1 Petera

Toko faha-3

1 Toy izany koa, ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo; ka raha tahiny misy tsy mety mino ny tenin'Andriamanitra, dia mba ho voataonan'ny fitondrantenan'ny vavy izy; na tsy misy teny lazainareo aza, dia ho voataona izy

2 rehefa mahita ny fitondrantenanareo madio sy feno fanajana azy.

3 Aoka ny haingonareo tsy ho zavatra ivelany fotsiny, toy ny taovolo sy ny firava-bolamena ary ny didy akanjo;

4 fa aoka ny haingonareo ho zavatra miafina ao am-po, dia ny haingo tsy mety simba vokatry ny halemem-panahy sy ny toetra tony: izany no tena sarobidy eo imason'Andriamanitra.

5 Tahaka izany manko ny fihaingon'ireo vehivavy fahiny anisan'ny vahoakan'Andriamanitra: sady nanantena an'Andriamanitra izy no nanaiky ny vadiny;

6 tahaka an'i Sara izay nanaiky an'i Abrahama sy niantso azy hoe tompoko. Zanak'i Sara ianareo, raha mba manao soa ka tsy matahotra izay fampitahorana na inona na inona.

7 Toy izany koa, ianareo lehilahy, mahaiza miara-mitoetra amin'ny vadinareo izay malemy paika kokoa noho ianareo araka ny efa fantatrareo; manehoa fanajana azy fa mpiombona anjara amin'ilay fiainana nomen'Andriamanitra ianareo mivady. Izany atao, mba tsy hisy zavatra hanampontsampona ny fivavahanareo.

8 Farany, aoka hiray saina sy hiray fo ianareo rehetra: mifankatiava toy ny mpiray tampo, mahaiza mifangoraka, manetre tena.

9 Aza mamaly ratsy ny ratsy na mamaly ompa ny ompa; aleo kosa mirary soa, satria ianareo efa nantsoin'Andriamanitra hanana anjara amin'ny soa nampanantenainy.

10 Fa izao no tenin'ny Soratra Masina: Izay te hankamamy fiainana sy te hahita andro soa, aoka izy hitsaha-miteny ratsy ary hitsaha-milaza fitaka;

11 aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa, aoka hitady fihavanana tsy an-kiato;

12 satria ny Tompo dia mitsinjo ny olo-marina sy mihaino ny fitarainany, fa tezitra kosa amin'ny mpanao ratsy.

13 Iza no hanisy ratsy anareo, raha mazoto amin'ny tsara ianareo?

14 Raha tahiny manao ny marina aza ianareo no ampahorina, dia sambatra. Aza matahotra izay fandrahonan'ny olona, ary aza mangorohoro amin'izany;

15 fa i Kristy no hajao ho Tompo ao am-ponareo. Aoka ho vonona mandrakariva ianareo hamaly izay rehetra manontany anareo ny amin'ny fanantenana ao anatinareo,

16 saingy ataovy amin-kalemem-panahy sy amim-panajana izany. Manana fieritreretana mahitsy; ka rehefa misy zavatra anendrikendrehana anareo, dia ho menatra izay mpanaratsy ny fitondrantena tsara anentanan'i Kristy anareo.

17 Eny, raha izany no sitrapon'Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin'ny fanaovan-tsoa toy izay amin'ny fanaovan-dratsy.

18 Fa i Kristy koa dia efa maty indray mandeha monja ho fanalana ny ota: ny Marina no efa maty hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin'Andriamanitra. Novonoina tao amin'ny nofo i Kristy, fa novelomina araka ny Fanahy Masina.

19 Nomban'ny Fanahy Masina Izy ka lasa nitoriteny tamin'ireo fanahy voagadra,

20 dia ireo fanahin'ny olona tsy nanaiky an'Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin'ny andro nanamboaran'i Noa ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noa valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin'ny rano.

21 Io rano io no tandindon'ny batisa izay amonjena anareo ankehitriny; ka tsy fanesorana lotom-batana ny batisa, fa toky omen'ny fieritreretana madio hitodika amin'Andriamanitra. Ny batisa no amonjena anareo amin'ny alalan'i Jesoa Kristy tafatsangana ho velona,

22 dia Ilay efa lasa any an-danitra sy mipetraka eo ankavanan'Andriamanitra, ka eken'ny anjely sy ny fahefana ary ny hery.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.055