2 Timôty
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity, dia izaho apostolin'i Kristy Jesoa noho ny sitrapon'Andriamanitra mba hitory ny fiainana nampanantenaina izay ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa.2 Mamangy anao aho, ry Timoty zanako malala. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny famindrampo ary ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Tompontsika!
3 Velom-pisaorana an'Andriamanitra aho, dia Andriamanitra Izay tompoiko amin'ny fieritreretana mahitsy toy ny nataon'ireo razako. Velom-pisaorana Azy aho rehefa mahatsiaro anao tsy tapaka amin'ny fivavahana ataoko andro aman'alina.
4 Tsaroako ny ranomasonao, ka tsy andriko mihitsy ny hahitako anao mba ho safononoka ny hafaliako.
5 Tsahiviko ny finoana tsy mihatsaravelatsihy izay ao anatinao, dia ilay finoana efa nananan'i Loisa renibenao sy i Eonika reninao talohanao. Azoko antoka fa anananao koa izany.
6 Izany no ampahatsiarovako ny hamelombelomanao indray ilay fanomezam-pahasoavana narotsak'Andriamanitra tao anatinao, fony aho nametra-tanana taminao.
7 Tsy mba fanahy mahatonga ho kanosa no efa nomen'Andriamanitra antsika, fa ilay Fanahiny mahatonga antsika ho feno hery sy be fitiavana ary mahay mifehy tena.
8 Koa aza menatra ny ho vavolombelon'ny Tompontsika; aza menatra ny amiko ihany koa, dia izaho voafonja noho ny aminy. Fa aoka hiaretanao fijaliana miaraka amiko ny Vaovao Mahafaly, araka ny hery omen'Andriamanitra anao.
9 Andriamanitra no namonjy antsika sy niantso antsika ho vahoakany, tsy noho ny asa vitantsika fa noho ny fandaharan'ny tenany ihany ary noho ny fahasoavany. Efa nomeny antsika tao amin'i Kristy Jesoa izany fahasoavana izany, fony tsy mbola nisy ary akory izao rehetra izao;
10 kanefa naharihariny antsika ankehitriny tamin'ny nisehoan'ilay Mpamonjy antsika, dia i Kristy Jesoa Izay nanafoana ny herin'ny fahafatesana sy nanambara mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana tamin'ny alalan'ny Vaovao Mahafaly.
11 Ny hitory izany Vaovao Mahafaly izany no nanendren'Andriamanitra ahy ho apostoly sy ho mpampianatra;
12 ary izany koa no antony iaretako izao fijaliana izao. Kanefa tsy mahakivy ahy izany, satria fantatro Ilay nametrahako ny fitokiako ary azoko antoka fa Izy dia mahatahiry ilay raki-tsoa nankininy tamiko mandra-piavin'ny andro fitsarana.
13 Ireo teny efa renao tamiko no ataovy fenitra ho anao, ka tano mafy amin'ny finoana sy ny fitiavana ananantsika tafaray amin'i Kristy Jesoa.
14 Ny Fanahy Masina Izay mitoetra ao anatintsika no itahirizo ilay raki-tsoa nankinina taminao.
15 Fantatrao fa efa nandao ahy ry zareo rehetra any Azia, ka isan'ireny ry i Figelo sy i Hermozena.
16 Ny Tompo anie hamindra fo amin'ny ankohonan'i Onesiforo fa namelombelona ny fanahiko matetika izy sady tsy nahamenatra azy ny figadrako!
17 Fa nony tonga teto Roma i Onesiforo, dia nazoto nitady ahy; ka tsy navelany aho, raha tsy hitany.
18 Mba hataon'ny Tompo hahita ny famindrampony anie izy amin'ny andro fitsarana! Fantatrao tsara dia tsara koa ny fikarakarana rehetra nataony tamiko tao Efeso.