2 Petera
Toko faha-2
1 Nisy mpaminany sandoka teo amin'ny vahoaka Israely; toy izany koa no hisian'ny mpampianatra sandoka eo aminareo: hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery izy ireo sady handa ny Tompo Izay nanavotra azy, ka hitarika fahaverezana tampoka ho an'ny tenany.2 Maro no hanaraka ny fitondrantena ratsiny, ka ireny no hanevatevana ny lalana voasoritr'ilay hafatra marim-pototra.
3 Tia harena loatra ry zareo ka hataony filam-bola ianareo amin'ny fampiasana teny mamitaka; saingy hatry ny ela dia tsy mitsahatra ny fanamelohana azy ary efa hihatra aminy koa ny fahaverezana.
4 Ireo anjely, fony nanota, dia tsy namindran'Andriamanitra fo, fa noroahiny ho any amin'ny toeran'ny maty ka natolony ho ao an-davaka maizina mangitsokitsoka izay itanana azy ho amin'ny fitsarana.
5 Izao tontolo izao koa fahiny dia tsy namindran'Andriamanitra fo, satria henika olona ratsy fanahy, ka nataony tonga teo amin'izao tontolo izao ny safodrano; i Noa valo mianaka ihany no narovan'Andriamanitra, noho i Noa mpitory ny fahamarinana soritan'Andriamanitra.
6 Ny tanana Sodoma sy Gomora dia nohelohin'Andriamanitra ka noravany nanjary lavenona ary nataony fananarana ho an'ireo tsy miraiki-po aminy momba izay loza mety hihatra.
7 Nafahan'Andriamanitra kosa i Lota, izay tia ny rariny ka ory dia ory noho ny fitondrantena ratsy nasehon'ny olona tsy miraharaha lalana;
8 satria io lehilahy tia ny rariny io, fony izy nitoetra teo anivon'ireo, dia nijaly mafy tokoa tao am-pony raha nahita sy nandre isan'andro vaky ny asa ratsy vitan'ireo.
9 Araka izany, dia hain'ny Tompo ny manala ny mpiraiki-po aminy ho afaka amin'ny fitsapana manjo azy, sy ny mitahiry ny ratsy fanahy mba hosazina amin'ny andro fitsarana,
10 indrindra fa ireo nizotra nanaram-po tamin'ny filandratsin'ny maha olona mpanota sy nanamavo ny maha Tompo an'i Kristy. Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevateva ireo atao hoe voninahitra;
11 kanefa ny anjely, izay mahery kokoa sy ambony fahefana noho ireo mpampianatra sandoka ireo aza, dia tsy mitondra fiampangana hanevateva eo anatrehan'ny Tompo ireo atao hoe voninahitra.
12 Ry zareo kosa dia manahaka ny biby tsy manan-tsaina, sady entim-pahazarana no teraka ho fisambotra sy ho famono; manevateva ny zavatra tsy fantany ireo, ka dia hovonoina tahaka ny amonoana ny biby tsy manan-tsaina:
13 eny, hiharan'ny ratsy izy ireo ho tambin'ny asa ratsiny. Ny heverin'ireo ho zava-mahafinaritra dia ny manao filibana antoandrobenanahary izao; feno tsiny amam-pondro ireo fa miliba sady manodoka anareo rehefa miara-mihinana aminareo.
14 Ny haka vadin'olona ary ny tsy hitsaha-manota amin'izany no imasoany; ny mpino tsy miorina tsara, angoleny; ary liana fitiavan-karena loatra ny fony: eny, olona hiharan'ny loza nambaran'Andriamanitra ireo!
15 Efa niala tamin'ny lala-mahitsy izy ireo ka nivily nanaraka ny lalana efa nizoran'i Balahama, zanakalahin'i Behora: i Balahama dia nankamamy ny tambin'ny asa ratsiny,
16 saingy voaanatra noho ny hadisoany; fa niteny hoatra ny olona ny boriky moana, vao nahasakana ilay mpaminany tsy hikiry amin'ny hadalany.
17 Ireo mpampianatra sandoka ireo dia loharano ritra, zavona avoivoin'ny tafio-drivotra, ka ny haizim-pito no voatahiry ho azy ireo.
18 Teny manodoka sy tsy misy heviny no ataony; ka ny filandratsin'ny maha olona mpanota, dia ny fitondrantena maloto, no entiny mamitaka ny olona izay vao nandao ny fiainana diso lalana.
19 Fahafahana no ampanantenain'ireo ny olona voasodokany; kanjo ny tenany aza andevozin'ny fahazaran-dratsy, fa izay resy dia andevozin'izay naharesy azy.
20 Ary raha misy olona efa niala tamin'ny faharatsian'izao tontolo izao, noho ny fahalalana tsara an'i Jesoa Kristy Tompontsika sy Mpamonjy antsika, kanefa voasingotry ny faharatsiana indray ka resy, dia ratsy noho ny voalohany ny toetrany farany.
21 Aleo manko tsy nahafantatra ny lala-marina soritan'Andriamanitra izy, toy izay efa nahafantatra vao nihemotra mandao ny didy masina natolotra azy.
22 Efa mihatra aminy tokoa ilay ohabolana marina hoe: Ny alika no miverina amin'ny loany, ary ny hoe Ny kisoavavy voasasa no mihosim-potaka indray.