2 Timôty
Toko faha-4
1 Izao no anafatrafarako anao mafy eo anatrehan'Andriamanitra sy eo anatrehan'i Kristy Jesoa, Ilay hitsara ny velona sy ny maty, ary koa noho ny andro hisehoan'i Kristy sy hahatongavan'ny Fanjakany:2 torio ny tenin'Andriamanitra, ka mazotoa amin'izany na handray azy ny olona na tsy handray, mandrese lahatra, mananara mafy, mampirisiha omban'ny fahari-po sy ny fahaiza-mampianatra hatrany.
3 Eny, ho avy ny andro tsy hahazakan'ny olona intsony ny fampianarana tsy misy tomika; fa mpampianatra araka ny maha diavolana ny fony no havoriny ho azy sy hahalian-tsofina azy.
4 Tsy hihaino ny fampianarana marim-pototra intsony ny olona fa hiala amin'izany ka hivily lalana ho amin'ny anganongano.
5 Fa ianao kosa, aoka hahafehy tena amin'ny zavatra rehetra, zakao ny fijaliana, tontosao ny asa maha mpitory Vaovao Mahafaly anao, ataovy lavorary ny fanompoanao amin'Andriamanitra.
6 Fa izaho moa dia efa halatsa-dra ho sorona araraka, efa mby akaiky ny fotoanandro hialako amin'izao fiainana izao.
7 Ny ady tsara no efa vitako, tratrako ny tanjon'ny fihazakazahana, voatanako ny finoana.
8 Ka ny miandry ahy izao dia ny satroboninahi-pandresena natokana ho an'izay manao ny marina. Ny Tompo, ilay mpitsara ara-drariny, dia hanome ahy izany satroboninahi-pandresena izany amin'ny andro fitsarana; ary tsy izaho ihany no homeny izany, fa izay rehetra miandry am-pitiavana ny hisehoany koa.
9 Ataovy mihitsy izay hahatongavanao faingana aty amiko.
10 Fa i Damasy efa nandao ahy, satria mankamamy an'izao fiainana ankehitriny izao izy ka lasa nankany Tesalonika. I Kresensa dia lasa any Galatia ary i Tito any Dalmatia.
11 I Lioka no hany eto amiko. Alao i Marka ary ento miaraka aminao, fa afaka manampy ahy amin'ny raharaha izy.
12 Nirahiko ho any Efeso i Tisiko.
13 Rehefa mankaty ianao, dia ento ilay akanjobe tavelako tao amin'i Karpo tany Troasy; ento koa ireo bokiko, indrindra ireo boky hoditra.
14 Raha i Aleksandra mpanefy varahina, dia betsaka ny ratsy nafitsony ahy; ny Tompo no hamely azy araka izay vitany.
15 Mitandrema koa ianao aminy, fa notoheriny mafy tokoa ny teninay.
16 Fony aho nandaha-teny hiarovako tena tamin'ny voalohany, dia tsy nisy nomba ahy fa nandao ahy avokoa ny olona. Tsy hotanan'Andriamanitra ho hadisoany anie izany!
17 Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan'ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan'ny liona aho.
18 Hanafaka ahy amin'ny asa ratsy rehetra afitsoka ahy ny Tompo ka hampandroso ahy soa aman-tsara ao amin'ny Fanjakany any an-danitra. Ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay! Amen.
19 Veloma any amin'i Prisila sy i Akoila, ary any amin'ny ankohonan'i Onesiforo.
20 Nijanona any Korinto i Erasta; ary i Trofimo dia navelako ao Mileto fa narary.
21 Ataovy mihitsy izay hahatongavanao aty alohan'ny ririnina. Manao veloma anao i Eobola sy i Podensa, i Lino sy i Klaodia ary ny havana rehetra iray finoana.
22 Homba anao anie ny Tompo! Homba anareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra!