2 Petera

Toko faha-3

1 Ry hava-malala, ity izao no taratasy faharoa soratako ho anareo.

2 Izy roroa dia samy entiko hampahatsiarovan-javatra anareo sy hanaitaitra ny eritreritra mahitsy anananareo; ka dia hotsarovana ny zavatra voalazan'ny mpaminany masina fahiny mbamin'ny didy nomen'ny Tompo sy Mpamonjy, didy izay nentin'ireo apostoly nirahina ho aty aminareo.

3 Izao no aoka ho fantatrareo voalohany indrindra: amin'ny andro farany dia hisy mpaniratsira tonga haniratsira anareo, dia olona miaina araka ny filandratsiny

4 ka hilaza hoe: Aiza ity fampanantenan'ny Tompo momba ny fiaviany? Efa nodimandry manko ny razantsika, kanefa ny zavatra rehetra dia maharitra tsy miova toy ny hatramin'ny nahariana an'izao tontolo izao ihany!

5 Eny, inian'ireo mpaniratsira ireo hadinoina fa hatramin'ny ela Andriamanitra no niteny nampisy ny habakabaka sy ny tany; ka ny tany dia nipoitra avy amin'ny rano sady ny rano koa no nampirafitra azy ho mafy.

6 Rano ihany koa no nandravana izao tontolo izao fahiny, dia tamin'ny safodrano.

7 Izao habakabaka sy tany ankehitriny izao kosa dia mbola ny tenin'Andriamanitra no mihazona azy, ka voatahiry hodorana amin'ny andro fitsarana izay natao hamerezana ny olona tsy niraiki-po tamin'Andriamanitra.

8 Kanefa izao zavatra izao, ry hava-malala, no aoka tsy hohadinoinareo: amin'ny Tompo, ny indray andro dia toy ny arivo taona, ary ny arivo taona dia toy ny indray andro.

9 Koa tsy ahemotry ny Tompo araka ny hevitry ny sasany akory ny fampanantenany: saingy mahari-po aminareo Izy, satria tsy tiany hisy ho very fa mba hiroso hiala amin'ny toe-dratsy avokoa ny olona rehetra.

10 Ho avy tahaka ny mpangalatra ny andron'ny Tompo; ary amin'izany dia hirimorimo mafy ka hanjavona ny habakabaka sady ho levon'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy, ary hodorana avokoa ny tany sy izay taozavatra ao aminy.

11 Koa raha ho levona toy izany ary izao rehetra izao, dia ho olona tokony hanao ahoana moa ianareo amin'ny fitondrantena masina sy ny firaiketam-po amin'Andriamanitra?

12 Sady andrasanareo no hafainganinareo ny fiavian'ilay andron'Andriamanitra, izay andro hahamay ny habakabaka sy hahalevona azy ary hanempoan'ny hafanana ireo karazan-javatra ao aminy!

13 Kanefa isika, araka ny fampanantenan'Andriamanitra, dia miandry ny habakabaka vaovao sy tany vaovao izay honenan'ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.

14 Koa eo am-piandrasana izany, ry hava-malala, dia miezaha mafy mba ho tsy manan-tsiny amam-pondro ary hihavana tsara no hahitan'ny Tompo anareo.

15 Hevero fa ny fahari-pon'ny Tompontsika dia ho famonjena anareo, toy ny voasoratr'i Paoly hava-malalantsika taminareo araka ny fahendrena nomen'Andriamanitra azy.

16 Toy izany koa no ataony ao amin'ny taratasiny rehetra izay itenenany momba izany zavatra izany; amin'ireny taratasiny ireny anefa dia misy zavatra saro-pantarina izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, toy ny ataony rahateo amin'ny teny hafa raketin'ny Soratra Masina, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany.

17 Ianareo kosa, ry hava-malala, dia efa nampahalalaina izany rahateo; koa mitandrema fandrao voataonan'ny hevi-dison'ireo ratsy fanahy, ka hiala amin'izay iorenanareo.

18 Fa mitomboa fahasoavana sy fahalalana an'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika. Ho Azy anie ny voninahitra ankehitriny sy mandrakizay! Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0621