2 Tesalônisianina
Toko voalohany
1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity. Mamangy anareo isan'ny Fiangonana aty Tesalonika, izay tafaray amin'Andriamanitra Raintsika sy i Jesoa Kristy Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timoty.2 Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo!
3 Tsy maintsy velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay, ry havana, noho ny aminareo. Mendrika hataonay izany satria mandroso fatratra ny finoanareo ary mitombo hatrany ny fifankatiavanareo rehetra.
4 Izany no mahatonga anareo ho reharehanay manerana ireo Fiangonan'Andriamanitra, noho ianareo manam-paharetana sy mino hatrany eo anivon'ny fanenjehana sy fahoriana rehetra mianjady aminareo.
5 Porofo izany fa mitsara ara-drariny Andriamanitra, satria vokatr'izay mianjady aminareo dia hatao mendrika ny Fanjakan'Andriamanitra ianareo, sady io Fanjakan'Andriamanitra io no anton'ny iaretanareo fijaliana.
6 Satria izao no ara-drariny amin'Andriamanitra: hovaliany fahoriana ireo mpampahory anareo,
7 ary homeny fialan-tsasatra miaraka aminay ianareo ampahorina. Ho tonga izany amin'ny andro hisehoan'i Jesoa Tompo avy any an-danitra, otronin'ireo anjely mitory ny heriny;
8 voahodidin'afo miredareda Izy no tonga hanasazy ireo tsy mahalala an'Andriamanitra sady tsy manaiky ny Vaovao Mahafaly momba an'i Jesoa Tompontsika.
9 Fahaverezana maharitra mandrakizay no sazy hihatra amin'ireo, ka tsy hifanatri-tava amin'ny Tompo sy ho lavitry ny heriny heni-boninahitra ireo
10 amin'ilay andro hahatongavan'ny Tompo mba homen'ny vahoakany voninahitra sady higagan'izay rehetra mino Azy. Ho isan'ireto hanome voninahitra ny Tompo ireto koa ianareo, satria nino ny fijoroanay ho vavolombelona nanambara Azy taminareo.
11 Izany no ivavahany lalandava ho anareo. Koa mangataka amin'Andriamanitsika izahay mba hataony mendrika ny fiainana niantsoany anareo ianareo. Mangataka izahay mba ho tanterahiny amin-kery avokoa ny fanirianareo hanao soa ary hataony lavorary koa ny asa ateraky ny finoanareo;
12 dia homenareo voninahitra ny anaran'i Jesoa Tompontsika, sady ianareo koa homeny voninahitra. Izany no vokatr'ilay fahasoavana avy amin'ilay Andriamanitsika sy i Jesoa Kristy Tompo.