1 Tesalônisianina

Toko faha-2

1 Ianareo, ry havana, dia mahalala fa tsy very maina velively ny nidiranay taty aminareo.

2 Fantatrareo koa fa taloha kelin'izay, dia nampijalina sy nalam-baraka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen'ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana.

3 Eny, ny antso nataonay dia tsy mifototra amin'ny fitaka na amin'ny fahalotoana na amin'ny fisolokiana;

4 fa Andriamanitra no efa nizaha toetra anay ka nanankina taminay ny Vaovao Mahafaly, ary dia araka izany no itenenanay: tsy mila sitraka amin'olombelona izahay, fa amin'Andriamanitra Izay mizaha toetra ny fonay.

5 Fantatrareo fa tsy nanao teny manasohaso olona izahay na nihatsaravelatsihy hanafina fitiavan-karena; Andriamanitra no vavolombelonay.

6 Tsy nitady voninahitra tamin'olombelona izahay, na taminareo na tamin'ny hafa,

7 na dia azonay natao aza ny nanampatra fahefana araka ny maha apostolin'i Kristy anay; fa teo anivonareo, dia nalemy fanahy izahay, mova tsy reny mikolokolo ny zanany naterany.

8 Noho ny fankamamianay anareo, dia tsy ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra ihany no sitrakay hampitaina aminareo, fa vonona koa izahay hahafoy na dia ny ainay aza, satria efa tonga malalanay ianareo.

9 Tsaroanareo, ry havana, ny nikelezanay aina sy nisasaranay mafy; niasa andro aman'alina izahay mba tsy hanahirana na dia olona iray taminareo aza, fony izahay nitory taminareo ny Vaovao Mahafaly avy amin'Andriamanitra.

10 Samy vavolombelonay, na ianareo na Andriamanitra, fa madio sy marina ary tsy manan-tsiny ny fitondrantenanay teo anoloanareo mpino.

11 Fantatrareo fa toy ny fitondran'ny ray ny zanany naterany no nitondranay anareo tsirairay avy:

12 nampirisika anareo izahay sy nampahery anareo ary nananatra anareo mba hanao fitondrantena mendrika an'Andriamanitra, dia ilay Andriamanitra Izay miantso anareo hiditra ao amin'ny Fanjakany sy ny voninahiny.

13 Izao koa no mahatonga anay ho velom-pisaorana tsy tapaka an'Andriamanitra: rehefa nandray ny tenin'Andriamanitra notorinay ianareo, dia tsy noraisinareo ho tenin'olombelona izany, fa noraisinareo ho tenin'Andriamanitra, araka ny tena izy, ary dia miasa ao aminareo izay mino.

14 Ianareo, ry havana, dia efa tahaka ny kristianina ao amin'ireo Fiangonan'Andriamanitra any Jodea, izay tafaray amin'i Kristy Jesoa; izay nanjo anareo tamin'ny nafitsoky ny mpiray firenena aminareo no nanjo azy ireo koa tamin'ny nafitsoky ny Jiosy.

15 Namono nahafaty an'i Jesoa Tompo sy ny mpaminany ry zareo Jiosy sady nanenjika anay; ka tsy mahazo sitraka amin'Andriamanitra ireo sady fahavalon'ny olona rehetra.

16 Sakanan-dry zareo izahay tsy hitory amin'ny hafa firenena ilay hafatra mitondra famonjena, hany ka mihafeno hatrany ny fatran'ny fahotana vitan'ny Jiosy, kanjo, tamin'ny farany, dia niharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ireo.

17 Ary izahay, ry havana, hatramin'ny nahatafasaraka anay vetivety taminareo izay lavitry ny masonay fa tsy lavitry ny fonay, dia maniry mafy mihitsy hahita anareo, ka manao izay azonay atao hahatanteraka izany.

18 Indray mandeha na indroa izahay no te hiverina taty aminareo, indrindra fa izaho Paoly, nefa dia voasakan'i Satana.

19 Satria tsy iza fa ianareo ihany no fanantenanay sy hafalianay ary satroboninahi-pandresena hireharehanay eo anatrehan'i Jesoa Tompontsika, amin'ny andro hiaviany.

20 Eny, voninahitray sy hafalianay tokoa ianareo!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0561