2 Timôty
Toko faha-2
1 Koa ianao, anaka, dia aoka hihahery amin'ny alalan'ny fahasoavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa.2 Ireo zavatra efa renao tamiko teo anatrehan'ny vavolombelona maro dia ankino amin'ny olona mahatoky, izay afaka mampianatra ny sasany koa.
3 Aoka hiaritra fijaliana miaraka amiko ianao, toy ny miaramila tsaran'i Kristy Jesoa.
4 Ny miaramila miantafika dia tsy maningo-tena amin'ny raharaha fanaom-bahoaka, raha te hankasitrahin'izay mandatsaka azy hiantafika.
5 Ny mpanao fanatanjahan-tena dia tsy mahazo satroboninahi-pandresena raha tsy manezaka araka ny fitsipika.
6 Ny mpamboly izay misasatra no tokony ho voalohany mandray izay anjarany amin'ny vokatra.
7 Saino izay lazaiko, fa homen'ny Tompo fahazavan-tsaina momba ny zavatra rehetra ianao.
8 Tsarovy i Jesoa Kristy, Izay nipoitra avy amin'ny taranak'i Davida sady efa nitsangana velona avy tany amin'ny maty, araka ny Vaovao Mahafaly toriko.
9 Noho ny fitoriako izany Vaovao Mahafaly izany no ijaliako, ary igadrako toy ny mpanao ratsy aza. Kanefa ny tenin'Andriamanitra tsy mba voagadra.
10 Izany no iaretako ny mafy rehetra ho fanasoavana ireo olomboafidin'Andriamanitra, mba hahazoan'ireo koa famonjena, dia ilay ao amin'i Kristy Jesoa, mbamin'ny voninahitra maharitra mandrakizay.
11 Azo antoka izao teny izao: Raha niara-maty tamin'i Kristy isika, dia hiara-belona aminy koa;
12 raha miaritra ny mafy isika, dia hiara-manjaka aminy koa; fa raha lavintsika Izy, dia mba holaviny koa isika;
13 raha mivadika aminy isika, Izy dia mahatoky hatrany satria tsy afa-manda ny tenany.
14 Izany zavatra izany no ampahatsiarovy ny olona, ka anaro mafy eo anatrehan'Andriamanitra izy mba tsy hiady teny; satria tsy mahasoa izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.
15 Mikeleza aina mba ho olona voazaha toetra eo imason'Andriamanitra, ka ho mpiasa tsy mahazo henatra amin'ny asany, mamoaka tsara ny teny momba ny fampianarana marim-pototra.
16 Halaviro ny taria poaka aty sady manazimba fivavahana; fa ny mpanao ireny dia vao mainka handroso amin'ny haratsiam-panahy.
17 Ary ny fampianaran-dry zareo dia toy ny vay homamiadana mandany ny nofo. Isan'ireny ry i Himeneo sy i Fileto:
18 efa nivaona niala tamin'ny fampianarana marim-pototra izy roa lahy sady manimba ny finoan'ny sasany, raha milaza fa zavatra efa tanteraka sahady ny fitsanganantsika ho velona.
19 Kanefa ny fanorenana mafy nataon'Andriamanitra dia miorina tsara sady voasokitra eo ny teny hoe: Fantatry ny Tompo ireo Azy, sy ny hoe Aoka hiala amin'ny ratsy avokoa ny olona rehetra mitonona ho mpanaja ny Tompo!
20 Tsy dia fanaka volamena sy volafotsy ihany no ao anaty lapa soa anankiray fa misy fanaka hazo sy tanimanga koa; iretsy voalohany dia fanaka mihaja fa ireto faharoa kosa dia fanaka tsotsotra.
21 Izay olona miezaka hadio fo ka miala amin'ireo haratsiana ireo dia ho tahaka ny fanaka mihaja, satria voatokana ho an'ny Tompo izy sady misy ampiasany azy ary voavoatra hanao asa soa isan-karazany.
22 Andosiro ny zava-dratsy ironan'ny tanora fanahy; fa aoka ny rariny, ny finoana, ny fitiavana ary ny fihavanana no hiarahanao mikatsaka amin'ireo olona miantso ny Tompo amin'ny fo mahitsy.
23 Aza miraharaha izay fanontaniana adaladala sy tsy misy heviny, satria fantatrao fa mahatonga ady izany;
24 fa ny mpanompon'ny Tompo dia tsy tokony ho fiadina, fa tokony halemy fanahy amin'ny olona rehetra, hahay mampianatra, hahalefitra,
25 ho mora fo raha mananatra ny mpanohitra azy: hataon'Andriamanitra miala amin'ny toe-dratsy angamba ireny mpanohitra ireny mba hahalala ny fampianarana marim-pototra;
26 ary hody ny sain'ireo ka ho afaka amin'ny fandriky ny devoly izay nanao azy sambo-belona hanaraka ny sitrapony.