1 Tesalônisianina

Toko faha-5

1 Momba ny andro sy ny fotoana hitrangan'izany, ry havana, dia tsy ilaina ny hanoratako aminareo.

2 Satria fantatrareo tsara fa ny andron'ny Tompo dia ho avy tampoka, toy ny iavian'ny mpangalatra amin'ny alina.

3 Amin'ny anaovan'ny olona hoe: Miadana sy mandry feizay ny zavatra rehetra!, amin'iny no hamely azy tampoka ny fandringanana ka tsy ho azony andosirana mihitsy, mova tsy ny fanaintainan'ny vehivavy bevohoka mihetsi-jaza.

4 Fa ianareo, ry havana, tsy mba ao amin'ny maizina, ka tsy mba hanampoka anareo toy ny mpangalatra izany andro izany.

5 Satria ianareo rehetra dia an'ny mazava sy an'ny andro; tsy mba an'ny alina isika na an'ny maizina.

6 Koa aza mba matory tahaka ny sasany, fa aoka hiambina sy hahonon-tena.

7 Fa ny alina no atorian'ny olona ary ny alina no imamoany.

8 Fa satria an'ny andro isika, dia aoka hahonon-tena ka hitafy finoana sy fitiavana ho toy ny fiarovan-tratra, ary hitafy fanantenam-pamonjena ho toy ny fiarovan-doha.

9 Fa tsy notendren'Andriamanitra hiharan'ny fahatezerany isika, fa mba hahazo famonjena amin'ny alalan'i Jesoa Kristy Tompontsika.

10 Maty ho antsika i Kristy, mba hahatonga antsika hiara-miaina aminy, na mbola velona aina isika na efa maty, amin'ny andro hiaviany.

11 Noho izany ary, mifampirisiha sy mifampahereza ianareo araka izay efa fanaonareo.

12 Mangataka aminareo izahay, ry havana, mba hanaja izay mikely aina eo anivonareo, dia izay voatendrin'ny Tompo hitarika sy hananatra anareo.

13 Fankatoavana be dia be ombam-pitiavana no asehoy azy ireo, noho ny asa tontosainy. Mihavana tsara ianareo samy ianareo.

14 Miangavy anareo izahay, ry havana: anaro ny kamo, ampaherezo ny katahotra, ampio ny osa, ary aoka hahari-po amin'ny olona rehetra.

15 Tandremo mba tsy hisy hamaly ratsy ny ratsy, fa miezaha mandrakariva hifanasoa ary hanasoa ny olona rehetra.

16 Mifalia mandrakariva;

17 mivavaha lalandava;

18 misaora an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra, fa izany no sitrak'Andriamanitra hataonareo tafaray amin'i Kristy Jesoa.

19 Aza vonoina ny asan'ny Fanahy Masina;

20 aza atao tsinontsinona ny teny ataon'ireo mpilaza hafatra avy amin'Andriamanitra;

21 diniho ny zavatra rehetra, ka tano izay tsara;

22 halaviro daholo ny zava-dratsy isan-karazany.

23 Ilay Andriamanitra loharanon'ny fiadanana anie hahatonga anareo ho voatokana tanteraka ho Azy; ka harovany avokoa anie ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo mba tsy hanan-tsiny amin'ny andro hiavian'i Jesoa Kristy Tompontsika!

24 Mitana ny toky nomeny Andriamanitra Izay miantso anareo, ka hoefainy izany.

25 Ry havana, mivavaha koa ho anay.

26 Ataovy veloma amin'ny fanoroham-pihavanana daholo ny havana rehetra iray finoana.

27 Iangaviako indrindra amin'ny anaran'ny Tompo ianareo: mba vakio amin'ny havana rehetra iray finoana ity taratasy ity.

28 Homba anareo anie ny fahasoavan'i Jesoa Kristy Tompontsika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0837