3 Jôhany

Toko faha-5

1 Avy amiko loholona ity taratasy ity. Mamangy anao aho, ry Gaio, hava-malala izay tiako marina tokoa.

2 Mangataka amin'Andriamanitra aho, rahavako, mba hambinina amin'ny zavatra rehetra ianao ary mba ho salama tsara, tahaka izay anambinana anao ara-panahy.

3 Faly tokoa aho, fony nisy havana iray finoana tonga ka nijoro ho vavolombelona nanambara tamiko fa mifikitra amin'ny hafatra marim-pototra ianao, araka ny efa iainanao an'izany.

4 Tsy misy mahafaly ahy mihoatra noho ny andrenesako fa miaina ny hafatra marim-pototra ireo zanako.

5 Asan'olona mahatoky, rahavako, no ataonao na inona na inona tontosainao amin'ny havana iray finoana, na dia vahiny mandalo aza izy.

6 Ireo no nanambara teo anatrehan'ny Fiangonana izany fitiavanao izany. Dia ho soa no hataonao, raha manatitra sy mamatsy azy ireo amin'ny diany ianao, araka izay fomba mendrika an'Andriamanitra;

7 fa ho voninahitr'i Kristy no niaingan'ireo sady tsy anekeny handray na inona na inona avy amin'ny tsy kristianina.

8 Koa isika no tokony hanohana ny olona toy ireny mba ho mpiara-miasa aminy hampiely ny hafatra marim-pototra.

9 Efa nanoratra tamin'ny Fiangonana ihany aho; saingy i Diotrefa, izay te hanjakazaka olona, no tsy nankato anay.

10 Noho izany, rehefa tonga aho, dia hotsarovako ny asa ataony, amin'izy mibedibedy foana manaratsy anay; sady tsy afa-pon'izany, fa ny tenany tsy mety mandray ireo havana iray finoana, ary izay te handray ireo koa sakanany sy roahiny hiala amin'ny Fiangonana.

11 Aza maka tahaka ny ratsy, rahavako, fa ny tsara. Izay manao ny tsara no avy amin'Andriamanitra; izay manao ny ratsy kosa tsy mba nahita an'Andriamanitra.

12 Ny amin'i Demetry dia ny olona rehetra sy ny hafatra marim-pototra iainany no vavolombelon'ny mahatsara laza azy. Izahay koa dia vavolombelon'izany, ary fantatrao fa azo antoka ny fijoroanay ho vavolombelona.

13 Manan-javatra maro hosoratana aminao aho, nefa tsy tiako hatao amin'ny ranomainty sy ny penina izany.

14 Fa manantena hahita anao faingana aho, ka dia hiresaka hifanatrika isika.

15 Ho aminao anie ny fiadanana! Manao veloma anao ireo sakaiza aty. Veloma any amin'ireo sakaiza tsirairay avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0561