1 Tesalônisianina

Toko voalohany

1 Avy amiko Paoly ity taratasy ity. Mamangy anareo isan'ny Fiangonana aty Tesalonika, izay tafaray amin'Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy Tompo, aho. Mamangy anareo koa i Silasy sy i Timoty. Ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana!

2 Velom-pisaorana mandrakariva an'Andriamanitra izahay ny aminareo rehetra, rehefa mahatsiaro amin'ny vavaka ataonay.

3 Tsaroanay tsy tapaka eo anatrehan'ilay Andriamanitsika sady Raintsika ny asa ateraky ny finoanareo, ny fikelezana aina asesiky ny fitiavanareo, ary ny faharetana vokatry ny fanantenanareo an'i Jesoa Kristy Tompontsika.

4 Fantatray, ry havana, fa efa notiavin'Andriamanitra ianareo ary efa nofidiny mba ho Azy.

5 Eny, ny Vaovao Mahafaly torinay dia tonganay taty aminareo, tsy tamin'ny teny fotsiny ihany fa tamin'ny hery aman'asan'ny Fanahy Masina mbamin'ny fankatoavanay tanteraka ny Vaovao Mahafaly. Fantatrareo koa ny fiaimpiainanay fony izahay taty aminareo ho fanasoavana anareo.

6 Sady nanahaka anay sy ny Tompo ianareo; fa na dia be aza ny fahoriana nanjo anareo, dia nandray ny tenin'Andriamanitra tamin'ny hafaliana avy amin'ny Fanahy Masina ianareo.

7 Koa dia tonga ohatra ho an'ny mpino rehetra eran'i Masedonia sy i Akaia ianareo.

8 Nanako avy teo aminareo ny tenin'ny Tompo, ka tsy hoe nanerana an'i Masedonia sy i Akaia ihany, fa niely hatraiza hatraiza koa ny lazan'ny finoanareo an'Andriamanitra; hany ka tsy mila ny hilazanay intsony ny olona.

9 Fa izy rehetra dia milaza ny momba anay ka mitantara ny nidiranay taty aminareo sy ny nialanareo tamin'ny sampinareo ka nitodihanareo tamin'Andriamanitra, mba hanompoanareo ilay Andriamanitra velona sady marina.

10 Andrasanareo koa ny hahatongavan'ny Zanany avy any an-danitra, dia i Jesoa Izay efa natsangany ho velona avy tany amin'ny maty sady mpanafaka antsika amin'ilay fahatezeran'Andriamanitra ho avy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0585