kosa i Daniela ary nisakana ny mpanjaka tsy hitsofoka ao amin'ny tempoly izy no niteny taminy hoe: -Mba diniho kely ange ny gorodona e! Fantaro mba dian'iza moa ireo?
20 Ka hoy ny mpanjaka: -Dian-tongo-dehilahy sy zaza amam-behivavy no hitako!
21 Vinitra ny mpanjaka, ka nampisambotra ireo mpisorona mbamin'ny vadiny aman-janany. Dia nasehon'ireo mpisorona azy ny lala-miafina izay nahafahany mitsofoka ao amin'ny tempoly hihinana izay zavatra naterina teo amin'ny latabatra.
22 Dia nasain'ny mpanjaka novonoina ho faty ireo, ary natolony an'i Daniela ny sarivongan'i Bela ka nopotehiny mbamin'ny tempoliny.
23 Nisy dragona lehibe koa izay nivavahan'ny Babilonianina.
24 Dia hoy ny mpanjaka indray andro tamin'i Daniela: -Tsy hilaza amiko ianao fa tsy andriamanitra velona koa izy io. Koa mivavaha aminy!
25 Dia hoy i Daniela: -Ny TOMPO Andriamanitro ihany no hivavahako , fa Izy irery no Andriamanitra velona!
26 Koa raha omenao lalana aho, ry mpanjaka, dia hovonoiko ho faty tsy amin-tsabatra na tehina io dragona io. Ka novalian'ny mpanjaka hoe: -Omeko lalana ianao.
27 Dia naka ditin-kazo sy jabora ary volo i Daniela ka nampangotrahiny avokoa sy nataony bolabola dia natsipiny tao am-bavan'ny dragona. Rehefa nitelina izany ilay dragona, tonga dia nitsitra teo noho eo. Dia hoy i Daniela:-Jereo fa izao ny zavatra izay nivavahanareo!
28 Raha nandre izany ny Babilonianina, dia tezitra mafy ka nanao fihetsiketsehana hanoherana ny mpanjaka sady nihorakoraka hoe: "Efa tonga Jiosy ny mpanjaka, fa noravany ny sarivongan'i Bela, novonoiny ho faty ny dragona ary naringany ny mpisorona!"
29 Dia nankany amin'ny mpanjaka ireo ka nanao taminy hoe: -Atolory anay i Daniela; fa raha tsy izany, dia ianao mbamin'ny fianakavianao no hataonay maty.
30 Tsapan'ny mpanjaka fa norahonana mafy izy, koa dia voatery nanolotra azy an'i Daniela.
31 Natsipin'ireo Babilonianina tao an-davaky ny liona i Daniela ary nijanona tao nandritra ny enina andro.
32 Nisy liona fito tao an-davaka izay nomena fatin'olona roa sy ondry roa isan'andro. Nefa tamin'ity, dia tsy nomena na inona na inona ireo mba hihinana ny an'i Daniela.
33 Sendra tao amin'ny tanin'i Joda kosa i Habakoka mpaminany tamin'izay. Avy nahandro lasopy izy ka nanao izany tao anaty lovia tsatokaty niaraka tamin'ny poti-mofo ary nitondra izany ho an'ny mpijinja any an-tsaha.
34 Dia hoy ilay anjelin'ny TOMPO tamin'i Habakoka: -Ento any amin'i Daniela ny sakafo eny aminao iny, fa any Babilona ao an-davaky ny liona izy izao.
35 Fa hoy ny navalin'i Habakoka: -TOMPO o, tsy mbola nahita an'i Babilona aho ary tsy fantatro akory izany lavaka izany.
36 Dia noraisin'ilay anjely tamin'ny volony izy, ka nentiny tahaka ny tadio hatrany Babilona ary napetrany teo amoron'ny lavaka.
37 Niantsoantso kosa i Habakoka nanao hoe: -Ry Daniela o, ry Daniela o, indro raiso ny sakafo nalefan'Andriamanitra ho anao!
38 Ka hoy i Daniela: -Notsarovanao tokoa aho, Andriamanitra o! Fa tsy mba nilaozanao izay tia anao !
39 Dia nitsangana i Daniela ka nihinana, fa ilay anjelin'ny Tompo kosa namerina an'i Habakoka tany amin'ny taniny.
40 Ny andro fahafito, dia tonga hitomany an'i Daniela ny mpanjaka. Saingy raha nankeo amin'ny lavaka izy ka nijery ny tao anatiny, dia nahita an'i Daniela mipetraka soa aman-tsara.
41 Niantso mafy ny mpanjaka ka nanao hoe: -Lehibe Ianao, ry TOMPO Andriamanitr'i Daniela! Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Ianao irery ihany!
42 Dia nasain'ny mpanjaka nesorina tao an-davaka izy. Fa ireo izay nikendry hahafaty azy kosa no nasainy natsipy tao, ka voarapaky ny liona vetivety foana teo imasony.