1 Tesalônisianina

Toko faha-4

1 Farany, ry havana, efa nianaranareo taminay ny fitondrantena ankasitrahin'Andriamanitra, ary efa manaraka izany rahateo ianareo. Kanefa dia izao no iangavianay sy ampirisihinay anareo amin'ny anaran'i Jesoa Tompo: manaova tsaratsara kokoa hatrany!

2 Fantatrareo rahateo ireo fepetra avy amin'i Jesoa Tompo nomenay anareo;

3 satria izao no sitrapon'Andriamanitra: mba ho masina ianareo, ka hifady ny fijangajangana.

4 Aoka samy hahay maka vady amin'ny fomba masina sy mihaja ianareo lehilahy,

5 fa tsy hobaikoin'ny filandratsy, toy ireo mpanompo sampy izay tsy mahalala an'Andriamanitra;

6 ka amin'izany raharaham-panambadiana izany, dia aoka tsy hisy olona hanao ny tsy rariny amin'ny namany na hifetsy azy. Araka ny efa voalazanay taminareo sy nameperanay mafy anareo, dia hofaizin'ny Tompo izay manao ireny karazan-javatra ireny.

7 Fa Andriamanitra tsy niantso antsika hiaina amin'ny fahalotoana fa hiaina amin'ny fahamasinana.

8 Koa izay manda izany fampianarana izany, dia tsy olona no laviny fa Andriamanitra Izay manome anareo ny Fanahiny Masina.

9 Momba ny fifankatiavan'ny samy kristianina, dia tsy ilaina ny hanoratako aminareo, satria ny tenanareo dia ampianarin'Andriamanitra hifankatia.

10 Ary efa toy izany rahateo no ifampitondranareo amin'ny kristianina rehetra eran'i Masedonia; nefa mampirisika anareo ihany izahay, ry havana, mba hanao tsaratsara kokoa hatrany.

11 Miezaha hanana fiainana tsy misy raorao ka tanteraho ny raharahanareo sy ny asa fivelomanareo, araka izay efa nameperanay anareo;

12 dia haneho fitondrantena mendrika eo anoloan'ny tsy kristianina ianareo no sady tsy hanao tanty reraka amin'ny hafa.

13 Ry havana, tianay ho fantatrareo ny marina momba ireo efa nodimandry mba tsy halahelovanareo toy ny olona sasany tsy manana fanantenana.

14 Inoantsika fa maty i Jesoa ary efa nitsangana ho velona indray; inoantsika toy izany koa fa hoentin'Andriamanitra miaraka amin'i Jesoa ireo olona nodimandry tafaray amin'i Jesoa.

15 Koa dia izao no lazainay aminareo araka ny voalazan'ny Tompo taminay: isika velona aina, sisa tavela amin'ny andro hiavian'ny Tompo, dia tsy hialoha an'ireo efa nodimandry tsy akory.

16 Hisy baiko hatao antso avo omban'ny feon'arkanjely sy ny feon-trompetran'Andriamanitra, ka ny Tompo mihitsy no hidina avy any an-danitra. Ireo olona maty tafaray amin'i Kristy no hitsangana ho velona voalohany;

17 avy eo, dia hakarina hiaraka amin'ireo ho eny amin'ny rahona koa isika velona aina sisa tavela, mba hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka; ary dia hiaraka amin'ny Tompo mandrakizay isika.

18 Koa izany teny izany ary no aoka hifampiononanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.059