1 Petera
Toko faha-2
1 Koa esory ny haratsiam-panahy rehetra sy ny fitaka rehetra mbamin'ny fihatsarambelatsihy sy ny fialonana ary ny fanosoram-potaka isan-karazany.2 Tahaka ny zaza vao teraka ianareo ka irio fatratra ilay ronono madio, izany hoe ny tenin'Andriamanitra, mba hitomboanareo amin'izany ka hahazoanareo famonjena,
3 raha tahiny efa nandramanareo tokoa fa tsara fo ny Tompo.
4 Manatona ny Tompo ianareo, fa Izy no vato velona nolavin'ny olona, kanefa voafidy sady sarobidy eo anatrehan'Andriamanitra.
5 Manatona ny Tompo ianareo mba ho tahaka ny vato velona voarafitra ho trano onenan'ny Fanahy Masina, ka hiara-manao fisoronana amin'ny alalan'i Jesoa Kristy.
6 Fa izao no voalaza ao amin'ny Soratra Masina: Indro Aho mametraka vatofehizoro ao Tsiona, dia vato voafidy sady sarobidy; ary izay mino Azy tsy mba hangaihay.
7 Ny maha vato sarobidy Azy dia ho anareo izay mino, ka ny vato nolavin'ny mpanao trano no nanjary vato fehizoro; ho an'izay tsy mino kosa,
8 dia vato mahasolafaka sy vato mampianjera izany. Solafaka tamin'io vato io izy ireo satria tsy manaiky ny tenin'Andriamanitra, sady ny ho solafaka rahateo no nanendrena azy ireo.
9 Fa ianareo kosa dia taranaka voafidy, fanjaka-mpisorona, firenena masina, vahoaka natao ho fananan'Andriamanitra, mba hitory ireo asa lehibe vitan'Andriamanitra Izay niantso anareo hiala tamin'ny haizina ho any amin'ny fahazavana mahagaga.
10 Tsy vahoakan'Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa vahoakany; tsy nahazo ny famindrampon'Andriamanitra ianareo fahiny, fa ankehitriny kosa efa nahazo ny famindrampony.
11 Ry hava-malala, amin'ny maha vahiny sy mpivahiny anareo eto an-tany dia mampirisika anareo aho mba hifady ny filandratsin'ny maha olona mpanota, fa miady manohitra ny fanahinareo ireny.
12 Manana fitondrantena tsara eo anivon'ny mpanompo sampy; fa na dia endrikendrehiny ho mpanao ratsy aza ianareo, dia ho hitany tokoa ny asa tsara ataonareo, ka hanomezany voninahitra an'Andriamanitra amin'ny andro hiavian'i Kristy.
13 Noho ny Tompo dia maneke ny fahefana rehetra misy eo amin'ny olombelona: na ny filoham-pirenena izany, satria mpitondra faratampony izy;
14 na ireo mpifehy izany, satria nirahin'ny filoham-pirenena izy mba hanasazy ny mpanao asa ratsy ary mba hidera ny mpanao asa soa.
15 Fa izao no sitrapon'Andriamanitra: ny hanampenanareo vava ny olona adala sy tsy mahalala amin'ny asa soa ataonareo.
16 Maneke araka ny maha olona afaka anareo; nefa aoka ny fahafahanareo tsy hampiasaina hanaovan-dratsy, fa hiainana araka ny maha mpanompon'Andriamanitra.
17 Hajao ny olona rehetra, tiavo ireo havana iray finoana; matahora an'Andriamanitra, manaja ny filoham-pirenena.
18 Ianareo mpanompo, maneke ny tomponareo amim-panajana tanteraka, tsy ny tsara fanahy sy ny malemy paika ihany fa ny sarotiny koa;
19 satria izao no ankasitrahin'Andriamanitra: ny miaritra fampahoriana mihatra tsy an-drariny, noho ny fieritreretanao an'Andriamanitra.
20 Inona tokoa moa no lazanareo, raha tahiny manao hadisoana ianareo no kapohina ka mandefitra? Fa raha tahiny manao soa ianareo no nampahorina ka mandefitra, dia izany no ankasitrahin'Andriamanitra.
21 Eny, izany no niantsoan'Andriamanitra anareo; fa i Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo, ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany:
22 i Kristy tsy nanota akory sady tsy mba niloa-bava hilaza fitaka;
23 notevatevaina Izy, nefa tsy mba nanevateva; nijaly Izy, nefa tsy mba nandrahona, fa nanankin-tena tamin'Andriamanitra Izay mitsara ara-drariny;
24 ny tenan'i Kristy no nitondra ny fahotantsika teo ambony hazofijaliana, mba hitsaharantsika amin'ny fahotana ka hivelomantsika hanao ny marina; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitrana anareo.
25 Eny, efa toy ny ondry nania ianareo, nefa ankehitriny dia tafaverina amin'ilay mpiandry sy mpitandrina ny fanahinareo.