1 Timôty
Toko faha-6
1 Aoka ny mpanompo rehetra fehezin'olona hanao ny tompony ho mendri-kaja tanteraka, mba tsy hanevatevana ny anaran'Andriamanitra sy ny fampianarantsika.2 Ny mpanompo, manana tompo kristianina, dia tsy tokony hanao tsinontsinona azy satria hoe rahalahiny ihany; fa vao mainka tokony hanompo azy tsara aza, satria mpino malalany no anaovany soa. Ireo zavatra ireo no ampianaro sy ampirisiho.
3 Raha misy manao fampianarana hafa, ka tsy manaiky ny teny tsy misy tomika nambaran'i Jesoa Kristy Tompontsika sy ny fampianarana mifanaraka amin'ny fivavahantsika,
4 dia mieboebo foana ary tsy mahalala na inona na inona, fa adalan'ny fiadian-kevitra sy ny fiadian-teny; vokatr'izany: fialonana, fifandirana, fanevatevana, ahiahy ratsy,
5 ary fifanoherana tsy misy farany eo amin'ny olona efa ratsy saina sady efa tsy mahalala ny hafatra marim-pototra intsony. Heveriny fa ny fivavahana dia atao ho filan-karena.
6 Eny, harem-be tokoa ny fivavahana ho an'ny olona mahay mianina amin'izay ananany;
7 satria tsy nitondra na inona na inona isika nanketo amin'izao tontolo izao ary tsy hahatondra na inona na inona miala eto.
8 Koa rehefa mba manan-kohanina sy hitafiana isika, dia aoka hianina amin'izany.
9 Fa izay te hanan-karena, dia voan'ny fakampanahy sy ny fandriky ny filana maro tsy misy antony sady manimba, izay mandetika ny olona hihitsoka ao amin'ny fandringanana sy ny fahaverezana.
10 Fa ny fitiavam-bola no fototry ny ratsy rehetra; ny olona sasany, fatra-pitady izany, dia efa tafavily niala tamin'ny finoana, ka nandefon-tena tamin'ny fijaliana maro.
11 Fa ianao kosa, ry lehilahin'Andriamanitra, halaviro ireo zava-dratsy ireo. Katsaho ny rariny, ny firaiketam-po amin'Andriamanitra, ny finoana, ny fitiavana, ny faharetana ary ny fahalemem-panahy.
12 Miadia ny ady tsaran'ny finoana, hazony ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin'izany fiainana izany no niantsoan'Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan'ny vavolombelona maro.
13 Izao no anafatrafarako anao eo anatrehan'ilay Andriamanitra fototr'ain'ny zavatra rehetra sy eo anatrehan'i Kristy Jesoa Izay nanambara fiekem-pinoana fatratra nanoloana an'i Ponty Pilato:
14 tandremo tsy hanan-tsiny amam-pondro izany baiko izany mandra-piavin'ilay andro hisehoan'ilay Jesoa Kristy Tompontsika.
15 Fa ny hisehoan'i Kristy, amin'ny fotoana voatendry, dia hotanterahin'Andriamanitra, ilay Andriana tokana sady loharanom-pahasambarana, ilay Mpanjakan'ny mpanjaka sady Tompon'ny Tompo:
16 Izy ihany no tsy mety maty, mitoetra ao amin'ny hazavana tsy hay akaikezina; tsy misy olombelona nahita maso Azy hatrizay hatrizay, ary tsy misy afaka hahita maso Azy; ho Azy anie ny haja sy ny fanjakana mandrakizay! Amen.
17 Anaro ireo mpanankarena amin'izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona ary mba tsy hametraka ny fanantenany amin'ny harena tsy mateza, fa amin'Andriamanitra Izay manome antsika ny zavatra rehetra be dia be hifaliantsika.
18 Anaro ireo mpanankarena mba hanao soa, mba hanan-karena amin'ny asa tsara, mba halala-tanana ary mba ho vonona hifampizara amin'ny hafa;
19 dia hamory raki-tsoa ho an'ny tenany izy hanorenany tsara ny ho avy, ka hahazoany ny tena fiainana.
20 Tahirizo tsara, ry Timoty, ny raki-tsoa nankinina taminao; fadio ny taria poaka aty sady manazimba fivavahana; fadio ny fanoheran-kevitra avy amin'ilay antsoina foana hoe Fahalalana, kanjo tsy izy.
21 Nihambo hanana izany fahalalana izany ny sasany, ka nihataka tamin'ny finoana. Homba anareo anie ny fahasoavan'Andriamanitra!